Tôko faha 8

1 (Fagnamarihagna: Zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambony) Nankagny an-tendrombohitr'i Oliva Jesosy. 2 Vao mandregna de nakegny an-tempoly ndray Izy, ary ny ôlogna jiaby nagnatogna Ananjy; nipetraka Izy ary nampianatra anjaré ré. 3 Iré mpanora-dalàgna sy iré Fariseo de nitôndra viavy raiky tratra nijangajanga. Napetrakan-jaré ré také agnivony izy. 4 (Fagnamarihagna: Zahô ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7:53-8:11 ambôny) Avaké ahozy zaré ré taminanjy hoe : "Ry mpampianatra ô, itô viavy itô de tratra tam-pijangajangagna. 5 Ary akô amin'ny lalàgna, Mosesy nibeko zahay mbô hitôra-bato ny ôlo karaha izégny; ino no ambaranô moba ananjy?'' 6 Nilazainjaré ré hamandrihagna Ananjy eky, nefa izégny mbô afahanjaré ré magnameloka Ananjy, fô Jesosy ndraiky niondrika ary nanôratra tamin'ny rantsa-tagnany. 7 (Fagnamarihagna: Zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7 :53-8:11 aké ambôny) kôfa nametraka fagnontaniagna taminanjy foàgna zaré ré, de nitsangagna Izy ké nivôlagna ananjy irè hoe: "Zay tsy nanota taminaré, ôka izy no hambalavala vato ananjy voalôhany.'' 8 De niondrika ndraiky Izy, ary nanôratra tamin'ny tany tamin'ny rantsa-tagnany. 9 (Fagnamarihagna: zahà ny fagnamarihagna momban'i Jaona 7 :53-8:11 aké ambôny) Kôfa naregny izégny zaré ré, de niala tsiraikaraika, nanomboka tamin'ny zôkiny be. Ary ny farany de Jesosy raiky foagna no tavela takè, niaraka tamin'ilay viavy zay také tantegnantegnany. 10 Nitsangagna Jesosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Raviavy, fô lasa akeza iré mpagnameloka anô? Tsisy nagnameloka anô vô?'' 11 Ahoziny zaré hoe : "Tsisy, Tompoko.'' Ary ahozy Jesosy hoe: "Tsisy magnameloka anà Zaho. Mandihana ké aza manota koà.''] 12 Nivôlagna taminjaré ré ndraiky Jesosy, magnano hoe: "Izaho no fahazavagn'izô tontôlo izô; zay magnaraka Anahy de tsy handeha amin'ny haizigna fô hanagna ny fahazavagnan'ny fiainagna.'' 13 Ahozy iré Fariseo taminanjy hoe: "Anô de magnambara ny taignanô; tsy marigna ny fagnambaragnanô.'' 14 Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: "Na de magnambara ny tegnako aza Zaho, de marigna ny fagnambarako. Fantako ny nihaviàko sy ny lalagna ingianako, fô anaré ndraiky tsy mahafantatra zay nihaviàko na zay ingianako. 15 Anaré de mitsara araky ny nôfo; fô Zaho tsy mitsara na zôvy na zôvy. 16 Na de mitsara aza Zaho; de marigna ny fitsarako satrià tsy tôkagna Zaho, fô miaraka amin'ny Baba zay nagniraka Anahy. 17 Ia, ary akô amin'ny lalàgnanare de voasôratra fô marigna ny fijoroan'ny ôlon-droy vavolambelogna. 18 Zaho no nagnambara ny tegnako, ary i Baba zay nagniraka Anahy foagna koà de magnambara Anahy.'' 19 Ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Akeza ny babanô?'' Jesosy namaly hoe: ''Tsy fantanaré na Zaho na ny Raiko; kôfa nafantatra Anahy anaré, de mafantatra ny Raiko foagna koà.'' 20 Tankilan'ny fandatsahan- drakitra Izy no nivôlagna izégny koragna izégny kôfa igny Izy nampianatra také amin'ny tempoly igny, ary tsisy nisambotra Ananjy satrià tsy mbôla tônga ny lera. 21 Ary ahozy taminjaré ré hoe: ''Andeha Zaho; hizaha Anahy anaré ké ho foaty amin'ny fahotanaré. Zay ingianako, de tsy azonaré hingianagna. 22 Ahozy irè Jiosy hoe: ''Hamono Tegna vô Izy? Izégny vô no antony nivôlagnany hoe: 'Zay ingianako, de tsy azonare handianagna'?'' 23 Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Avy atô ambany anaré; Zaho ndraiky avy agny ambôny. Avy amin'izô tontôlo izô anaré; fô Zaho tsy avy amin'izô tontôlo izô. 24 Noho izégny, nambarako taminaré fô ho foaty akô amin'ny fahotanaré anaré. Fô kôfa tsy mino anaré fô Zaho no Izy, de ho faty amin'ny fahotanaré anaré.'' 25 Noho izégny de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Zôvy mô Anô?'' Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Araka zay nivôlagniky taminaré hatragny am-bôalôhany. 26 Managna raha betsaka ho koragnina sy hitsaràgna momba anaré Zaho. Kanefa, Izy zay nagniraka Anahy de marigna; ary iré raha zay regniky avy taminanjy, de hivôlagniko amin'izô tontôlo izô.'' 27 Tsy azonjaré ré anefa fô Izy de nikoragna taminjaré mômba ny Ray. 28 Ahozy Jesosy hoe: "Kôfa asandratraré ny Zanak'Ôlogna, de ho fantatraré fô zaho no Izy, ary tsy magnano na ino na ino ho Anahy Zaho. Araka ny nampianaran'ny Ray Anahy, no hivolagnako irè raha irè. 29 Izy zay nagniraka Anahy de miaraka aminahy, ary tsy namela Za raiky Izy, noho Zaho magnano zay ankasitrahany mandrakariva.'' 30 Kôfa nivôlagna iré raha iré Jesosy, de betsaka no nino Ananjy. 31 Jesosy Nivôlagna tamin'iré Jiosy zay nino Ananjy hoe : ''Kôfa mitoetra amin'ny teniky anaré, de ho tegna pianatranahy; 32 ary ho fantatraré ny marigna, ary ny marigna hagnafaka anaré.'' 33 Ary zaré namaly Ananjy hoe: "Taranak'i Abrahama zahay ary tsy mbôla nadivosin-jôvy na izôvy hatrizay; koà karakôry no hilazanô hoe: 'Ho afaka anare'?'' 34 Jesosy namaly ananjy iré hoe:''Volagniky aminaré, marigna, de marigna tokoà fô iré zay manota de andevon'ny ota. 35 Ny andevo de tsy mipetraka akô an-dragno mandrakizay; fô ny zanaka no mitoetra mandrakizay. 36 Noho izégny, kôfa ny Zanaka no magnafaka anaré, de ho afaka tokoà anaré. 37 Fantako fô taranak'i Abrahama anaré; mitady zay hamonoagna Anahy satrià tsy managna toeragna akô aminaré ny teniky. 38 Mivôlagna zay hitako niaraka tamin'ny Babako Zaho, ary anaré koà magnano zay regninaré tamin'ny babanaré.'' 39 Namaly zaré ré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Abrahama no babanay.'' Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Kôfa zanak'i Abrahama anaré, de hagnano ny asan'i Abrahama. 40 Kanefa, avaizo anaré mitady hamono Anahy, zay lalahy Nivôlagna taminare ny marigna zay regniky tamin'Andriamanitra. Abrahama tsy nagnano izégny. 41 Anaré de magnano ny asan'ny babanaré.'' Ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Tsy teraka tamin'ny fijangajangagna zahay; raiky foagna ny Babanay: de Andriamanitra.'' 42 Jesosy nivôlagna azy irè hoe: "Ra Andriamanitra no babanare, de tôkony ho tià Za anare , satrià avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandianako atô; fô tsy tônga ho azy Za, fô Izy no nagniraka Za. 43 Nagnino no tsy azonare ny teniky ? Zegny de satrià tsy afaka hagneky ny teniky anare. 44 Avy amin'ny babanare anare, lay devoly, ary ny tiànare atô de ny filagna zay natôn'ny babanare. Mpamono ôlogna hatramin'izay izy ary tsy mijoro amin'ny famarinagna satrià tsisy marigna akô aminy. Kôfa mandainga Izy , de ny toetra fatôny ihany no lazainy satrià mpandainga Izy ary baban'ny lainga. 45 Kanaifa, satrià milaza ny marigna Za, de tsy mino anare. 46 Zôvy aminare no magnameloka Za amin'ny fahotagna? Ra mivôlagna ny marigna Za, nagnino no tsy hinoanare? 47 Zay avy amin'Andriamanitra de maregny ny tenin'Andriamanitra; tsy maregny zegny anare satrià tsy avy amin'Andriamanitra.'' 48 Namaly irè Jiosy ke nivôlagna taminy hoe: Moa ve tsy milaza ny marigna zahay fô Samaritana Anô ary misy devoly? 49 Jesosy namaly hoe: "Tsisy devoly Za, fô magnamià voninahitra ny Raiko, ary anaré tsy magnomia voninahitra Anahy. 50 Tsy mitady ny voninahitranahy Za; misy raikia mitady sy mitsara. 51 Volagniky aminare, marigna , de marigna tokoàtra, fô ra misy mitandrigna ny teniky, de tsy hahita fafataisagna mandrakizay izy.'' 52 Ahozy irè Jiosy taminy hoe :" Avaizo fantanay fô managna devoly Anô. Aifa maty Abrahama sy irè paminany; kanaifa anô milaza hoe: 'Ra mitandrigna ny teniky, de tsy hahita fafataisagna mandrakizay Izy.' 53 Tsy maventy noho Abrahama Babanay, zay aifa maty Anô, sa ve maventy ? Irè paminany ihany koà de maty. Magnano ny taignanô izôvy Anô?'' 54 Jesosy namaly hoe :"Ra mankalaza ny teniky Za , de ho tsinontsinogna ny voninahitranahy; ny Babako zay atônare ho Andriamanitra no mankalaza Za. 55 Tsy fantanare Izy, fô Za mafantatra Ananjy. Ra milaza Za hoe: 'Tsy mafantatra Ananjy Za, de ho kara anare, mpandainga. Kanaifa, fantako Izy kay mitandrigna ny teniny Za. 56 Ny babanare de nifaly nahita ny androko; nahita zegny de faly.'' 57 Ahozy irè Jiosy taminy hoe: "Mbôla tsisy dimampôlo tôgna anô, kay de aifa nahita an'Abrahama ve?'' 58 Ary ahozy Jesosy taminjare hoe :" Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, fô talôhan'ny natirahan'i Abrahama, de Za no Izy. 59 ''Avake de nalaka vato hivalavalagna Ananjy zare, fô Jesosy kôza nitodika kay nivoàka ny tempoly.