Tôko faha 7

1 Tafaran'iré raha iré Jesosy de nandeha tagny Galilia, fô tsy te-ho agny Jodia anefa Izy noho iré Jiosy mitady hamono Ananjy. 2 Ary efa mariny ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely. 3 Noho izégny irè ralahiny nivôlagna taminanjy hoe: "Mialà amin'itô toeragna itô ary mandihana agny Jodia, mbô hafahan'irè pianatranô mahita irè asa atônô ihany koà. 4 Tsisy ôlo magnano raha misitrika izégny kôfa izy tegnany ary te-ho fantatra ampahibemaso. Kôfa magnano irè raha irè anô, de miseo amin'izô tontolo izô.'' 5 Fô na irè ralahiny aza tsy nino Ananjy. 6 Noho izêgny Jesosy nivôlagna ananjy irè hoe: "Mbôla tsy tônga ny fotoagnako, fô ny fotoagnare ndraiky de vôgnona lalandava. 7 Tsy afaka ny tsy hitià anare izô tontôlo izô, fô Zaho no halany satrià magnambara fô ratsy irè asany. 8 Anaré miakara agny amin'ny firavoravoagna; fô Zaho ndraiky tsy handeha amin'izégny satrià tsy mbôla tônga ny fotoagnako.'' 9 Tavafaran'ny nivôlagnany irè raha irè ananjy irè, de nijanogna takô Galilia Izy. 10 Fô kôfa niakatra tagny amin'ny firavoravoagna irè ralahiny, de niakatra tagny ihany koà Izy avaké, tsy nisehoseho fô niafigna. 11 Nitady ananjy tagny amin'ny firavoravoagna irè Jiosy ary nivôlagna hoe: "Akeza Izy?'' 12 Nisy koranam-be momba Ananjy tagnivon'iré vahoaka. Ny sanany nivôlagna fô: "Lalahy tsara Izy." Iré hafa mivôlagnna hoe: "Aha, mitarika ny vahoaka agny amin'ny fahaverezagna Izy." 13 Ary tsisy sahy nivôlagna ampahibemaso momba Ananjy nohon'ny fahatahoragna iré Jiosy. 14 Kôfa nisasaka ny firavoravoagna, de niakatra tagny amin'ny Tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra. 15 Avy také de magnana iré Jiosy, magnano hoe: "Akôry no hahaizan'io lalahy io izégny raha jiaby izégny? Izy tsy mbô nandalo fianaragna mihintsy." 16 Jesosy namaly anjaré ré ké nagnano hoe: "Tsy Aninahy ny fampianarako, fô avy Aminanjy zay nagnasa Anahy. 17 Kôfa misy ôlogna magniry hagnano ny sitrapony, de hahafantatra momban'io fampianaran'io izy, na avy amin'Andriamanitra izégny, na Zaho no mivôlagna avy amin'ny tegnako. 18 Na zôvy na zôvy mivôlagna avy amin'ny tegnany de mizaha ny voninahitry ny taignany manokana, fô na zôvy na zôvy mizaha ny voninahitr'izay nagnasa ananjy, de io ôlogna io no marigna, ary tsisy fahamarinagna akô aminanjy. 19 Tsy namiàn'i Mosesy anare mô ny lalàgna? Kanefa tsisy aminaré mitandrigna ny lalàgna. Nagnino anaré no mizaha hamono Anahy?'' 20 Namaly ny vahoaka hoe: "Anô de misy demonia. Zôvy koa no mizaha hamono Anô?" 21 Jesosy namaly ké nivôlagna anjaré ré hoe: "Asa raiky no nataoko, ary de managna noho izégny aby anaré. 22 Namian'i Mosesy ny famoràgna anaré (tsy hoe avy amin'i Mosesy izégny, fô avy amin'iré razagna), ary amin'ny Sabata de mamôra ôlogna anaré. 23 Kôfa amin'ny Sabata no amoragna ny ôlogna mbô tsy ho voadika ny lalàgnan'i Mosesy, de nahoana anaré no vignitra Aminahy kôfa nampahivagna tanteraka ôlogna raiky tamin'ny Sabata Zaho? 24 Aza mitsara amin'ny endrika ivailany, fô mitsarà am-pahamarinagna." 25 Nisy sanagny tamin'iré avy agny Jerosalema Nivôlagna hoe: "Tsy itô vô lay tadiavinjare ho vonigna?'' 26 Zahà, miresaka miarihary Izy, ary tsisy mivôlagna na ino na ino Ananjy zaré ré. De ho fantatrin'ny mpitôndra tokoà vô fô Izy no Kristy, sa karakôry? 27 Efa haintsika hoe avakeza io lalahy io. Fô kôfa tônga lay Kristy, de tsy hisy hahafantatra hoe avakeza Izy.'' 28 Avaké nihiàka mafy Jesosy takô an-Tempoly, nampianatra ké nivôlagna hoe: "Anaré de samy mafantatra ny tegnako ary mahay ny fiaviàko. Tsy tônga nohon'ny tegnako manôkana Zaho, fô lay nagniraka Anahy de marigna, ary tsy fantanaré Izy. 29 Fantako Izy satrià Zaho de avy aminy ary Izy no nagniraka Anahy.'' 30 Niezaka ny hanambotra Ananjy zare ré, fô tsisy naninji-tagnana taminanjy satrià tsy mbôla tônga ny fotoagnany. 31 Kanefa maro tamin'iré vahoaka no nino Ananjy, ary ahozy zaré ré hoe: "Kôfa tônga lay Kristy, mô hagnano famantaragna maro noho ny vitan'io lalahy io vô Izy ?'' 32 Naregny ny vahoaka nihisikisika irè raha momban'i Jesosy irè ny Fariseo, ké ny lôhan'ny mpisôrogna sy iré Fariseo de nagniraka mpiandry raraha hagnambotra Ananjy. 33 Ahozy Jesosy avaké hoe: ''Hely sisa ny fotoagna hiarahako aminaré, de handeha ho agny amin'ilay nagniraka Anahy Zaho. 34 Hitady Anahy anaré fô tsy hahita Anahy; zay handianako, tsy ho azonare handianagna.'' 35 Noho izégny irè Jiosy de nifampiresaka hoe: " Fô handeha ho eza io lalahy io no tsy ho vitantsika ny hizaha Ananjy? Handeha ho agny amin'iré zay nipetraka agny amin'ny Grika de hagnanatra iré Grika vô? 36 Ary ino ny dikan'ny teny nivolagniny hoe: 'Hizaha Anahy anaré fô tsy hahita Anahy; zay handianako, tsy ho azonaré andihanagna'?" 37 Ary tamin'ny farany, andro maventy amin'ny andro firavoravoagna, de nitsangagna Jesosy ary nivôlagna mafy, magnano hoe: "Kôfa misy mangetaheta, ambilay izy hagnantogna Anahy ary hisotro. 38 Zay mino Anahy, araka ny voalazan'ny Sôratra Masigna, de hikoriagna avy akô an-kibony ny onin'ny rano velogna." 39 Fô izô no ambarany momban'ny Fagnahy, iré zay nino Ananjy no handray; lay Fanahy de tsy mbôla namiagna satrià tsy mbôla nahazo voninahitra Jesosy. 40 Ny sanany tamin'iré vahoaka, kôfa nandre irè teny iré, de nivôlagna hoe: "Itô tokoà lay mpaminany." 41 Iré hafa nivôlagno hoe: "Itô lay Kristy." Fô ny sanany nivôlagna hoe: "Fô Kristy avy agny Galilia? 42 Tsy voavôlagnan'ny Sôratra Masigna mô fô Kristy de ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy akô Betlehema, lay tanàgna zay nisy an'i Davida?" 43 Ké nisy fizaragna také amin'ny vahoaka noho Izy. 44 Ny sanany taminjaré ré te-hisambotra Ananjy, fô tsisy naninji-tagnana taminanjy. 45 Avy také iré mpiandry raharaha nierigna tagny amin'iré lôhan'ny mpisorogna sy iré Fariseo, zay nivôlagna taminjaré ré hoe: "Nagnino anaré no tsy nitondra Ananjy?" 46 Namaly iré mpiandry raharaha hoe: "Tsy mbôla nisy nivôlagna karaha izégny mihintsy." 47 Noho izégny iré Fariseo namaly ananjy iré hoe: "Voafitaka ihany koà vô anaré? 48 Mô nisy tamin'iré mpanapaka mbô nino Ananjy, na tamin'iré Fariseo? 49 Fô iré vahoaka iré de tsy mahalala ny lalàgna, voaôzogna iré." 50 Nikodemosy (araiky amin'iré Fariseo, zay tônga mialoha také aminy), nivôlagna hoe: 51 "Mô lalàgnatsika mô mitsara ôlogna mialohan'ny handrenesagna ananjy ké ahafantaragna zay nataony?" 52 Namaly zaré ré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Avy agny Galilia koà mô Anô? Mikaroha ké zahà fô tsisy mpaminany avy agny Galilia." 53 (Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha tsara indrindra de tsy ahitagna ny Jaona 7: 58-8: 11) [Avy akê ny tsirairay nankany an-tragnony avy.