Tôko faha 6

1 Tafaran'iré raha iré, de lasa niampita ny ranomasin'i Galilia Jesosy, antsôvigna koà hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2 Nisy vahoaka maro nagnaraka Ananjy satrià hitanjaré iré ny famantaragna zay natôny tamin'iré narary. 3 Niakatra an-tendrombohitra Jesosy ary nipetraka tagny niaraka tamin'iré mpianany Izy. 4 (Ary ny Paska, lay andro firavoravoan'ny Jiosy, de efa mariny.) 5 Kôfa nizaha ambôny Jesosy ké nahita vahoaka maro be nagnantogna Ananjy, de Ahozy tamin'i Filipo hoe: "Aiza no hividianatsika môfo mbô hafahanjaré rè hômagna?" 6 ( Fô Jesosy nivôlagna izégny mbô hitsapagna an'i Filipo, fô efa fantany zay ho ataony.) 7 Ary Filipo namaly Ananjy hoe: "Na de môfo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an'ny tsiraikiraiky na de kely avy aza." 8 Raiky tamin'iré mpianatra, Andrea, ralahin'i Simona Petera, nivolagna tamin'i Jesosy hoe: 9 "Misy lalahy raiky aketo managna môfo dimy sy lôka roy, fô ino iré magnoloagna reto ôlogna maro?" 10 Ary Jesosy nivolagna hoe: "Asaivo mipetraka ny ôlogna" (Ary feno ahitra také amin'ilay toeragna.) Ké de nipetraka iré ôlogna, také amin'ny dimy arivo také ny isany. 11 Avy také Jesosy nalaka iré môfo kôfa avy nisaotra, de nirasa izégny tamin'iré zay nipetraka také. Karaha izégny koà no natôny tamin'ny hazandrano, maro araka zay nilain-jaré ré. 12 Kôfa voky ny ôlogna, de ahozy taminjaré mpianany hoe: "Angono iré poetipoetiny tavela, mbô tsy hisy ho very." 13 Ké de nahonkonjaré izégny ké nahafeno bazary roy ambin'ny fôlo ny poetipoetiny môfo dimy sisa navelan'iré nihinagna. 14 Avy také, kôfa nahita izégny famantaragna natôny izégny ny ôlogna, de ahozy zaré ré hoe: "Itô tokoà lay mpaminany zay ho tônga ho ety amin'izô tontôlo izô." 15 Kôfa hitan'i Jesosy fô ho avy zaré ré halaka Ananjy sy hanandratra Ananjy an-keriny ho mpanjaka, de nierigna tagny an-tendrombohitra raiky ndraika Izy. 16 Kôfa hariva ny andro, de nirôrogna tagny amin'ny ranomasigna iré mpianany. 17 Nankô agnaty sambokely zaré ré, ké niampita ny ranomasigna ho agny Kapernaomy. Efa maizigna tamin'izay, ary Jesosy mbôla tsy tônga také aminjaré foagna. 18 Nisy rivotra nitsoka mafy, ary niha-nahery ny ranomasigna. 19 Kôfa nivory také amin'ny dimy amby roapôlo na telopôlo stadio také zaré ré, de nahita an'i Jesosy nandeha také amin'ny ranomasigna ary nariny ny sambokely, ké de natahotra zaré. 20 Fô ahozy taminjaré hoe: ''Zaho foagna itô! Aza matahotra." 21 Avy také de vôgnona ny handray Ananjy takô amin'ilay sambokely zaré ré, ary také no také de tônga tagny amin'ilay toeragna alehanjaré ré lay sambokely. 22 Amaraigna, hitan'iré vahoaka zay nitsangana tagny ampitan'ny ranomasigna fô tsisy sambokely hafa také afa-tsy lay raiky foagna, ary Jesosy tsy niditra takô niaraka tamin'iré mpianany fô nandeha raiky iré mpianany. 23 Kôfa, nisy sambokely maromaro avy agny Tiberiasy také akaikin'ilay toeragna zay nihinanan-jaré ré môfo kôfa avy nisaotra ny Tompo. 24 Kôfa hitan'ny vahoaka fô tsy také na Jesosy na iré mpianany, de niditra takô agnaty sambokely zaré ré ary nakagny Kapernaomy hizaha an'i Jesosy. 25 Kôfa hitanjaré ré tagny ampitan'ny renirano Izy, de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Raby, oviagna Anô no tônga teto?" 26 Jesosy namaly anjaré ré, nagnano hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô mizaha Anahy anaré, tsy nohon'ny nahitanaré famantaragna, fô nohon'ny nihinanaré ny môfo kè voky. 27 Aza miasa ho an'ny hanigna mety ho levogna, fô miasà ho an'ny hanigna zay maharitra ho an'ny fiainagna mandrakizay zay hamian'ny Zanak'Ôlogna anaré, satrià Andriamanitra Ray no nagnisy tombo-kase taminanjy." 28 Avy také de ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Ino no tsy maintsy hataonay, mbô hanaovanay iré asan'Andriamanitra?" 29 Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: "Izô no asan'Andriamanitra: de ny hinoanaré lay raiky zay nasainy." 30 Ké ahozy zaré ré taminanjy hoe: "Ino ary no famantaragna ho ataonô, mbô hahitanay sy hinoanay anô? Ino no ho ataonô? 31 Ny dadilahinay nihinagna ny mana tagny agn'efitra, araky ny voasôratra hoe: Namiany môfo avy agny an-dagnitra zaré ré hoanigna." 32 Avy také Jesosy namaly anjaré iré hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô tsy Mosesy no nagnamia anaré ny môfo avy agny an-dagnitra, fô ny Raiko no magnamià anaré ny tegnany môfo avy agny an-dagnitra. 33 Satrià ny môfon'Andriamanitra de lay mirôrogna avy agny an-dagnitra ké magnamià fiainagna ho an'izô tontôlo izô." 34 Ké ahozy zaré taminanjy hoe: "Tompoko, amiavo anay mandrakariva izégny môfo izégny." 35 De ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Zaho no môfon'ny fiainagna; zay magnantogna Anahy tsy mbô tihinagna eky, ary zay mino Anahy tsy hangaitahaita eky. 36 Kanefa efa nivolagniko taminaré fô nahita Anahy foagna anaré, nefa tsy mino. 37 Ny jiaby zay omen'ny Raiko Anahy de hanatogna Anahy, ary zay magnatogna Anahy de tsy mbô ho ariako. 38 Fo nirôrogna avy agny an-dagnitra zaho, tsy mbô hagnano ny sitrapoko manôkagna, fô ny sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy. 39 Ary zô no sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy, de ny tsy hanariako zay namiany Anahy jiaby, fô hanangagna anjaré amin'ny andro farany. 40 Satrià zô no sitrapon'ny Raiko, de ny mbô hahazahoan'ny jiaby zay mahita ny Zanaka sy mino Ananjy ny fiainagna mandrakizay ary ho hatsangako amin'ny andro farany izy. 41 Avy takè nimenimenigna mômba Ananjy ire Jiosy satrià Izy nivôlagna hoe: ''Zaho no môfo nirôrogna avy agny an-dagnitra.'' 42 Ary ahozy zaré ré hoe: "Tsy lay Jesosy zanak'i Josefa mô io, zay tsy haintsika mô ny ray aman-dreniny? Nagnino ariky volagniny hoe: 'Nirôrogna avy agny an-dagnitra Zaho'?'' 43 Jesosy namaly ké nagnano taminjaré ré hoe: " Adokoà ny menimenigna agnivonaré. 44 Tsisy ôlogna afaka magnantogna Anahy kôfa tsy ny Ray zay nagnasa Anahy no mitôgno ananjy, ary hantsangako izy amin'ny andro farany. 45 Izégny de voasôratra akô amin'ny bokin'ny mpaminagny hoe: 'Hampianarin'Andriamanitra izy jiaby.' zay maregny jiaby sy nianatra tamin'ny Ray no magnatogna Anahy. 46 Tsisy nahita ny Ray, afa-tsy zay avy amin'Andriamanitra, izy no nahita ny Ray. 47 Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô zay mino no managna fiainagna mandrakizay. 48 Zaho no môfon'ny fiainagna. 49 Ny Dadilahinaré nihinagna ny mana avy tagny agn'efitra, ké naty zaré ré. 50 Itô ny môfo mirôrogna avy agny an-dagnitra, mbô tsy ho foaty zay homagna amin'izagny. 51 Zaho no môfo velogna mirôrogna avy agny an-dagnitra. Kô misy ôlogna hômagna amin'itô môfo itô, de velogna mandrakizay izy. Ny môfo zay hamiàko no nôfoko ho an'ny fiainan'izô tontolo izô.'' 52 Naha-vignitra iré Jiosy ké nanomboka niady hevitra, nagnano hoe: "Akôry no afahan'io lalahy io magnomià antsika ny nôfony hoanigna?'' Ary Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: 53 "Volagniko aminaré marigna de marigna tokoà, fô kôfa tsy hômagna ny nôfon'ny Zanak'Ôlogna anaré sy misotro ny ràny de tsy hanagna fiainagna akô aminaré. 54 Na zôvy na zôvy hômagna ny nôfoko sy misotro ny ràko de managna fiainagna mandrakizay, ary hantsangako izy amin'ny andro farany. 55 Fô ny nôfoko no tegna fihoànigna, ary n'y ràko no tegna fisotro. 56 Zay hômagna ny nôfoko sy misotro ny ràko no mitoetra Aminahy, ary Zaho akô aminanjy. 57 Karaha ny nagnasan'ny Ray velogna Anahy, sy karaha ny hivilômako nohon'ny Ray, zay hômagna Anahy, de ho velogna koà noho ny Aminahy. 58 Itô lay môfo nirôrogna avy agny an-dagnitra, tsy karaha ny Dadilahy nihinagna ké naty. Zay hômagna itô môfo itô de ho velogna mandrakizay.'' 59 Fô Jesosy nivôlagna iré raha iré takô amin'ny Synagoga kôfa nampianatra takô Kapernaomy Izy. 60 Ary maro tamin'ire mpianany zay naregny izégny no nivôlagna hoe: "Fampianaragna sarotra izégny; zôvy no afaka hagneky izégny?" 61 Jesosy, noho Izy nahafantatra taminanjy fô nimenimenigna tamin'izégny iré mpianany, nivôlagna anjaré ré hoe: "Manafitohigna anaré mô izégny? 62 Koà karakôry kôfa tôkony hahita ny zanak'Ôlogna miakatra agny amin'ny nitoerany talôha anaré? 63 Ny Fagnahy no magnamià fiainagna; ny nôfo tsy ahazahoàgna na ino na ino. Iré teny zay nivolagniko taminaré de fagnahy, ary fiainagna iré. 64 Mbôla misy ny sanany aminaré tsy mino.'' Fô Jesosy efa nahafantatra hatramin'ny vôlôhany zay tsy hino sy zay hamadika Ananjy. 65 Ahozy Izy hoe: ''Noho izégny no nivolagniko taminaré fô tsisy ôlogna afaka magnatogna Anahy kôfa tsy namiàn'ny Ray Ananjy izégny.'' 66 Noho izégny, maro tamin'iré mpianany no lasagna ary tsy niara-dià taminanjy eky. 67 De ahozy Jesosy taminjaré roy ambin'ny fôlo hoe: "Tsy te-handeha koà mô anaré, sa tsia? 68 Ary Simona Petera namaly Ananjy hoe: "Tompo, ho agny amin-jôvy mô zahay? Anô no managna ny teny fiainagna mandrakizay, 69 ary nino zahay ké magnatogna mbô hahafatatra fô Anô no lay Masign'Andriamanitra.'' 70 Aozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Tsy Zaho mô no nifidy anaré, roy ambin'ny fôlo, ary ny raiky aminaré de devoly?'' 71 Ary Jodasy zanak'i Simona Iskariota no volagniny, satrià izy, lay raiky amin'izy roy ambin'ny fôlo zay hamadika an'i Jesosy.