Tôko faha 5

1 Tafaran'izégny de nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary niakatra ho agny Jerosalema Jesosy. 2 Ary tagny Jerosalema eké ankilan'ny vavahadin'ondry, de nisy farihy, zay natsôvigna tamin'ny Hebreo hoe Betesda, ké misy fialôfagna dimy izégny. 3 Maro iré ôlogna marary, jamba, malemy, na tsy afa-mietsika natory takô. (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha zay tsara indrindra de magnala ny fehezanteny hoe: "Miandry ny fihetsehin'ny rano") (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha tsara indrindra de magnala ny and. 4 hoe: "Fô nisy anjelin'ny Tompo raiky nirôrogna ké nampihetsika ny rano ndraikindraiky ary na zôvy na zôvy nandroso nankô kôfa nihetsika ny rano de nahivagna tamin'iré aretigna zay namparary ananjy na ino na ino.") 5 Ary nisy lalahy araiky také zay efa narary valo amby telo-pôlo tôgna. 6 Kôfa hitan'i Jesosy nandry také izy, sy tafaran'ny nahatsapany fô efa an-tôgna maro izy no také, de ahozy izy taminanjy hoe: "Te-ho sitrana mô anô?" 7 Namaly lay lalahy marary hoe: "Tompoko, tsy managna na zôvy na zôvy zaho handroboka anahy akô agnaty farihy kôfa mihetsika ny rano. Kôfa mandeha zaho, de misy misôsoka aké alôhako." 8 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mitsangàna, indôso ny fandriagnanô, ké mandehana." 9 Avy hatrany de nahivagna lay lalahy, ké niraisiny ny fandriagnany de nandeha izy. Ary Sabata izégny andro izégny. 10 De ahozy iré Jiosy tamin'ilay nahivagna hoe: "Sabata ny andro de tsy mahazo mitôndra ny fandriagnanô anô". 11 Namaly izy hoe: "Lay nampahivagna anahy no nivôlagna taminahy hoe: "Ndôso ny fandriagnanô ké mandehana." 12 Ary nagnontagny ananjy zaré ré: "Izôvy Lay lalahy nivôlagna taminô hoe: 'Ndôso ny fandriagnanô ké mandehana'?" 13 Kanefa, lay nahivagna tsy nahalala Ananjy satrià niala môramôra Jesosy fô nisy vahoaka také an-toeragna. 14 Nony avy také, hitan'i Jesosy takô an-tempoly izy ké ahozy taminanjy hoe: "Io, nahivagna anô! Aza manota Eky, mbô tsy hitranga aminô ny raha ratsy noho ny také." 15 Avy také de lasagna ralalahy ké nitatitra taminjaré Jiosy fô Jesosy no nanasitrana ananjy. 16 Ary noho iré raha iré de nagnenjika an'i Jesosy iré Jiosy, satrià nagnano iré raha iré tamin'ny Sabata Izy. 17 Ary namaly ananjy iré Jesosy hoe: "Ny Raiko de miasa egny fô na avaizo aza, ary Zaho, ihany koà, de miasa." 18 Noho izégny, de vô maika nitady hamono Ananjy iré Jiosy tsy nohon'ny faniratsirany ny Sabata foagna, fô ny niantsoany an'Andriamanitra ihany koà hoe Babany manôkagna, magnano ny tegnany ho mitôvy amin'Andriamanitra. 19 Ary Jesosy namaly anjaré ré hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô ny Zanaka de tsy afaka magnano na ino na ino ho Ananjy, afa-tsy zay hitany ataon'ny Ray foagna, fô na ino na ino ataon'ny Ray, de ataon'ny Zanaka ndraiky koà iré raha irè. 20 Fô ny Ray tia ny Zanaka ké nampiseho Ananjy ny raha jiaby zay natôn'ny tegnany, ary hampiseho ananjy raha maventy be mihoatra noho iré Izy mbô ho magnana anaré. 21 Fô karaha ny Ray manangagna sy mamelogna ny maty, de karanjegny koà no ameloman'ny Zanaka zay tiany. 22 Fô ny Ray de tsy mitsara na zôvy na zôvy, fô namiany ny Zanaka ny fitsaragna jiaby 23 mbô hagnajan'ny jiaby ny Zanaka karaha ny hagnajan-jaré ny Ray. Zay tsy magnaja ny Zanaka de tsy magnaja lay Ray nagnasa Ananjy. 24 Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô zay maharegny ny teniko sy mino zay nagnasa Anahy de managna ny fiainagna mandrakizay kè tsy ho helohigna, fô niala tamin'ny fahafatesagna ho amin'ny fiainagna izy. 25 Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoâ, fô avy ny lera, ary tônga izégny avaizo, kôfa haharegny ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ny maty, ary ho velogna iré zay maharegny. 26 Fô karaha ny Ray managna fiainagna akô Aminanjy, no nagnomezagna ny Zanaka ihany koà mbô hanagnany fiainagna akô Aminanjy, 27 ary namian'i Ray fahefagna hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'ôlogna. 28 Aza magnana amin'izégny, fô avy ny andro handrignesan'ny ôlogna jiaby agny am-pasagna ny feony 29 ké hivoaka: iré zay nagnano ny tsara de ho agny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fiainagna, fô iré zay nagnano ny ratsy ndraiky de ho agny amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsaragna. 30 Tsy afaka magnano na ino na ino kôfa Zaho foagna. Araka zay regniko, no itsarako, ary ny fitsarako de marigna satrià tsy mitady ny sitrapoko manôkagna Zaho fô ny sitrapon'Izy zay nagnasa Anahy. 31 Kôfa tôkony hagnambara ny momban'ny tegnako Zaho, de tsy marigna ny fagnambarako. 32 Misy raiky hafa zay nagnambara ny momba Anahy, ary fantako fô marigny ny fagnambaragna zay nivolagniny momba Anahy. 33 Nasainy tagny amin'i Jaona anaré, ary nagnambara ny marigna izy. 34 Kanefa ny fagnambaragna zay raisiko de tsy avy amin'ny ôlogna. Mivolagna izégny raha izégny Zaho mbô mety ho voavonjy anaré. 35 Jaona de jiro nirehitra sy nagnazava, ary anaré nagniry ny hifaly vetivety takô amin'ny fahazavany. 36 Kanefa ny fagnambarako de mbôla maventy noho ny an'i Jaona, fô iré asa namian'ny Ray ho tantairahiko, iré asa zay ataoko iré, no magnambara ny momba Anahy fô nasain'ny Ray Zaho. 37 Ny Ray zay nagnasa Anahy mihitsy no nagnambara Anahy. Tsy mbôla naharegny ny feony na nahita ny tavany anaré. 38 Ary ny teniny tsy mbô mitoetra akô agnatinaré, satrià tsy mino lay nasainy anaré. 39 Mitady ny Sôratra Masigna anare satria heverinare fô akô amin'iré no anagnanaré fiainagna mandrakizay, ary iré Sôratra Masina iré foagna no magnambara momba Anahy, 40 kanefa tsy vôgnona ny hagnatogna Anahy anaré mbô hanagnaré fiainagna. 41 Tsy mandray laza avy amin'ny ôlogna Zaho, 42 satrià fantako fô tsisy fitiavagna an'Andriamanitra akô aminaré. 43 Tônga amin'ny agnaran'ny Raiko Zaho, nefa tsy raisinare. Kôfa misy hafa tônga amin'ny agnarany manôkagna, de ho raisinaré Izy. 44 Akôry no hinoanaré, anaré zay mandray laza avy amin'ny ôlon-kafa kanefa tsy mitady ny laza zay avy amin'Andriamanitra tôkagna? 45 Aza mieritreritra hoe: Zaho no hiampanga anaré agnatrehan'ny Ray. Lay raiky miampanga anaré de Mosesy, zay nametrahanaré ny fagnantenagnaré. 46 Kôfa nino an'i Mosesy anaré de tôkony hino Anahy, satrià nanôratra ny momba Anahy izy. 47 Kôfa tsy mino iré nisoratany anaré, de ataonaré akôry no hino ny teniko?