Tôko faha 4

1 Ary kôfa fantatr'i Jesosy hoe fantatr'irè Fariseo fô nahazo sy nagnano batisa mpianatra maro noho Jaona Izy 2 (na de tsy Jesosy tegnany aza no nagnano batisa, fô iré mpianany), 3 de niala takô Jodia Izy ary niherigna nandeha agny Galilia ndraiky. 4 Fô ilainy ny mamakivaky an'i Samaria. 5 Ké de tônga takô amin'ny tanàgna raiky akô Samaria Izy, antsôvigna hoe Sykara, mariny lay ilan-tany zay namian'i Jakoba an'i Josefa zanagny. 6 Také lay fangalan'i Jakoba rano. Natsiaro reraka tamin'ny lehany Jesosy ké nipetraka tamin'ilay fangalan-drano. Tôkony tamin'ny laira faenignia te. 7 Nisy viavy Samaritana raika tônga hialadrano, ké ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mbô amià rano Zaho ho sotroiko.'' 8 Fô iré mpianatra efa lasa agny an-tanàgna mbô hividy hanigna. 9 Avake ahozy lay viavy samaritana taminanjy hoe: "Karakôry anà, zay Jiosy, no mangataka aminahy, zay viavy samaritana, rano ho hihoanigna? Fô irè Jiosy tsisy hifandraisagna amin'ny Samaritana. 10 Fô namaly Jesosy ké nagnano taminanjy hoe: "Kô fantanô ny fagnamiazan'Andriamanitra, sy zay mivôlagna aminô hoe: 'Amià zaho ho sotroiko,' de anô ndraiky no ho nangaho taminanjy, ké amiàny rano velogna.'' 11 Ahozy lay viavy taminanjy hoe: "Tompoko, anô de tsy managna fanovôzagna ké ny fatsakana laligna. Ké akeza no hahazahoanô rano velogna? 12 Anô de tsy maventy, mô vô, noho Jakoba razambentsika, zay nagnomia anay ny fatsakagna sy nisotro tamin'izégny ny tegnanay, karaha ny natônjaré zanany sy iré bibiny?" 13 Jesosy namaly ké nagnano taminanjy hoe: "Zay jiaby misôtro amin'itô rano itô de mbôla hangetaheta ndraiky, 14 fô na zôvy na zôvy misotro amin'ny rano zay hamiako ananjy de tsy hangetaheta mandrakizay. Fô ndraiky, ny rano zay hamiako ananjy de ho tônga loharano miboiboika akô agnatiny, zay mitondra agny amin'ny fiainagna mandrakizay." 15 Ahozy raviavy taminanjy hoe: "Tompoko, amiàvo izégny rano izégny zaho mbô tsy hangetaheta sy ho tônga hatsaka aketo intsony." 16 Ahozy Jesosy tamin'draviavy hoe: "Mandehagna, antsôvy vadinô, de miregna atô." 17 Namaly lay viavy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Tsy manambady zaho." Namaly Jesosy hoe: "Marigna ny voalazanô hoe: 'Tsy manambady zaho,' 18 fô efa nanambady indimy anô, ké lay raiky zay hipetrahanô avaizo de tsy mbôla vadinô. Marigna zay voalazanô." 19 Ahozy raviavy taminanjy hoe: ''Tompoko, itako fô mpaminagny Anô. 20 Iré razantsika nivavaka taketo amin'itô tendrombohitra itô, kanefa anaré magnambara fô Jerosalema no toeragna tôkony hivavahan'ny ôlogna.'' 21 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Minoa Anahy, raviavy, fô ho avy ny andro zay hideranaré ny Baba ké sady tsy amin'itô an-tendrombohitra itô no tsy agny Jerosalema. 22 Fô anaré miankôhoka amin'izay tsy fantanaré. Zahay ndraika miankôhoka amin'izay fantanay, satrià ny famonjegna de avy amin'iré Jiosy. 23 Kanefa, ho avy ny andro, ary tônga avaizo, kôfa hidera ny Baba amin'ny fanahy sy fahamarinagna iré tegna mpivavaka, satrià ny Baba de mitady ôlogna kara izégny ho mpidera Ananjy. 24 Andriamanitra de Fanahy, ké ny ôlogna zay midera Ananjy de tsy maintsy midera amin'ny fanahy sy fahamarinagna." 25 Ahozy lay viavy taminanjy hoe: "Fantako fô ho avy ny Mesia (lay antsôvigna hoe Kristy). Ary kôfa tônga Izy, de hagnazava amintsika ny raha jiaby." 26 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Zaho zay mivôlagna aminô, no Izy." 27 Tamin'izégny fotoagna izégny de nierigna iré mpianany. Ary nagnontany tegna zaré ré hoe nagnino Izy no mikoragna amin'ny viavy, fô tsisy nivôlagna hoe: "Ino no tadiavinô?" na hoe: "Nagnino anô mikoragna aminanjy?" 28 Noho izégny de namela ny sininy raviavy, ké nandeha nierigna tagny an-tanàgna, ary nivôlagna tamin'ny ôlogna hoe: 29 "Handeha, zahà lay lalahy zay nivôlagna ny raha natôko jiaby. Tsy ho Kristy izégny, sa vô Izy?" 30 De niala také an-tanàgna zré ré ké nankeo Aminanjy. 31 Nandritr'izégny, namporisika Ananjy iré mpianatra, magnano hoe: "Raby, mihinàna." 32 Fô ahozy tamin-jaré ré hoe: "Zaho de managna hanin-ko hanigna zay tsy fantanaré." 33 Ké nifampivôlagna iré mpianatra hoe: "Tsisy ôlogna nitondra raha ho hanigna ho Ananjy, sa vô nisy?" 34 Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: "Ny hanigna de ny magnano ny sitrapôn'Ilay nagnasa Anahy ké magnano ny asany. 35 Anô mô tsy mivôlagna hoe: ''Efa-bôlagna tavela de ho avy ny fararano?' Volagniko aminaré, hatopazo ny masonaré de zahà ny agny an-tsaho, fô efa masaka ary ho jinjaigny iré! 36 Zay minjinja de mandray karama sy magnangogna vokatra ho amin'ny fiainagna mandrakizay, ké hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja." 37 Fô amin'izégny de marigna lay teny magnano hoe: 'Ny raiky mamafy, ké ny raiky ndraiky minjinja,' 38 Nagnasa anaré hinjinja zay tsy nisasaranaré Zaho. Iré hafa no nisasatra, ké anaré no niditra také amin'zay nisasarany." 39 Maro tamin'iré samaritana takô amin'izégny tanàgna izégny no nagneky Ananjy nohon'ny tatitr'ilay viavy zay magnambara hoe: ''Nivolagniny taminahy aby zay natôko jiaby." 40 Kôfa nagnantogna Ananjy iré samaritana, de nangataka Ananjy mbô hidônko hiaraka aminjaré ré, de nidônko takô roy andro Izy. 41 Maro hafa no nagneky nohon'ny teniny. 42 Ahozy zaré ré tamin-draviavy hoe: "Tsy noho zay nivolagninô eky no hinoanay, fô zahay mihitsy no efa naharegny, ké fantanay fô Izy tokoà no lay Mpamonjy an'izô tontôlo izô." 43 Tafaran'iré roy andro iré, de niala avy takô Izy hakagny Galilia. 44 Fô Jesosy mihintsy no nagnambara fô ny mpaminany de tsy manan-danja akô amin'ny taniny manôkagna. 45 Kôfa tônga takô Galilia Izy, de nandray Ananjy iré Galiliana. Zaré ré de nahita ny raha jiaby zay natôny takô Jerosalema tamin'ny andro firavoravoagna, satria nandeha tagny amin'ny andro firavoravoagna foagna koà zaré ré. 46 Ary tônga takô Kana akô Galilia ndraiky Izy, zay toeragna nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa raiky zay nanagna zanaka lahy marary takô Kapernaony. 47 Kôfa regny fô avy agny Jodia ho agny Galilia Jesosy, de nankeo amin'i Jesosy izy ké nangataka taminanjy mbô hirôrogna ké hampahivagna ny zanany lahy, zay efa ho foaty. 48 Avy také Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Kôfa tsy mahita famantaragna sy fahagagagna anaré, tsy mbô hino mihintsy." 49 Ahozy lay tandapa taminanjy hoe: "Tompoko, mirorôgna ré mialôhan'ny hafatesan'ny zanako." 50 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Mandehàna. Velogna ny zanakanô." Nino ny teny zay nivolagnin'i Jesosy taminanjy lay lalahy, ké de lasagna izy. 51 Kôfa agny izy nirorôgna igny, de nitsena ananjy re mpanompony, nivôlagna fô velogna ny zanany. 52 Ké nagnontagny anjaré ré ny lera zay nagnaretany izy. Namaly Ananjy zaré ré hoe: "Omaly tamin'ny lera fahafito no nialàn'ny tazogna taminanjy." 53 Fantatr'ilay papany avy také fô tamin'io lera io no nivolagnan'i Jesosy ananjy hoe: "Velogna ny zanakanô." Ké de nino ny tegnany sy iré ankohonany jiaby. 54 Izégny no famantaragna faharoy natôn'i Jesosy fony Izy niala takô Jodia ho agny Galilia.