Tôko faha 3

1 Ary nisy Fariseo raiky antsôvigna hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy. 2 Nagnantogna an'i Jesosy tamin'ny andro aligna io lalahy io ké nivôlagna taminanjy hoe: "Raby, fantanay fô mpampianatra zay avy amin'Andriamanitra Anô, satrià tsisy mahavita ire famantaragna atônà kôfa tsy miaraka amin'Andriamanitra.'' 3 De namaly ananjy Jesosy nagnano hoe: "Volagniko aminaré marigna, de marigna tokoà, fô kôfa tsy ateraka indraiky ny ôlogna de tsy ahita ny fanjakan'Andriamanitra izy.'' 4 Nikodemosy nivôlagna taminanjy hoe: '' Amin'ny fômba karakôry ny hahatanteraka ny ôlogna raiky kô efa antitra izy? Tsy afaka hiditra an-kibon-dreniny izy ké hateraka, sa vô afaka? 5 Namaly Jesosy hoe: "Volagniko marigna aminô tokoà, fô kôfa tsy nateraka tamin'ny rano sy ny fanahy ny zanak'ôlogna, de tsy afaka hiditra akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Zay ateraky ny nôfo de nôfo, ké zay aterakiny ny Fanahy de fanahy. 7 Aza magnana amin'izay nivolagniko anô hoe: 'Tsy maintsy hateraka indraiky anaré.' 8 Ny rivotra mitsoka na eza na eza iriany; regninô ny feony, fô tsy fantanô zay niaviàny na zay handianany. Karanjegny aby ny ateraky ny Fanahy.'' 9 Namaly Nikodemosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Akory ny fomba hahatanterahin'izégny kôfa izégny?" 10 Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: ''Mpampianatra an'Israely vô anô, de mbôla tsy azonô foagna izégny kôfa izégny? 11 Volagniko aminô, marigna, de marigna tokoà, fô zay fantanay no volagninay, ké zahay magnambara ny momba zay hitanay. Kanaifa mbôla tsy magneky ny fagnambaragnanay anaré. 12 Kôfa nagnambara taminaré ny raha tety an-tany Zaho nefa tsy hinoanaré, amin'ny fomba karakory no hinoanaré Anahy kôfa hitantara aminaré ny raha misy agny an-dagnitra Zaho? 13 Tsisy niakatra agny an-dagnitra afa-tsy lay nirôrogna avy tagny, de lay zanak'Ôlogna izégny. 14 Ary kara ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tagny an'efitra, no tsy maintsy hanandratagna ny Zanak'Ôlogna, 15 mbô hanagna fiaignana mandrakizay zay jiaby mino Ananjy. 16 Fô tegna tian'Andriamanitra izô tontôlo izô, ké namiany ny zanany lahy tôkagna, mbô tsy ho very zay jiaby mino Ananjy fô hanagna fiaignana mandrakizay. 17 Fô Andriamanitra tsy nagnasa lay Zanaka ho amin'izô tontôlo izô mbô hagnameloka izô tontôlo izô, fô mbô hamonjy izô tontôlo izô amin'ny alalany. 18 Zay mino Ananjy de tsy helohina, fô zay tsy mino ndraiky de efa voaheloka sahady satrià tsy nino ny agnaran'ilay Zanaka lahy raiky sy tôkan'Andriamanitra. 19 Izô no anton'ny fitsaràgna: tônga taketo amin'izô tontôlo izô ny fahazavagna, nefa de naleon'ôlombelogna ny haizigna karaha zay ny mazava satrià ratsy iré asa natôny. 20 Fô zay jiaby magnano ratsy de mankahala ny mazava ké tsy magnantogna izégny mbô tsy ho hita mibaribary iré asany. 21 Kanefa, zay magnano ny marigna de magnantogna ny mazava mbô ho hita tsara fô iré asany de natô arakan'Andriamanitra." 22 Tafaran'iay, de nandeha tagny Jodia Jesosy sy iré mpianany. Nitoetra fotoagna vitsy takô niaraka taminjaré ré Izy ké nagnao batisa. 23 Ary Jaona koà nagnano batisa tagny Ainona akaikin'i Saleima satria betsaka ny rano tagny. Nagnatogna ananjy ny vahoaka ké natô batisa, 24 fô tsy mbôla nalefa agny an-tragno maizigna Jaona. 25 Avy také nisy fifandiragna tamin'ny sanany aminjaré mpianatr'i Jaona sy Jiosy raiky momban'ny andro fisasagna. 26 Nagnantogna an'i Jaona zaré ré ké nivôlagna hoe: "Raby, Lay raiky niaraka taminô tagny ampitan'ny reniranon'i Jordana, zay nambaranô, indro, magnano batisa Izy, ary magnantogna Ananjy aby zaré jiaby." 27 Ary Jaona namaly hoe: "Tsisy afaka mandray na ino na ino ny ôlogna raiky kôfa tsy namiagna ananjy avy agny an-dagnitra izégny. 28 Anaré foagna de efa afaka ny vavôlombelogna amin'ny volagniko hoe: 'Tsy lay Kristy zaho,' fô ndraiky: 'Nasainy talôhany.' 29 Ny ampakarigna de an'ny mpampakatra. Ary ny sakaizan'ny mpampakatra, zay nitsangagna sy mitandregny ananjy, de mifaly indrindra nohon'ny amin'ny farignesany ny feon'ny mpampakatra. Izégny, ary, no mameno hafaliànahy. 30 Tsy maintsy mintombo Izy, fô zaho ndraiky tsy maintsy mihegna. 31 Izy zay avy agny ambôny de ambônin'ny raha jiaby. Izy avy aketo an-tany de avy aketo an-tany ké mikoragna mômban'ny aketo an-tany. Zay avy agny an-dagnitra de ambônin'ny raha jiaby. 32 Izy de magnambara ny mômba zay hitany sy regniny, kanefa de tsisy mandray ny fagnabaragnany. 33 Zay nandray ny fagnambarany ndraiky de magnamafy fô marigna Andriamanitra. 34 Fô lay araiky nirahin'Andriamanitra de mivôlagna ny tenin'Andriamanitra. Satrià tsy nasiany fetra ny fagnomezagna ny Fanahy. 35 Ny Baba tià lay zanaka lahy ké nametraka ny raha-jiaby taketo ampelan-tagnany. 36 Zay mino lay Zanaka lahy de managna ny fiainagna mandrakizay, fô zay tsy magneky lay zanaka lahy ndraiky de tsy hahita fiainagna, fô hitoeran'ny havigniran'Andriamanitra.''