Toko faha 2

1 Telo andro tafarany, de nisy fampakaram-bady takô Kanà akô Galilia, ary takô ny maman'i Jesosy. 2 Jesosy sy iré mpianany dia nasaigna tamin'ilay fampakaram- bady. 3 Kôfa lany ny divay, de nivôlagna taminanjy ny renin'i Jesosy hoe: "Tsy managna divay zaré ré." 4 Ary ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Raviavy, nagnino anà no mandeha atô aminahy? Mbôla tsy tônga ny fotoagnako.'' 5 De ahozy ny reniny tamin'iré mpanompo hoe: "Na ino na ino volagniny aminaré, de atôvo izégny.'' 6 Ary nisy siny vato enina také zay fampiasaigna amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mazaka roa hatramin'ny telo metatra aby. 7 Aozy Jesosy taminjaré hoe: "Finoà rano ny siny.'' ké nifinoàn- jaré ziska amin'ny môlony izégny. 8 Nony avy také de Aozy tamin'iré mpanompo hoe: ''Magnovôza amin'izay ké indôso agny amin'ny tômpon'andraikitra.'' Ké nitanterahin-jaré ré izégny. 9 Nandraman'ny tômpon'andraikitrin'ny fikarakaragna lay rano nanjary divaigna, kanéfa tsy nahafatatra zay niaviàn'izégny izy (fô iré mpanompo zay nagnôvo ny rano ndraika nahafatatra). Avy aké de nagnantso ny mpampakatra Izy 10 ké nivôlagna taminanjy hoe: "Ny ôlogna jiaby de mandroso divaigna tsara alôha zay vô ny divaingna môramôra kôfa mamo zaré ré. Fô anaré ndraiky nikajy ny divaigna tsara ziska zô.'' 11 Izégny no famantaragna vôlôhany natôn'i Jesosy tako Kanà agny Galilia, ary naneho ny voninahiny Izy, ké nino Ananjy iré mpianany. 12 Tafaran'izégny de nirôrogna ho agny Kapernaomy Jesosy, ny mamany, iré ralahiny sy iré mpianany ké nidôko takô andro vitsivitsy zaré. 13 Ary kôfa nariny ny Pasky ny Jiosy, de niakatra tagny Jerosalema Jesosy. 14 Nahita mpivarotra aomby, ondry ary voromailala takô an- tempoly Izy, ary nipaitraka takô koà iré mpanakalo vôla. 15 Noho izégny de nagnamboàtra karavasy izy ké nandroàka anjaré jiaby hivoàka ny tempoly, na ny ondry na aomby. Nandraraka ny vôlan'iré mpanakalo vôla Izy ké nagnongana ny latabatran-jaré ré. 16 De Aozy tamin'iré mpivarotra pizina hoe: "Indôso mivoàka itô toairagna itô iré raha iré. ôka zay ny fagnanovagna ny tragnon-dRaiko ho toeram- pivarôtagna.'' 17 Ary tsaroàn'iré mpianany fô efa voasôratra hoe: "Ny firehetako ny amin'ny tragnonanà no handevogna anahy.'' 18 Avy aké namaly iré lôhandôhan'ny mpisorogna Jiosy ké nagnano taminanjy hoe: "Ino ny famantaragna ho asehonô anay, matônga anô magnano irégny raha irégny?'' 19 Jesosy namaly hoe: "Ravay itô tempoly itô, fô hantsangako agnatin'ny telo andro monja izégny.'' 20 Ary aozin'iré mpanapaka Jiosy hoe: "Enina amby efapôlo tôgno no nagnorainagna itô tempoly itô, ké anô ndraiky hahatsangagna ananjy agnatin'ny telo andro?'' 21 Kanéfa, mômban'ny tempolin'ny taignany no nikoragniny. 22 Tafaran'ny nitsanganany tamin'ny naty, de tsaroàn'iré mpianany fô nilvôgna izégny izy, ké nino ny sôratra Masina sy zany teny nilazain'i Jesosy izégny zaré. 23 Ary kôfa takô Jerosalema Izy tamin'ny andro firavoravoan'ny Paska, de maro no nino ny agnarany kôfa nahita iré famantaragna zay natôny. 24 Fô Jesosy ndraiky tsy nahatoky anjaré ré noho Izy nahafantatra tsara ananjy jiaby, 25 satrià tsy nila na izôvy na izôvy agnabara aminanjy ny mômban'ny ôlogna Izy, noho Izy nahafantatra ny akô agnatin'ôlogna.