Tôko faha 10

1 "Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, fô zay tsy miditra ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fô magnanika lalagna hafa, de mpangalatra sy mpandrôba izy. 2 Fô zay miditra ny vavahady kôza no mpiambigna ondry tsara. 3 Izy no vahan'ny mpiambigna vavahady. Maregny ny feony ny ondry, ary izy magnantso ny ondriny manôkagna amin'ny agnarany kay mitôndra ananjy mivoàka. 4 Kôfa namoàka ny ananjy jiaby izy, de nialôha lalagna ananjy irè, ary magnaraka ananjy ny ondriny, satrià mahay ny feony. 5 Ary tsy hagnaraka vahiny izy irè fô hilaifa ananjy kôza, satrià tsy hainy ny feon'ny vahiny.'' 6 Jesosy nivôlagna zegny fagnoaragna zegny taminjare, kanaifa tsy azonjare akory irè raha nivôlagnina taminjare. 7 De ahozy Jesosy taminjare hoe: "Volagniky aminare, marigna de marigna tokoàtra, fô Za no vavahadin'ondry. 8 Zay jiaby tônga talôhako de mpangalatra sy mpandrôba, satrià tsy nihaino ananjy irè ny ondry. 9 Za no vavahady. Ra misy miditra akô amin'ny alalako, de ho voavonjy izy; hiditra sy hivoàka izy ary hahita ny fihinanagna. 10 Fô ny mpangalatra tsy avy ra tsy hangalatra sy hamono ary handrava. Fô Za kôsa avy mbô hanagnanjare fiainagna ary hanagna zegny be. 11 Za no mpiambigna tsara. Ny mpiambigna tsara de magnamià ny aignany hamonjiagna ny ondriny. 12 Ny mpikarama de tsy mpiambigna ary tompon'ondry. Ra nahita ambôdia magnantogna izy de hiàla ny ondry kay hilaifa, ary ny ambôdia manambotra sy mampiparaitaka azy irè. 13 Milaifa izy satrià mpikarama kay tsy miasalôha ny ondry. 14 Za no mpiambigna ondry tsara, ary fantako ny Anahy, ary fantany Za. 15 Ny Babako mahay Za, ary Za magnamià ny aigniako ho an'ny ondry. 16 Managna ondry hafa zay tsy amin'itô vala itô Za. Tsy maintsy hindôsiky ihany koà iregny, ary zare haregny ny feoko mbô ho tônga andiàny raika ihany sy mpiambigna raika. 17 Izô no antony nitiavan'ny Baba Za: mafoè magnamià aigniako Za mbô handraisako zegny ndraikia. 18 Tsisy magnala zegny aminahy, fô ny taignako ihany no magnamià zegny. Managna fahifagna hagnamia zegny Za, ary managna fahifagna hialaka zegny ndraiky. Zegny didy zegny de azoko avy tamin'ny Babako.'' 19 Nisy fizarazaragna ndraiky tamin'ire Jiosy noho irè teny irè. 20 Maro taminjare no nivôlagna hoe: "Managna devoly Izy ary very saigna. Nagnino anare mitandregny Ananjy?'' 21 Ny sanagny nivôlagna hoe: "Tsy fivolagn'ôlo misy devoly zegny. Moa ny afaka mampahiratra ny jamba?'' 22 Avake tônga ny fetin'ny fanokanagna takô Jerosalema. 23 Rirignina tamin-jegny, ary Jesosy nitsangagna také amin'ny kianjan'ny tempoly tamin'ny fialôfan'i Solomona. 24 Avake nitangorôgnan'ire Jiosy Izy ary nivôlagna taminy hoe: Mandrapaha- rahoviagna no hampisalasalanô zaihay ? Ra Anô no Kristy, de hambarô miarihary aminay.'' 25 Ary Jesosy namaly azy irè hoe: "Aifa nivôlagna taminare Za, fô anare tsy mino. Irè asa zay atôko amin'ny agnaran'i Babako, irè no magnambara ny mikasika Anahy. 26 Kanaifa anare tsy mino satrià tsy mbô ondriky. 27 Maregny feoko ny ondriky; fantako zare, ary magnaraka Za. 28 Amiàko azy irè ny fiainagna mandrakizay zare ; kay tsy hifoaty mandrakizay zare, ary tsy hisy handrômbaka ananjy eo am-pailatanako. 29 Ny Babako, zay nagnamia irè Za, de maventy noho ny hafa jiaby, ary tsisy mavita mandrômbaka azy irè eo am-pailatagnan'ny Baba. 30 Za sy Baba de raika ihany.'' 31 Avake nalaka vato ndraiky irè Jiosy mbô hambalavala vato Ananjy. 32 Ary Jesosy namaly azy irè hoe: "Maro ny asa tsara natoroko anare avy tamin'ny Baba. Koa ino tamin'ire asa iregny no hambalavalanare vato Anahy ?'' 33 Namaly Ananjy irè Jiosy hoe: "Tsy ny asa tsara no hambalavalanay vato anô, fô ny fivolagnan-dratsy, satrià anô, ôlombelogna, de magnano ny taignanô ho Andriamanitra.'' 34 Namaly azy irè Jesosy hoe: "Tsy aifa voasôratra akô amin'ny lalàgnanare ve hoe: 'Ahozy Za hoe: "andriamanitra anare'''? 35 Ra nagnantso iregny ho andriamanitra izy , de ho anjôvy zegny no niaviàn'ny tenin'Andriamanitra (ary ny Sôratra Masigna de tsy azo foàgnana ), 36 moa ve lay nohamasin'ny Baba sy nirahigna ho amin'izô tontolo izô no atônare hoe: 'Mivôlagna ratsy anô, noho Za nivôlagna hoe: Za no Zanak'Andriamanitra'? 37 Ra tsy magnano irè asan'ny Babako Za, de aza mino Anahy. 38 Fô ra magnano iregny Za, na de tsy mino Za aza anare, de minoà irè asa mbô hahaizanare sy hazahoànare fô ny Baba de akato Aminahy ary Za akô amin'ny Baba. '' 39 Mbôla nikasa ny hanambotra Ananjy ndraiky zare, fô nilaifa Izy. 40 De nandaiha an-dafin'i Jordana ndraiky Izy ho agny amin'ilay toeragna zay nagnanôvan'i Jaona Batisa voalôhany, ary nipaitraka take. 41 Maro ny ôlo nagnato Ananjy ary ahozy zare hoe: "Jaona tsy mbôla nagnano, famantaragna, fô ny raha jiaby nivôlagnin'i Jaona momba i lalahy i de marigna.'' 42 Maro ny ôlo nino Ananjy te.