Tôko faha 11

1 Ary nisy lalahy raika narary antsôvigna hoe Lazarosy. Avakô Betania izy, tanàgnan'i Maria sy Marta ravaviny. 2 Maria no nagnôsotra mainaka magnitra ny Tompo tamin'ny vôlony, ary Lazarosy anadahiny no narary. 3 Ary irè mpiralahy nagniraka ôlo ho agny amin'i Jesosy, nilaza hoe: "Tompo, zahô, fô marary lay tiànô.'' 4 Kôfa regnin'i Jesosy zegny, de ahozy Izy hoe: ''Tsy fafataisagna no hiafaran'itô aretigna itô, fô kôza ho fanehoagna ny voninahitr'Andriamanitra mbô hanandratagna ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izegny.'' 5 Ary Jesosy de tià an'i Marta sy ny ravaviny ary Lazarosy. 6 Kay kôfa naregny Jesosy fô marary Lazarosy, de mbôla nijanogna ro andro takô amin'ny toeragna nisy Ananjy Izy. 7 Ary tavafaran'izegny, de nivôlagna tamin'ire pianatra Izy hoe: "Andaiha antsika ho agny Jodia ndraiky.'' 8 Ahozy irè pianatra taminy hoe: "Raby, amin'izô de mikasa ny hitôrabato Anô irè Jiosy, kay mbôla hierigna akagny ndraiky ve Anô?'' 9 Ary namaly Jesosy hoe: "Tsy rombifôlo laira ve ny fazavan'ny andro? Ra misy mandaiha amin'ny andro mazava, de tsy ho voàtsitohigna izy, satrià mahita ny fazavan'izô tontolo izô. 10 Kanaifa, ra mandaiha amin'ny aligna izy, de ho voàtsitohigna satrià tsy akô aminy ny fazavagna .'' 11 Nivôlagna irè raha irè Izy, ary tavafaran'ire, de ahozy Izy taminjare hoe: "Resin-tôry Lazarosy kamaradintsika, fô handaiha Za mbô hafahako mamôha ananjy amin'ny torimaso.'' 12 Kay ahozy irè pianatra taminy hoe: "Tompo, ra tafandry izy, de ho tsara.'' 13 Kanaifa Jesosy nivôlagna ny fafataisany, saingy nieverinjare fô fialan-disaka amin'ny torimaso no volagniny. 14 Avake Jesosy nivôlagna tsotra taminjare hoe: "Maty Lazarosy. 15 Faly Za, nohon'ny aminare, fô tsy tagny Za mbô hagônga anare hino. Andaiha antsika ho agny aminy.'' 16 Tomasy, zay antsôvigna hoe Didymo, de nivôlagna tamin'ire pianatra kamaradiny hoe: "Andaiha koà antsika mbô hiara-maty amin'i Jesosy.'' 17 Kôfa tônga Jesosy, de hitany fô aifa nalevigna aifatrandro takô am-pasagna Lazarosy. 18 Ary Betania de aifa mariny an'i Jerosalema, amin'ny dimy ambifôlo stadio eo no ailanailany. 19 Maro irè Jiosy tônga takô amin'i Marta sy Maria, mbô hampahery azy irè nohon'ny fafataisan'ny anadahin-jare. 20 Avake Marta, kôfa naregny fô tônga Jesosy, de nandaiha nitsaina Ananjy, fô Maria kôza nipaitraka tandragno. 21 De nivôlagna tamin'i Jesosy Marta hoe: "Tompo, ra te anô, de tsy maty ny anadahiky. 22 Naifa na de izô avaizo izô aza, de fantako fô na ino na ino angatahinô amin'Andriamanitra, de hamiany anô zegny.'' 23 Ahozy Jesosy taminy hoe: "Ny anadahinô de hatsangako velogna ndraiky.'' 24 Marta nivôlagna taminy hoe: "Fantako fô hitsangagna ndraiky izy amin'ny fitsanganagna amin'ny maty amin'ny andro farany.'' 25 De ahozy Jesosy taminy hoe: "Za no fananganagna ny maty ary fiainagna; zay mino Anahy, na de maty aza izy, de ho velogna ndraiky; 26 ary na izôvy na izôvy velogna kay zay mino Anahy de tsy hifoaty mandrakizay. Mino zegny ve anare ?'' 27 Ahozy izy taminy hoe: ''Tompo ô,mino za fô Anô no Kristy, Zanak'Andriamanitra, lay ho tônga akéto amin'izô tontolo izô.'' 28 Kôfa nivolagniny zegny, de lasa izy nagnantso mangigiky an'i Maria ravaviny. Ahozy izy hoe: "Tônga ny Papianatra ary magnantso anô izy.'' 29 Kôfa regnin'Maria zegny, de nitsangagna malaky izy de nankagny aminy. 30 Ary Jesosy tsy mbôla tônga akô an-tanàgna fô mbôla tamin'ilay toeragna nitrôfan'i Marta taminy ihany. 31 Noho zegny irè Jiosy, zay niaraka taminy tan-dragno sy nampahery ananjy, kôfa nahita an'i Marta nitsangagna malaky, kay lasa nivoàka, de nagnaraka ananjy, niherigna fô handaiha hitomany agny amin'ny fasagna izy. 32 Kôfa tônga tamin'ny toeragna nisy an'i Jesosy i Marta kay nahita Ananjy, de niankôhitra izy ary nivôlagna taminy hoe: "Tompo, ra te anô, de tsy maty ny anadahiko.'' 33 Kôfa nahita ananjy nitomoagny Jesosy, ary irè Jiosy niaraka taminy koà nitomoagny, de vonto ny fagnahiny ary natahotra Izy; 34 de ahozy Izy hoe: "Takaiza no nandivaignanare ananjy?'' De ahozy zare taminy hoe: "Tompo, avià ary zahà.'' 35 Nitomoagny Jesosy. 36 Avake ahozy ire Jiosy hoe: ''Zahavo ny haben'ny fitiavany an'i Lazarosy !'' 37 Fô ny sanagny taminjare nivôlagna hoe: "Moa ve tsy hain'itô lalahy itô, zay nampahiratra ny mason'ilay jamba, ny magnano zay tsy nafaty itô lalahy itô koà?'' 38 Avake ndraiky Jesosy, ra mbôla vônto ny fagnahiny, de nandaiha amin'ny fasagna. Ary zohy zegny, ary misy vato manarogna ananjy. 39 Ahozy Jesosy hoe: "Alà hiala ny vato.'' Marta, anabavin'ilay maty, nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, aifa maimbo ny vatany ra amin'izô fotoagna izô, satrià aifatrandro izô no nafataisany.'' 40 Ary Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Tsy aifa nivôlagniky anô ve fô, ra mino anô, de ho hitanô ny voninahitr'Andriamanitra?'' 41 De nalanjare ny vato. Nizaha tambôny Jesosy kay nivôlagna hoe: '' Baba ô, misôtra Anô Za satrià nitandregny Za Anô. 42 Fantako fô mitandregny Za mandrakariva Anô, fô nohon'ny vahoàka mitsangagna mognodidigna Za no nivolagnako zegny, mbô hafahanjare mino fô Anô no nagniraka Za.'' 43 Kôfa avy nivôlagna zegny Izy, de nagnantso mafy hoe: "Lazarosy, mivoàha!'' 44 Nivoàka lay lalahy maty; nisy fehim-paty ny tongony sy ny tagnany, ary voàfehy lamba koà ny tarehiny. Ahozy Jesosy taminjare hoe: "Vahô izy ary avilay handaiha.'' 45 Avake maro tamin'ire Jiosy zay tônga takô amin'i Maria sy nahita ny natôn'i Jesosy, no nino Ananjy; 46 Fô ny sanagny taminjare kôza lasa nandaiha akagny amin'ny Fariseo ary nivôlagna taminjare ny raha natôn'i Jesosy. 47 Avake ny lôhan'ny mpisôrogna sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nagnano hoe: ''Ino no hatôntsikia? Itô lalahy itô de magnano famantaragna maro. 48 Ra availatsika amin'izô Izy, de hino Ananjy dahôlo; ary ho avy ny Romana haka ny tananantsika sy ny firenentsika.'' 49 Kanaifa, nisy lalahy raika taminjare, Kaiafa, zay mpisôrognabe tamin'izegny tôgna zegny, nagnano taminjare hoe: "Anare de tsy mahay na ino na ino. 50 Tsy mieritreritra akory anare fô tsara ho anare ra lalahy raika no maty ho an'ny ôlogna toy zay ny firenena jiaby no ringiana.'' 51 Ary zay nivolagniny de natôny ho ananjy ihany. Fô kôsa, noho izy mpisôrogna be tamin'i tôgna io, de naminagny fô tôkony hifoaty ho an'ny firenena Jesosy; 52 ary tsy ho an'ny firenena ihany, fô mbô hampitambatra ny Zanak'Andriamanitra zay nipaitraka koà. 53 Kay nanomboka tamin'io andro io de nagnano tetika ny fomba hamonoagna an'i Jesosy zare. 54 Ary Jesosy tsy nandaiha niariary tamin'ire Jiosy koà, fô niala te izy nankagny amin'ny tany marivo efitra ho agny an-tanàgna atô hoe Efraima. Ary nipaitraka takô Izy sy irè pianatra. 55 Ary aifa marivo ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin'ire tagny ivailan'ny tanàgna no niakatra Takô Jerosalema mialôhan'ny Paska mbô hagnadio ny taignanjare. 56 Nizahà an'i Jesosy zare, ary nitsangagna tamin'ny Tempoly nifampiraisaka hoe: ''Ino no eritreretinare? Hoe tsy ho tônga amin'ny andro firavoravoàgna ve Izy ?'' 57 Ary aifa nagnamia beko ny lôhan'ny mpisôrogna sy ny Fariseo fô ra misy mahay ny misy an'i Jesosy, de tôkony milaza izy mbô hanambôranjare Ananjy.