Tôko faha 12

1 Enin'andro mialôhan'ny paska, de tônga takô Betania Jesosy, zay nipitrahan'i Lazarosy, lay aifa natsagan'i Jesosy tamin'ny maty. 2 Kay nagnano sakafo ho Ananjy zare, ary Marta no nandroso aninjaré, fô Lazarosy ndraiky de agnisan'iré niara-nipaitraka tamin'i Jesosy také amin'ny latabatra. 3 Avy té Maria nalaka mainaka magnitra litatra raika zay vita tamin'ny narda sarobidy, kay nagnôsotra ny tongontr'i Jesosy tamin'zagny, ary namafa ny tongony tamin'ny voro-dôhany. Feno ny hagnitr'lay mainaka ny tragno. 4 Ary Jodasy Iskariota, raika tamin'iré mpianatrany, zay hamadika Ananjy, nagnano hoe: 5 "Nagnino io mainaka io no tsy nambidy 300 dinaria de namiagna ny mahantra?'' 6 Ary izy nivôlagna an'zagny, tsy nohon'ny fiahiany ny mahantra, fô satrià mpangalatra izy: take aminy ny kitapom-bôla ary ho angalariny zay natô tô. 7 Jesosy nagnano hoe: Ambilay izy mbô hitagna zay hanagnany ho amin'ny andro handivaignana Anahy. 8 Ho aké aminaré foàgna ny mahantra, fô Zaho ndraiky tsy ho aminaré foagna.'' 9 Ary nisy vahoaka maro tamin'iré Jiosy nahafantatra fô také Jesosy, kai nagnatogna zaré, tsy ho an'i Jesosy raiky foàgna, fô mbô hahita an'i Lazarosy ndraiky koà, lay natsangan'i Jesosy tamin'ny maty. 10 Iré lohan'ny mpisorogna de nitetika niaraka mbô hafahan-jaré hanôsika an'i Lazarosy amin'ny fafataisagna foàgna koà; 11 satrià noho Izy no nahatonga ny ankamaroan'iré Jiosy andaiha ary nino an'i Jesosy. 12 Ny amaraigna de vahoàka maro no tônga tamin'ny andro firavoravoàgna. Kôfa regnin-jaré fô ho avy akà Jerosalema Jesosy, 13 de nalaka sampan-drafià zaré ary nivoàka kay nitsaiza Ananjy tamin'ny antso mafy hoe: "Hosana! Sambatra edy lay avy amin'ny agnaran'ny Tompo, lay mpanjakan'Israely.'' 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky raiky kay nipaitraka tam-bôniny; 15 Araka ny voasôratra hoe: "Aza matahotra, ry zanakavavin'i Ziona; zahà, indro avy ny Mpanjakanaré, zay mipaitraka am- bônin'ny zana-boriky." 16 Tsy nahazo iré raha iré ny mpianany tamin'ny vôlôhany; fô kôfa namiàm-boninahitra Jesosy, de tsaroàn-jaré fô voàsôratra mômba Ananjy iré raha ré ary aifa natôn-jaré taminanjy zagny. 17 Ary ré vaoaka zay niaraka taminanjy tamin'ny nagnatsôvany an'i Lazarosy hivoàka ny fasagna sy nanangagna ananjy tamin'ny maty de sômby nijoro vavolombelogna aby. 18 Noho zagny antony zagny foàgna koà no nahatônga ny vahoàka hitsaiza Ananjy, satrià regninjaré fo nagnano zagny famantaragna zagny Izy. 19 Ire Fariseo noho zagny nifampivôlagna hoe: ''Zahà, tsy afaka magnano no ino no ino anaré; indro, magnaraka Ananjy izao tontolo zao.'' 20 Ary nisy grika vitsivitsy tamin'iré zay niakatra hidaira agny amin'ny firavoravoàgna. 21 Nankagny amin'i Filipo zaré, zay avy agny Betsaida agny Galilia, ary nagnontany ananjy hoe: "Tompoko, mbô ti-hahita an'i Jesosy zahay." 22 De lasagna i Filipo nivôlagna tamin'i Andrea; de lasagna Andrea niaraka tamin'i Filipo, ary nivôlagna an'i Jesôsy zaré. 23 Jesosy namaly aninjaré kay nagnano hoe: "Aifa tônga ny fotoagna hagnomiàzagna voninahitra ny zanak'Ôlogna. 24 Volagniko aminaré, marigna, de marigna tikoatra, fô kô tsy latsaka amin'ny tany ny vihim-bary kay maty, de mipaitraka amin'ny taignany raiky zagny; fô kô maty zagny, de hamoà be. 25 Zay tià ny fiainany de hagnary zagny; fô zagny mankahala ny fiainany akéto amin'izao tontolo izao ndraiky de hitagna zagny ho agny amin'ny fiainagna mandrakizay. 26 Kô misy manômpo Anahy, aoka izy hagnaraka Anahy; ary zay nipitrahako, de akò koà hipitrahan'ny mpanompoko. Kô misy manompo Anahy, de hagnomià voninahitra ananjy ny Ray. 27 Avahizo mangôrohôro ny fagnahiko ary ino no tôkony hivolagniko? 'Ray o, vonjeo amin'itô laira itô Zaho'? Kanaifa noho zagny antony zagny no nahatongavako amin'izao fotoagna zô. 28 Ray o, hankalazao ny anaranô.'' Avy te nisy feo nanako avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Aifa nankalazaiko zagny ary mbôla hankalazaiko ndraiky." 29 Ary ré vahoàka nitsangagna te sy naregny zagny de nivôlagna fô nisy kotroka také. Ny sanany nivôlagna hoe: "Nisy anjely nikoragna taminanjy." 30 Jesosy namaly hoe: "Zagny feo zagny de tsy tônga ho Anahy, fô ho anaré. 31 Tônga avahizo ny fitsaragna an'izao tontolo izao: Ary de hiroàhigna ny mpanapaka an'izao tontolo izao. 32 Kôfa hasandratra hiala amin'ny tany Zaho, de hitôgno ny tsiraikiraiky hagnaraka Anahy.'' 33 Nivolagniko zagny mbô hanehoagna hoe karazagna fafataisagna karaha ino no hafataisany. 34 Ré vahoàka namaly Ananjy hoe: "Regninay tamin'ny lalàgna fô Kristy de hidôko mandrakizay. Karakôry no afahanô mivôlagna hoe: 'Ny zanak'Ôlogna de tsy maintsy hasandratra'? Zôvy zagny zanak'Ôlogna zagny?" 35 Avy te Jesosy nivôlagna aninjare hoe: "Ny hazavagna de mbôla hiaraka aminaré mandritra ny fotoagna fôhy. Mandihana dieny mbôla managna hazavagna, mbô tsy hafahan'ny hizigna mialôha anaré. Zay mandaiha amin'ny hizigna de tsy mahalala ny lalagna alaihany. 36 Kô mbôla managna ny hazavagna anaré, de minoà zagny mbô ho zanakin'ny hazavagna anaré." Jesosy nivôlagna ire raha iré ary avy té de tsy hita ary niary ananin-jaré. 37 Na de nagnano famantaragna maro te agnatraihan-jaré aza Jesosy, de tsy ninoan-jaré. 38 mbô ho tantairaka ny tenin'Isaia mpaminagny, zay nivôlagna hoe: ''Tompo, zôvy no nino ny tatitray, ary zôvy no nampisehoagna ny sandrin'ny Tompo?" 39 Noho zagny antony zagny de tsy nino zaré, araka ny voàlazan'Isaia hatrany hoe: 40 "Nanjabainy ny mason-jaré, ary namafisiny ny fon_jaré; mifanôhitra amin'izagny zaré de ti-hahita amin'ny mason-jaré ary ahazo amin'ny fon-jaré, kay hitodika, ary Zaho nagnasitragna anin-jaré." 41 Isaia nivôlagna iré raha ré satrià hitany ny voninahitr'i Jesosy kay nivôlagna mômba Ananjy. 42 Kanaifa na zagny aza, de maro tamin'iré mpanapaka no nino an'i Jesosy; fo noho iré Fariseo, de tsy ho voasakagna ho amin'ny Synagoga. 43 Tian-jaré kokoà ny fideragna avy amin'ny ôlogna noho ny fideragna avy amin'Andriamanitra. 44 Jesosy nagnantso mafy kay nivôlagna hoe: "Zay raika mino Anahy, aza mino Anahy raika foàgna fô Zay nagnasa Anahy, 45 ary zay raika mahita Anahy de mahita Ananjy zay nagnasa Anahy. 46 Zaho de tônga karaha ny hazavagna taketo amin'izao tontolo izao, mbô tsy hipaitraka ao agnaty hizigna zay mino Anahy. 47 Kô misy maregny ny teniko naifa tsy mitandrigna zagny, de tsy hitsara ananjy Zaho; satrià Zaho tsy tônga hitsara izao tontolo zao, fô hagnavotra izao tontolo zao. 48 Zay mandà Anahy sy tsy mandray ny teniko, de managna raika zay mitsara ananjy. Lay teny zay nivolagniko no hitsaragna ananjy amin'ny ndro farany. 49 Fô Zaho tsy mivôlagna ho Anahy, fô lay Ray zay nagnasa Anahy, amin'zagny hivolagnina sy koragnina. 50 Fantako fô ny didiny de fiainagna mandrakizay, koà zay volagniko_de koragniko araka zay nivolagnin'ny Ray taminahy.''