Tôko faha 13

1 Ary andro mialôhan'ny firavoravoagnan'ny Paska zao. Fantatr'i Jesosy fô tônga ny laira hialany akéto amin'izao tontolo zao kai handaiha agny amin'ny Ray. Kôfa nitià ny mpiara-dia taminanjy taketo amin'izao tontolo izao Izy, de nitià aninjaré hatramin'ny farany. 2 Ary ny devoly de aifa namaitraka zao tan-tsaignan'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, de ny hamadiagna an'i Jesosy. 3 Izy de nafatatra fô ny raha jiaby aifa napaitrakin'ny Ray také am-pelatagnany ary Izy de avy amin'Andriamanitra ary hierigna agny amin'Andriamanitra. 4 Nitsangagna Izy také am- pinanagna ary nagnala ankajony ivailany. Avy te Izy nalaka lamba ary nisalotra zagny. 5 Avy te nandraraka rano tagnaty siny Izy de nanomboka nanasa tongotr'iré mpianatra ary namafa ananjy iré tamin'lay lamba nisalôrany. 6 Nagnatogna an'i Simona Petera Izy, ary ahozy taminy hoe: "Tompo, hanasa ny tongoko ve Anô:" 7 Jesosy namaly ary nivôlagna taminy hoe: "Zay atôko de mbôla tsy ho azonô zô ny heviny, fô ho azonô ihany zegny agny avafara." 8 Ahozy taminy hoe: ''Tsy hanasa ny tongoko mihitsy Anô.'' Jesosy namaly ananjy hoe: ''Ra tsy manasa ny tongonô Za, de tsy managna anjara aminahy anô''. 9 Ahozy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, aza ny tongoko ihany no sasagna, fô ny tagnako sy ny lôhako ihany koà.'' 10 Ahozy Jesosy taminy hoe: "Zay aifa nandro de tsy mila zegny, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fô izy de aifa modio tantairaka; anô de mady, fô tsy jiaby naifa.'' 11 (Satrià aifa fantatr'i Jesosy hoe: "Tsy anare jiaby no mady.'') 12 Kay kôfa avy nanasa ny tongonjare Jesosy sy nalaka irè lambany kay nipaitraka ndraiky, de ahozy Izy taminjare hoe: "Fantanare ve ny natôko ho anare? 13 Antsôvinare Za hoe papianatra' sy 'Tompo,' ary marigna ny voalazanare, satrià zegny tokoàtra Za. 14 Kanaifa ra Za, sady Tompo no papianatra, no nanasa ny tongonare, anare ihany koà de tôkony hifanasa tongotra. 15 Satrià aifa nagnamia ôhatra ho anare Za kay mbô tôkony hagnano kara natôko ho anare ihany koà anare. 16 Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra fô ny panompo de tsy maventy kokoà noho ny tompony; na koà ny mpitôndra hafatra de tsy maventy kokoà noho ny lay nagniraka ananjy. 17 Ra fantanare irè raha irè, de ho tahignia anare ra magnantantairaka zegny. 18 Tsy anare jiaby no volagniky; fantako irè zay nifidiky-fô zegny de mbô hahatantairaka ny Sôratra Masigna hoe: 'Zay mihinagna ny môfoko de nanandratra ny vodi-tongony hamadikià Anahy.' 19 Volagniky aminare zô zegny mialôhan'ny hitrangany mbô kôfa mitranga zegny, de mety hino anare fô Za no Izy. 20 Volagniky aminare, marigna de marigna tokoàtra, fô zay mandray zay nasaiky, de mandray Za, ary zay mandray Ananjy zay nagniraka Za''. 21 Kôfa nivôlagna zegny Jesosy, de nangôrohôro ny fagnahiny. Nagnambara Izy ary nilaza hoe: "Volagniky aminare marigna de tokoàtra fô hisy raika aminare hamadika Anahy.'' 22 Nifampizaha irè pianatra, nagnontany taignia hoe izôvy zegny volagniny zegny. 23 Nisy raika taminjare pianany, zay tiàn'i Jesosy, nipaitraka tamin'ny latabatra ampitan'i Jesosy. 24 Nagnontany i pianatra i Simona Petera ary nivôlagna hoe: "Agnontanià Ananjy hoe zôvy zegny volagniny zegny.'' 25 Kay niherigna niankignia tamin'i Jesosy izy ary nivôlagna taminy hoe: "Tompo, zôvy zegny?'' 26 Avake Jesosy nivôlagna hoe: "Lay hamiako itô môfo itô zegny.'' Kay kôfa nolomany ny môfo, de namiany an'i Jodasy Zanak'i Simona Iskariota zegny. 27 Ary tavafaran'ny môfo, de niditra takô aminy satana, kay ahozy Jesosy taminy hoe: ''Zay atônô, atôvy malaky zegny.'' 28 Tamin'izay irè jiaby tan-databatra tsisy nahay ny antony nivolagnan'i Jesosy ananjy zegny. 29 Ny sanagny nieritreritra hoe, satrià Jodasy no nitagna kitapom-bôla, no nivôlagnin'i Jesosy hoe: ''Vidio ny raha jiaby ilaintsikia amin'ny andro firavoravoàgna,'' na hoe tôkony hagnamia raha ho an'ny mahantra izy. 30 Ra vô avy nandray ny môfo Jodasy, de lasa nivoàka avy hatrany izy. Aligna ny andro taminjay. 31 Kôfa lasa Jodasy, de ahozy Jesosy hoe: ''Avaizo de amià-boninahitra ny Zanak'Ôlogna, ary 32 Andriamanitra de amià-boninahitra akô aminy. Andriamanitra de amià-boninahitra Ananjy akô amin'ny taignany, ary Izy hagnamia voninahitra Ananjy avy hatrany. 33 Ry zaza madinikia, fotoagna fôhy sisa no hiarahako aminare. Hitady Za anare, ary araka zay nivolagniky tamin'ny Jiosy hoe: 'Zay ingianako, tsy azonare ingianagna. 'Ary Volagniky aminare koà zegny avaizo. 34 Didy vôvô no amiako anare, de ny hifankatiavanare; kara ny nitiavako anare, no tôkony hifankatiavanare ihany koà. 35 Aminjegny no hahafantaran'ny jiaby fô pianatranahy anare, ra mifankatià anare.'' 36 Ahozy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, fô andaiha akaiza Anô?'' Namaly Jesosy hoe: "Zay ingianako, de tsy afaka hagnarahanare Za zô, fô hagnaraka anare agny avafara.'' 37 De ahozy Petera taminy hoe: "Tompo, nagnino za no tsy afaka magnaraka Anô zô? Foèky ho Anô ny aigniako.'' 38 De namaly Jesosy hoe: " Hafoènô ho Anahy ve ny aignanô? Volagniky, aminô marigna, de marigna, tokoàtra, fô mbôla tsy magneno ny akôho de aifa handà Anahy intelo anô.''