Tôko faha 14

1 ''Aza availa hongôrohôro ny fônare. Minoà an'Andriamanitra anare, de minoà Anahy koà. 2 Misy efitra maro andragnonin'ny Baba. Ra ts'izegny, de aifa nivôlagna taminare Za, fô hagnomagna toeragna ho anare. 3 Ra handaiha Za ary hagnomagna toeragna ho anare, de mbôla hierigna ndraiky Za ary handray anare akato Aminahy, kay zay misy Za de hisy anare koà. 4 Anare mahay zay ingianako.'' 5 Ahozy Tomasy tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsy fantanay zay ingiananô, akôry hahaizanay ny lalagna?'' 6 Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Za no lalagna sy famarinagna, ary fiainagna; tsisy afaka magnantogna ny Baba ra tsy amin'ny alalako. 7 Ra mahay Za anare, de tôkony mahay Babako koà. Manomboka zô de fantanare Izy ary aifa hitanare.'' 8 Ahozy Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, atoro anay ny Baba, de ampy ho anay zegny.'' 9 Ahozy Jesosy taminy hoe: "Aifa atrignaila no niarahako taminare de mbôla tsy hainare foàgna ve Za, ry Filipo? Na zôvy na zôvy nahita Za de nahita ny Baba. Koa ino no hivolagnanare hoe: 'Atoro anay Babanô zegny'? 10 Tsy Mino ve anare fô akô amin'ny Baba Za ary ny Baba akato Aminahy? Irè teny zay volagniky aminare de tsy Volagniky avy amin'ny fahifako manôkana, fô velogna akato agnatiky no magnano ny asany. 11 Minoà Anahy fô Za de akô amin'ny Baba, ary i Baba akato Aminahy, ra ts'izegny de minoà noho irè asa manôkana. 12 Volagniky aminare, marigna, de marigna tokoàtra, zay mino Anahy de hagnano ny asa zay atôko, ary hagnano asa be mihoàtra noho iregny izy satrià ho agny amin'ny Baba Za. 13 Na ino na ino angatahinare amin'ny Agnarako,de tantirahiky zegny mbô hagnamiazam-boninahitra ny Baba akô amin'ny Zanaka. 14 Ra mangataka raha amin'ny agnarako anare, de hitantirahiky zegny. 15 Ra tià Za anare, de hintandrignia irè didiko, 16 ary hivavaka amin'ny Baba Za, de hagnamia anare Mpampahery hafa Izy mbô ake aminare mandrakizay izy - 17 ny Fagnahin'ny famarinagna. Tsy afaka mandray Ananjy izô tontolo izô satrià tsy mahita na mafantatra Ananjy. Fô anare kôsa mahay Ananjy, satrià mipaitraka miaraka aminare Izy ary akô agnatinare. 18 Tsy hamaila anare ho tôkagna Za; mbôla hierigna atô aminare za. 19 Afaka fotoagna vitsy ihany de tsy hahita Za koà izô tontolo izô, fô anare mahita Za. Satrià velogna Za, de ho velogna ihany koà anare. 20 Ary amin'izay andro zay de ho fantanare fô akô amin'ny Baba Za, ary anare akato Aminahy, ary Za akô aminare. 21 Zay managna irè didiko kay mitandrigna iregny de izy lay tià Za, ary zay tià Anahy de ho tiavin'ny Babako koà, ary Za hitià ananjy sy hiseo aminare.'' 22 Ahozy Jodasy (Tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, nagnino Anô no hiseo aminay fô tsy amin'izô tontolo izô?'' 23 Jesosy namaly ary nivôlagna taminy hoe: "Ra misy ôlo tià Anahy, hintandrignia ny teniky izy. Hitià ananjy ny Babako, ary ho avy aminy Zaihay ary nagnamboàtra fitoeranay miaraka aminy. 24 Fô zay tsy tià Anahy de tsy mitandrigna ny teniky. Ny teny zay regninare de tsy avy Aminahy fô avy amin'ny Baba zay nagniraka Anahy. 25 Aifa nivolagniky taminare irè raha irè, ra mbôla nidôka niaraka taminare Za. 26 Kanaifa, lay Mpampahery - lay Fagnahy Masigna, zay hasainy Baba amin'ny Agnarako_ izy no hampianatra anare ny raha jiaby sy hanohignia zay jiaby nivolagniky taminare. 27 Fiadanagna no availako ho anare; amiako anare ny fiadanako. Tsy amiako ôhatra ny fagnomaizan'izô tontolo izô zegny. Aza availa hongôrohôro ny fônare, ary aza matahotra. 28 Aifa regninare Za nivôlagna taminare hoe: 'Andaiha Za, ary hierigna agny aminare ndraiky.' Ra nitià Za anare, de tôkony hifaly satrià handaiha amin'ny Baba Za, satrià Baba de maventy kokoà noho Za. 29 Ary nivôlagniky anare deny mbôla tsy mitranga zegny, mbô hinoànare, kôfa mitranga zegny. 30 Tsy hivôlagna baitsaka aminare koà Za, fô aifa ho avy ny mpanapak'izô tontolo izô. Tsy managna fahifagna Aminahy izy, 31 fô mbô hahaizan'izô tontolo izô fô tiàko ny Baba, de atôko kara ny nandidiàn'ny Baba Za. Andaiha hitsangagna antsika ary hiàla .''