Tôko faha 15

1 "Zaho no taigna voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. 2 Alàvo aminahy ny sampagna jiaby zay tsy mamoà voankazo, ary rantsagnina ny sampagna zay mamokatra mbô hamoà voankazo bebe kokoà zagny. 3 Aifa mady anaré noho lay hafatra zay nivolagniko taminaré. 4 Mitoaira aminahy, ary Zaho aminaré. Karaha ny sampagna tsy afaka mamoà voankazo amin'ny taignany ko tsy mipaitraka ao amin'ny voaloboka zagny, de karanjagny koà anaré, kô tsy mipaitraka aminahy. 5 Zaho no voaloboka, anaré no sampagna. Zay mipaitraka Aminahy ary Zaho aminanjy,de mamoà be izy, fô kô tsisy Anahy de tsy mahaifa na ino na ino anaré. 6 Kô misy ôlogna tsy mipaitraka Aminahy, de ariagna karaha ny sampagna izy ary halazo, ary zaré magnonkogna iré sampagna ary magnary zagny amin'ny afo, ary may zaré. 7 Kô mipaitraka Aminahy anaré, ary kô mipaitraka minaré ré teniko, angataho na ino na ino irinaré, de atô aminaré zagny. 8 Ny Raiko de amià-boninahitra amin'zao tontolo zao, de ny amokaranaré voankazo bebe kokoà kai ho porofo fô mpianatranahy anaré. 9 Karaha ny nitiavan'i Ray Anahy, no nitiavako anaré. Mipitraha amin'ny fitiavako. 10 Kô mitandrigna iré didiko anaré, de hipaitraka ao amin'ny fitiavako, karaha ny nitandraimako iré didin'ny Raiko sy nipitrahako tao amin'ny fitiavany. 11 Nivôlagna iré raha régny taminaré Zaho mbô ho aminaré ny fifaliàko ary mbô ho feno ny fifalianaré. 12 Zô no didiko, de ny hifankatiavanaré karaha ny nitiavako anaré. 13 Tsisy manam-pitiavagna maventy be mihoàtra noho zô, de ny manolotra ny ainy ho an'iré sakaizany. 14 Namako anaré kô magnano iré raha andidiko anaré ré. 15 Tsy hagnatso anaré hoe mpanopoko eky Zaho, satrià ny mpanompo de tsy mahay zay atôny tômpony. Nantsoviko hoe namako anaré, satrià ny raha jiaby zay regniko tamin'ny Raiko, de nampafantariko anaré. 16 Tsy nifidy Anahy anaré, fô Zaho no nifidy anaré ary nanendry anaré mbô andeha ka hamokatra, ary mbô Andaiha ka hamokatra, ary mbô tokony hipaitraka ny vokatranaré. Natô zagny mbô na ino na ino angatahinaré amin'ny Ray amin'ny Agnarako, de amiànare zagny. 17 Regny raha jiaby regny no andidiako anaré mbô hifankatiavanaré. 18 Kô mankahala anaré zao tontolo zao, fantaro fô nankahala Anahy izy talôhan'ny nankahalany anaré. 19 Kô avy amin'izao tontolo zao anaré, anaré, de ho tian'izao tontolo zao karaha ny azy anaré. Fô satrià anaré ary nifidiko hiala amin'izao tontolo izao, noho zagny de halalan'izao tontolo izao anaré. 20 Tsarôvy ny teny nivolagniko taminaré hoe: 'Ny mpanompo de tsy maventy noho ny tômpony.' Koà nagnejika Anahy zaré, de hagnenjika anaré koà; ary kô nitadrigna ny teniko zaré, de hitandrigna anaré koà. 21 Hagnano iré raha iré aminaré zaré noho ny agnarako, satrià tsy fantan-jaré Izy zay nagnasa Anahy. 22 Kô tsy tônga sy nivôlagna taminjaré Zaho, de tsy ho nanota zaré, fo zô tsy afa miala amin'ny fahotany zaré. 23 Zai mankahala Anahy de mankaha ny Raiko koà. 24 Kô tsy nahavita ré asa zay tsy naton'ôlon-kafa teo agnivon-jaré, fô zô aifa sady hitany no halany Zaho sy ny Raiko. 25 Fô zagny de mbô hahatatairaka ny eny zay voasôratra ao amin'ny lalàgnan-jaré hoe: 'Mankahala Anahy amin'ny tsisy antony zaré.' 26 Kôfa ho avy lay Mpampahery_zay hasaiky aminaré avy amin'ny Ray, lay, Fagnahin'ny famarinagna, zay mivoàka avy amin'ny Ray_ de hagnambara ny mômba Anahy Izy. 27 Anaré koà de mijoro vavolombelogna satrià aifa niaraka taminahy laitry am- piandohagna anaré.