Tôko faha 16

1 "Nivolagniko taminaré zagny raha jiaby zagny mbô tsy ho solafaka anaré. 2 Hiroahinjaré ao amin'ny Synagoga anaré. Fô tônga ny andro kôfa hievitra zay jiaby mamono anaré fô zaré de manolotra raha tsara ho an'Andriamanitra. 3 Haton-jaré zagny satrià tsy mahay ny Ray Na ny taignako zare. 4 Nivolagniko anaré iré raha ré mbô kôfa avy ny lairan-jaré, de ho tsaroànare fô aifa nivolagniko taminaré ny mômba aninjaré.Tsy nivolagniko taminaré iré raha ré tagny ampiandohagna, satrià mbôla taminaré Zaho. 5 Fô avahizo ho agny amin'lay nagnàsa Anahy Zaho, naifa tsy mbôla nisy nagnontany Anahy anaré hoe:" Handaiha ho aiza mô anô?" 6 Fô satrià nivolagniko taminaré iré raha iré, de alahelo no nameno ny fonareo. 7 Fô volagniko marigna aminaré, tsara kokoà ho anaré ny handihanako. Satrià kô tsy mandaiha Zaho, de tsy ho tônga aminaré ny Mpampahery, fô kô mandeha Zaho, de handaifa Ananjy ho aminaré. 8 Kôfa tônga izy, de hagnaporofo amin'izao tontolo zao ho diso mômban'ny fahotagna, ny fahamarinagna, ary mômban'ny fitsaragna— 9 mômban'ny fahotagna ny mampahery, satrià tsy mino Anahy zaré; 10 mômban'ny fahamarinagna, satrià hody agny amin'ny Ray Zaho, kay tsy ho hitanaré eky; 11 ary mômban'ny fitsaragna, satrià ny mpanapaka izao tontolo zao de nitsaraigna. 12 Managna raha maro hambara aminaré Zaho, fô tsy ho azonaré ny hevitr'izagny zô. 13 Kanaifa, kôfa tônga izy, Fagnahin'ny Fahamarinagna, de hitarika anaré ho amin'ny fahamarinagna jiaby, satrià tsy hivôlagna avy amin'ny taignany izy, ary hivôlagna aminaré iré raha ré zay ho avy. 14 Hagnomià voninahitra Ananjy izy, satrià ny avy amin'ny Aninahy foàgna no ambarany aminaré. 15 Zay jiaby anagnan'ny Baba de Anahy. Noho zegny, nivôlagna Za fô lay Fagnahy de hiàlaka amin'izay Anahy ary hivôlagna zegny aminare. 16 Afaka fotoagna fôhy de tsy hahita Za èky anare, ary afaka fotoagna fôhy de hahita Za ndraiky anare.'' 17 Avake ny sanagny tamin'ire pianany nifampiraisaka hoe: "Ino ary zegny volagniny amintsika zegny hoe: 'Afaka fotoagna fôhy de tsy hahita Anahy aiky anare, 'sy hoe: 'Satrià ho agny amin'ny Baba Za'?'' 18 Noho zegny de ahozy zare hoe: "Ino ary zegny volagniny zegny hoe: 'Afaka fotoagna fôhy'? Tsy hainay ny tiàny hikoragnina.'' 19 Hitan'i Jesosy fô te nagnontany Ananjy zare, de ahozy Izy taminjare hoe: "Zô ve no agnontanianare taigna, de ny tiàko hivolagnina amin'ny fivolagnana hoe: 'Fotoagna fôhy sy tsy hahita Za aiky anare, ary afaka fotoagna fôhy ndraiky naifa de hahita Anahy anare'? 20 Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra, fô hitomagny anare ary hitaraigia, fô izô tontolo izô kôza hifaly. Ho feno alahelo anare, kanaifa ho lasa hafaliagna zegny. 21 Kôfa mietsi-jaza ny viavy raika de malahelo satrià tônga ny fotoagnany, fô kôfa tairaka kôza lay zazahely, de tsy tsy tsaroàny aiky alahelony nohon'ny hafaliagna fô nisy zazahely tairaka amin'izô tontolo izô. 22 Kay malahelo anare avaizo, Kanaifa Za mbôla hitrôtra aminare ndraiky, ary ho faly ny fônare, ary tsy hoisy hagnalagna zegny hafaliagnanare zegny aminare. 23 Amin'izegny andro zegny de tsy hangataka Aminahy na ino na ino anare. Volagniky aminare marigna de marigna tokoàtra, ra mangataka na ino na ino amin'ny Baba aminagnarako anare, de hamiany anare zegny. 24 Hatramin'izô anaifa tsy mbôla nangataka na ino na ino tamin'ny agnarako anare. Mangataha, de namiagna anare mbô ho feno ny hafaliagnanare. 25 Aifa nivolagniky taminare tamin'ny fagnoaragna irè raha irè, fô avy ny laira kôfa tsy hiraisaka aminare amin'ny fagnoaragna aiky Za, fô kôza hivôlagna aminare mazava ny mômban'ny Baba. 26 Amin'izegny andro zegny de hangataka aminagnarako anare ary tsy hivôlagna anare Za hoe hivavaka amin'ny Baba ho anare, 27 fô ny Baba mihitsy no tià anare satrià nitià Anahy anare ary nino fô avy agny amin'ny Baba Za. 28 Avy amin'ny Baba Za, ary tônga teto an- tany. Fô hiala izô tontolo izô za ary ho agny amin'ny Ray.'' 29 Ahozy ny pianany taminy hoe: "Zahô, avaizo Anô mivôlagna mazava tsara ary tsy mampiasa fagnoaragna. 30 Fantanay avaizo fô mahay rajiaby Anô, ary tsisy tiànô hamaitraka fagnotaniagna aminô. Noho zegny, de mino zaihay fô avy amin'Andriamanitra Anô.'' 31 Namaly azy irè Jesosy hoe: "Mino amin'izay ve anare? 32 Indro, tônga izô laira, tônga tokoàtra, kôfa hiparaitaka anare, ny tsiraikiraiky samy agny amin'ny tragnony dahôlo manôkagna, de havailanare tôkagna Za. Naifa tsy tôkagna Za satrià miaraka aminahy i Baba. 33 Aifa nivolagniky taminare mbô hanagna fiadanagna akato Aminahy anare. Managnolagna anare aketo amin'izô tontolo izô, naifa mahiraiza: aifa nandresy izô tontolo izô Za.''