Tôko faha 17

1 Kôfa avy nivôlagna ire raha ire Jesosy, de nanandratra ny masony ho amin'ny lagnitra Izy ka nagnano hoe: "Ray ô, tônga ny fotoagna, mankalazà ny Zanakao mbô hankalazan'ny Zanaka Anao_ 2 karaha ny nagnomiazanao Ananjy fahefagna ambôn'ny nôfo jiaby mbô hagnomiazany fiainagna mandrakizay ho an'izay jiaby namianao Anajy. 3 Zaho no fiainagna mandrakizay: de ny afantaran-jaré Anô, lay Andriamanitra tôkagna sady marigna, Ary Izy zay nasainao, de Jesosy Kristy. 4 Nankalaza Anô Zaho teto an-tany. Aifa vitako ny asa zay namianô Anahy ho ataoko. 5 Avahizo, ry Ray, hankalazao miaraka amin'ny taignanao Zaho amin'ny voninahitra zay nanagnako niaraka taminô talôhan'ny zao tontolo zao. 6 Nampafatatra ny agnaranao tamin'ny ôlogna zay namiànao Ananjy avy amin'izao tontolo izao Zaho. Anao regny, ary namiàna Ananjy, ary nitandraimany ny teniko. 7 Avahizo fantan-jaré fa ny raha jiaby zay namiànao Anahy de avy aminao, 8 Satrià namiako aninjaré aby ny teny zay namiànô Anahy. Noraisin-jare iregny ary fantany marigna tikoatra fô avy taminô Zaho, ary nino zaré fô anô no nagnasa Anahy. 9 Mivavaka ho an-jaré Zaho. Tsy mivavaka ho an'izô totôlo izô Zaho fô ho an'ire zay namiagna Anahy, noho izy ré Anô. 10 Ny raha jiaby zay Anahy de Aninô, ké Zay anô de Anahy 11 Tsy amin'izao tontolo izao eky Zaho, fô ire ôlogna de aketo amin'izao tontolo zao, ary magnatogna anaré Zaho. Ray Masigna o, itano aimin'ny agnaranô zay namianô Anahy zaré mbô hitambatra ho raiky, karaha ny maha raiky Antsika. 12 Kô mbola také amin-jare Zaho, de nitagna anjaré tamin'ny agnaranô, zay namianô Anahy. Niaro aninjaré Zaho, ary tsisy very na de raika aza, afa tsy ny zanaky ny fahaverezagna foagna, mbô ho tantairaka ny Soratra Masigna. 13 Ary ho agny aminô Zaho, fô mivôlagna iré raha ré amin'izao tontolo zao Zaho mbô hantantairaka ny hafaliàko aminjaré. 14 Aifa namiàko zaré ny teninô, nankalazain'izao tontolo zao zaré satria tsy avy amin'izao tontolo zao, karaha Anahy tsy amin'izao tontolo zao. 15 Zaho de tsy mangataka Aminô ny agnalanô aninjaré amin'izao tontolo zao, fô mbô hiarôvanô aninjaré amin'lay ratsy. 16 Zaré de tsy amin'izao tontolo zao, karaha Anahy agny amin'izao tontolo zao. 17 Hamasino amin'ny fahamarinagna zaré. Fô ny teninô no fahamarinagna. 18 Karaha ny nagnasanô Anahy amin'izao tontolo zao, no nagnasako anjaré ho amin'izao tontolo zao koa. 19 Fô nohon'ny fitiavako anjaré no nagnamasinako ny taignako, mbô hagnamasinagna ny taignanjaré amin'ny famarinagna koa. 20 Zaho de tsy mivavaka ho an'iré foagna, fo an'iré zay hino Anahy amin'ny alalan'ny teninjaré koa 21 mbô ho raiky foagna izy jiaby, karaha anô, Ray, aminahy akato, ary Zaho aminô. Mivavaka Zaho mbô ho amintsika koa zaré mbô hinoàn'izao tontolo zao fô nagnasa Anahy Anô. 22 Ny voninahitra zay namiànô Anahy, de namiàko aninjaré, mbô ho raky zaré, karaha ny maha raiky antsika. 23 Zaho amin-jaré, ary Anô aminahy akato _ kai ho taigna raiky tantairaka tikoàtra zaré, mbô ho fantatr'izao tontolo zao fô nagnasa Anahy Anô, ary nitià zaré karaha ny nitiavanô Anahy. 24 Ray ô, re zay namianô Zaho de tiako hiaraka aminahy na akaiza na akaiza no misy Anahy, ary nahita ny voninahitro, lay voninahitra zay namianô Anahy satrià nitia Anahy anô talôhan'ny nahariagna izao tontolo zao. 25 Ray marigna ô, tsy mahay Anô izao tontolo zao, fô Zaho mahay Anô; ary zaré mahay fô nagnasa Anahy Anô. 26 Nampafantariky anjaré ny agnaranô, ary mbôla ho ampafatariky zagny mbô ho amin-jaré ny fitiavagna zay nitianô Anahy, ary Zaho ho amin-jaré.