Tôko faha 18

1 Tafaran'ny nivolagnan'i Jesosy iré teny ré, de nivoaka niaraka tamin'iré mpianany Izy ho ampitany akagny amin'ny lôhasan-drika agn'i Kidrona, zay nisy tsabo nidirany sy iré mpianany. 2 Ary Jodasy, zay namadika an'i Jesosy, nahay ny toairagna koa, satria nandaiha matetika tagny Jesosy sy iré mpianany. 3 Avy té Jodasy, nitarika ire vondrogna miaramila sy ire mpiandry raraha sanany avy amin'ire lôhan'ny mpisorogna sy Fariseo, nandaiha tagny niaraka tamin'ny fagnilo, fanala ary fitaovam-piadivagna. 4 Avy te Jesosy, zay aifa nahay ny raha jiaby hitranga Aminanjy, nandroso talôhany ary nagnontany aninjaré hoe: "Zôvy no zahànaré?" 5 Namaly Ananjy zaré hoe: "Jesosy avy agny Nazareta." Ary aozin'i Jesosy tamin-jaré hoe: "Zaho no Izy." Jodasy, zay namadika Ananjy, de nitsangagna niaraka tamin'iré miaramila koa. 6 Kai kôfa nivôlagna taminjaré Izy hoe: "Zaho no Izy," de nihisotra izy kai lavo tamin'ny tany. 7 Avy te ndraiky de nagnontany aninjaré Izy hoe: "Zôvy zahànaré?" Ary nivôlagna ndraiky zaré hoe: "Jesosy avy agny Nazareta." 8 Jesosy namaiy hoe: "Nivôlagna anaré Zaho fo Zaho no Izy. Noho zagny kô mizaha Anahy anaré, de ambilay reto andaiha." 9 Zagny mbô hantatairaka ny teny nivolagniny hoe: "Amin'iré zay namiagna Anahy, tsy natôvako very na mba raiky." 10 Avy te Simona Petera, zay nanagna sabatra, namoaka zagny ary namely lay mpanompon'ny mpisorognabe kay namira ny tadigniny ankavanagna. Ary Malko no agnaran'lay mpanompo. 11 Aozin'i Jesosy tamin'i Petera hoe: "Ahiregno amin'ny tragnony ny sabatranô.Tsy tôkony hisotro ny kapoaka zay namian'ny Ray Anahy mo Zaho?" 12 Noho zagny iré vôndrogna miaramila sy ny kapiteny, ary iré mpiandry rarahan'iré Jiosy, de nisambotra an'i Jesosy ary namatotra Ananjy . 13 Nindosinjaré tagny amin'i Anasy Izy malôka Izy, satria izy de rafôzan-dahin'i Kaiafa, Zay mpisorognabe tamin'io tôgna io. 14 Ary Kaiafa de lay nagnomia hevitra iré Jiosy fô tsara kokoa kô misy ôlogna raiky maty ho an'ny vahoaka. 15 Nagnaraka an'i Jesosy Simona Petera, ary nagnano karaha zagny koa ny mpianatra raiky hafa. Ary fantatr'ilay mpisorognabe zagny mpianatra zagny, ary niditra niaraka tamin'i Jesosy tamin'ny kianjan'ny mpisorognabe izy; 16 fô Petera de nijoro tivailan'ny vavahady. Noho zagny lay mpianatra hafa, zay fantatry ny mpisorognabe, de nivoàka kay nivôlagna tamin'ilay mpanompo vavy zay mpiambigna ny vavahady ary nitôndra an'i Petera hiditra. 17 Avy té lay mpanompo vavy, mpianbigna ny vavahady, nivôlagna tamin'i Petera hoe: "Anô koà mô tsy raika amin'ny mpianatr'i lalahy io?" Aoziny hoe: "Tsy izy zaho." 18 Ary nijoro te ré sy ré mpiandry raraha, ary nandrehitra afon'arigna zaré, satrià nangatsiaka ny andro; kay nagnafana ny taignan-jaré. Petera koà niaraka taminjaré, nijoro také ary nagnafana ny taignany. 19 Nagnontany an'i Jesosy mômba iré mpianany sy ny fampianarany ny mpisorognabe. 20 Jesosy namaly ananjy hoe: "Nivôlagna ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Zaho. Nampianatra mandrakariva tao amin'ny Synagoga sy tan-tempoly Zaho zay nifampitaognan'ny Jiosy jiaby. Tsisy nivolagniko tankizigna. 21 Nagnino anô no magnotany Anahy? Agnontanià an'iré zay naregny Anahy mômba zay nivolagniko. Zahà, iré ôlogna ré de mafantatra zay nivolagniko.'' 22 Kôfa avy nivôlagna zagny Jesosy, de nisy raika tamin'iré mpiandry raraha nijoro také nanaifaka an'i Jesosy ary nivôlagna hoe: "Zagny ny fomba hamalianô ny mpisorognabe?" 23 Jesosy namaly ananjy hoe: "Ko nivôlagna raha diso Zaho, mijoro vavolombelogna amin'izagny diso zagny, fô kô marigna, nagnino anô no namely Anahy?" 24 Avy té Anasy nandaifa Ananjy mifatotra nankagny amin'i Kaiafa ilay mpisorognabe. 25 Ary nitsangagna Petera kay nagnafana ny taignany. Avy te aozin'iré ôlogna ré taminanjy hoe: "Anô kô mô tsy raiky tamin'ny mpianany?" Nandà zagny izy ary nivôlagna: "Tsy izy zaho." 26 Raiky tamin'iré mpanompon'ny mpisorognabe, zay havan'lay lalahy zay nifirain'i Petera tadigny, nivôlagna hoe: "Tsy hitako niaraka taminanjy tao amin'ny saha mô anô?" 27 Avy té Petera nandà ndraiky, ary avy hatrany de nagneno ny akôho. 28 Avy té nindosinjaré avy tao amin'i Kaiafa ho agny agnaty rova Jesosy. Mbôla mandraigna bé ny andro tamin'zagny, ary zaré de tsy niditra tao agnaty rova mbô tsy ho voaloto fô aifa hihinagna ny Paska. 29 Kay nivoàka te aminjaré Pilato kay nivôlagna hoe: "Ino ny fiampangagna indonsinaré manôhitra tô lalahy tô?" 30 Namaly zaré ary nivôlagna taminanjy hoe: "Kô tsy mpagnano ratsy i lalahy io, de tsy natolonay anô." 31 Noho zagny Pilato nivôlagna tamin-jaré hoe: "Hindôsonaré Izy, nary tsaray arakan'ny lalàgnanaré." Aozin'iré Jiosy hoe: "Tsy ara-dalàgna ho anay ny manôlotra ôlogna ho faty.'' 32 Nivôlagna zagny zaré mbô ahatantairaka ny tenin'i Jesosy zay nivôlagna hoe karazagna fafataisagna karaha inona hafataisany. 33 Avy té niditra tagnaty rova ndraiky Pilato kay nagnantso an'i Jesosy ary nivôlagna hoe: "Anô no mpanjakan'ny Jiosy?" 34 Jesosy namaly hoe: "Magnotany avy amin'ny taignanô mô anô? Sa nisy hafa nivôlagna taminô mômba Anahy?" 35 Pilato namaly hoe: "Tsy Jiosy zaho, sa tsy zagny?" Ny vahoakanô sy iré lôhan'ny mpisorogna no nanôlotra anô taminahy. Ino no natonô?'' 36 Jesosy namaly hoe: "Ny fanjakako de tsy akéto amin'izao tontolo izao. Fô kô mbô tagnatin'izao tontolo izao ny fanjakako, de hiady iré mpanompoko mbô tsy hanolôragna Anahy amin'iré Jiosy. Fô avahizo ny fanjakako de tsy avy atô." 37 Avy te Pilato nivôlagna tamin'ny hoe: "Mpanjaka ariky mô Anô?" Jesosy namaly ananjy hoe: "Voalazanô fô mpanjaka Zaho. Fô amin'ny zagny tanjogna zagny no nahatantairahako, ary ho amin'izagny antony zagny no niaviako akéto amin'izao tontolo izao, mbô hijoroako vavolombelogna amin'ny fahamarinagna de mitandregny ny feoko." 38 Pilato nivôlagna taminanjy hoe: "Ino no atao hoe marigna?" Kôfa avy nivôlagna zagny izy, de nivoàka ndraiky Ary nivôlagna tamin'ire Jiosy hoe: "Tsy mahita heloka amin'itô lalahy tô zaho. 39 Fô anaré managna fômba izay zay afahako ôlogna raika ho amianaré amin'ny Paska. Noho zagny tianaré ny hagnafahako aminaré ny mpanjakan'ny Jiosy?" 40 Avy té zaré niafatra mafy ndraiky ary nivôlagna hoe: "Tsy lalahy io, fô Barabasy." Ary Barabasy de mpangalatra.