Tôko faha 19

1 Avake nidôsin'i Pilato Jesosy kay nivileziny. 2 Nandrenitra satroka tsilo irè miaramila. Napaitrajare tandôhan'i Jesosy zegny ary nagnatôvagna lamba vôlomparasy Ananjy. 3 Nagnontany Ananjy irè ary nivôlagna hoe: ''Arabaigna, ry mpanjakan'ny Jiosy!'' Ary namely Ananjy zare. 4 Avake nivoàka ndraiky Pilato kay nivôlagna taminjare hoe: "Indro, indôsiky aminare ivailany Izy mbô hafantaranare fô tsy mahita heloka Aminy Za.'' 5 Kay nivoàka Jesosy, nagnano lay fehilôha tsilo sy lay lamba vôlomparasy. Ahozy Pilato taminjare hoe: "Indro, ty lalahy ty!" 6 Kôfa hitan'ny lôhan'ny mpisorogna sy ny manamboninahitra Jesosy, de nihiàka mafy zare kay nivôlagna hoe: ''Fantsio izy, fantsio izy''! De ahozy Pilato taminjare hoe: "Alaivonare Izy ary fantsio, fô Za tsy mahita heloka Aminy.'' 7 Namaly azy irè Jiosy hoe: "Managna lalàgna antsika, ary araka ny lalàgna tôkony ho foaty Izy satrià milaza taigna ho Zanak'Andriamanitra.'' 8 Kôfa regnin'i Pilato zegny, de natahotra mafy izy, 9 ary niditra takô amin'ny lapam-panjakagna ndraiky Izy kay nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Avakaiza ny fiaviànô?'' Kanaifa tsy nagnamia teny ananjy Jesosy. 10 Avake Pilato nivôlagna taminy hoe: "Tsy managna ra ikoragnina aminahy ve Anô? Tsy hainô fô managna fahifagna hagnalanô za, sy fahifagna hamantsika Anô? 11 Namaly ananjy Jesosy hoe: ''Tsy managna fahifagna Aminahy anô ra tsy namiagna anô avy agny ambôny zegny. Noho zegny, izy zay nagnamia Za taminô de managna fahifagna bebe kokoà.'' 12 Taminjegny valin-teny zegny, de nihaizaka ny hagnafaka Ananjy Pilato, fô niaka mafy irè Jiosy, nagnano hoe: ''Ra alanô io lalahy io, de tsy kamaradin'i Kaisara anô. Zay magnano ny taignany ho mpanjaka de manôhitra an'i Kaisara.'' 13 Kôfa regnin'i Pilato irè teny irè, de nindôsiny nivoàka Jesosy ary nipaitraka tamin-tsezy fitsaragna zay antsôvigna hoe: "lampivato,'' fô amin'ny teny Hebreo hoe ''Gabata.'' 14 Ary tônga ny andro fagnomanagna ny Paska, tamin'ny laira faenignia te. Ahozy Pilato tamin'ire Jiosy hoe: "Indro, itô mpanjakanare!'' 15 Nihiàka mafy zare hoe: ''Avilay Izy, avilay Izy; fantsio Izy!'' Ahozy Pilato taminjare hoe: "Tôkony hamantsika ny mpanjakanare ve anare?'' Namaly irè lôhan'ny mpisorogna hoe: "Tsy managna mpanjaka akôtran'i Kaisara zaihay.'' 16 Avake de namian'i Pilato azy irè hifantsiagna Jesosy. 17 Avake nalainjare Jesosy, ary nandaiha nivoàka izy, nilanja ny kakazofijaliagna, ho agny amin'ilay toeragna antsôvigna hoe: ''Toeran'ny karandôha,'' zay amin'ny Hebreo antsôvigna hoe ''Golgota.'' 18 Nifantsian'ire tagny Jesosy, ary nisy lalahy ro hafa niaraka taminy, raika isaky ny ilany, ary Jesosy tagnivo. 19 Nanôratra famantaragna koà Pilato ary namaitraka zagny te amin'ny kakazofijaliagna. Zao no voasôratra te: JESOSY AVY AGNY NAZARETA, LAY MPANJAKAN'NY JIOSY. 20 Maro tamin'iré Jiosy no namaky zagny famantaragna zagny satrià tsy lavitra ny tanàgna no misy ny toairagna nonomboagna an'i Jesosy. Lay famantaragna de nisoratagna tamin'ny Hebreo, Latina, Grika. 21 Avy te aozin'iré lôhan'ny mpisorognan'ny Jiosy tamin'i Pilato hoe: "Aza soratagna hoe: 'Lay Mpanjakan'ny Jiosy,' fô aleo hoe: 'Tô raika tô de nivôlagna hoe: ''Zaho no mpanjakan'ny Jiosy.''" 22 Ary namaly Pilato hoe: "Zay voasôratra de voasôratra." 23 Kôfa nombohan'iré miaramila Jesosy, de nalain-jaré ny lambany, kai nizarain-jaré efatra, de samy managna raika aby zaré; ary lay ankajo koà. Ary tsisy vitragna lay ankanjo, fô tegnona aiky foàgna. 24 Avy té nifampivôlagna zaré hoe: "Aleo tsy triarintsika tô, fô andô hilokagna ahitagna zay mahazo anazy." Nitranga zagny mbô ahatantairaka ny Sôratra masigna zay milaza hoe: "Nifampizaranjaré ny lambako ary nilokany ny fitafiko." Zagny no naton'iré miaramila. 25 Ary nijoro tankilany kakazofijaliagnan'i Jesosy ny reniny, ny ravavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, Ary Maria Magdalena. 26 Kôfa nahita ny reniny sy iré mpianatra zay tiàny nijoro te ankilan'i Jesosy, de nivôlagna tamin'ny Izy hoe: "A Viavy, indro ny zanakanô lahy!" 27 Avy te Aoziny tamin'ny mpianatra hoe: "Indro, ny reninaré!" Ary tamin'izagny laira zagny de nalain'ny mpianatra ho agny aminanjy izy. 28 Tafaran'izagny, kôfa nafantatra fô vita ny raha jiaby kai mbô ho tantairaka ny Sôratra Masigna, de aozin'i Jesosy hoe: "Mangetaheta Zaho." 29 Ary nisy tavoara feno divaigna masigna nipaitraka také amin'io toairagna io, kai natôvan-jaré divaigna masigna ny sipaonjy kai nitohizany taminy hysopa ary napaitapaitany tamin'ny tamin'ny vavany. 30 Kôfa nisotro lay vinaigitra Jesosy, de Aoziny hoe: "Vita." Nahondriny ny lôhany ary niala ny fagnahiny. 31 Satrià andron'ny fihomagnana tamin'izagny ,kay tsy hijanogna eo amin'ny kakazofijaliagna mandritry ny Sabata (satrià ny Sabata de andro manan-danja manôkagna) iré vata-mangatsiaka, de nangataka tamin'i Pilato iré Jiosy avy eo, ny mbô hanapahagna ny tongon-jaré ary hagnalagna aninjareo. 32 Avy nagnatogna iré miaramila kay nanapaka lay tongotr'lay lalahy vôlôhany sy lay lalahy faharoa zay voahombo niaraka tamin'i Jesosy. 33 Kôfa nagnatogna an'i Jesosy azaré, de nahita fô aifa maty Izy, kay tsy nitapahin-jaré ny tongony. 34 Kanaifa, nisy miaramila raika nanindrogna ny lanivoany tamin'ny lefogna, ary avy atrany de nisy rà sy rano niraraka. 35 Lay raika zay nahita zagny de nijoro vavolombelogna, ary marigna ny fagnambarany. Fantany fô marigna zay nivolagniny mbô hinoànaré koà. 36 Fô iré raha iré no nitranga mbô hahatantairaka ny Sôratra Masigna hoe: "Tsy hisy tapaka namba raiky ny amin'ny tôlany" 37 Ary mbôla, misy Sôratra Masigna hafa mivôlagna hoe: "Zaré de hizaha Ananjy zay nilefonin-jaré." 38 Tafaran'ny raha iré, Josefa avy agny Arimatia, hatramin'ny naha mpianatr'i Jesosy ananjy (fô taminanjy mangingigna nohon'ny fatahoragna iré Jiosy), nagnontany an'i Pilato kô afaka malaka ny vatan'i Jesosy izy. Namiàn'i Pilato alalagna izy. Kai tonga Josefa ary nalaka ny vatany. 39 Tonga tagny koà Nikodemosy, izy zay tônga vôlohany hizaha an'i Jesosy ny align'igny.Ary nitôndra mainaka magnitra sy vahogna izy, te amin'ny zato litatra te ny fatrany. 40 Kay niraisin-jaré ny vatan'i Jesosy ary nifognosin-jaré tamin'ny lambam-paty sy zava-magnitra, araka ny fômba fandivaignana Jiosy. 41 Ary tamin'ny toairagna nanomboagna Ananjy tao de nisy tsabo; ary také amin'lay tsabo nisy fasagna vôvô zay mbôla tsy nandivaignan'ôlogna. 42 Satrià andron'ny fiomanagnan'iré Jiosy tamin'zagny ary satrià mariny ny fasagna, de nalevin-jaré takô Jesosy.