Tôko faha 20

1 Ary mandraindraignan'ny andro vôlôhan'ny erignandro, kô mbôla maizigna igny, de nakagny amin'ny fasagna Maria Magdalena ary nahita lay vato aifa nikisaka lavitra lay fasagna izy. 2 Noho zagny de nihazakazaka izy ary nagnatogna an'i Simona Petera sy lay mpianatra hafa zay tiàn'Jesosy, ary aozy taminjaré hoe:" Nalainjaré tamin'ny fasagna n'y Tompo, ary tsy fantanay zay namaitrahan-jaré Ananjy." 3 Avy te nandaiha nivoàka Petera sy lay mpianatra hafa, ary nankagny amin'ny fasagna zaré. 4 Samy niazakazaka zaré, ary nisongonan'lay mpianatra hafa nalaky Petera ary de izy no tônga vôlohany tagny amin'ny fasagna. 5 Avy te niondrika izy, ary natazagna lay lambam-paty nipaitraka té, fô tsy mbôla nitsôfoka tagnatiny izy. 6 Tônga tafarany avy te Simona Petera ary niditra tao am-pasagna. Tazany nipaitraka té lay lambam-paty 7 sy lay lamba natô tamin'ny lôhany. Tsy niara-nipaitraka tamin'lay lambam-paty anaifa lay izy fô nivalogna ho azy te amin'ny toairany. 8 Avy te lay mpianatra raika hafa, lay tônga vôlohany te amin'ny fasagna, niditra tagnatiny koà, ary nahita sy nino izy. 9 Fô hatramin'io fotoagna io zaré de tsy mbôla nahay ny Sôratra Masigna fô Izy de tsy maintsy hitsangagna amin'ny maty. 10 Kay niherigna tagny an-tragno ndraiky iré mpianatra. 11 Fô Maria de nijoro nitomagny tivailan'ny fasagna. Kô izy nitomagny igny, de niondrika tao amin'ny fasagna. 12 Nahita anjely roa magnatô lamba fotsy nipaitraka izy, ny raika teo an-dôha, ary ny raika teo an-tongotra také amin'ilay toairagna namitrahagna ny vatan'i Jesosy. 13 Aozin-jaré taminanjy hoe: "A Viavy, nagnino anô no mitomagny?" Aoziny taminjaré hoe: "Satrià nindôsinjaré ny Tompoko, ary tsy haiky ny namaitrahan-jaré Ananjy." 14 Kôfa avy nivôlagna zagny izy, de nitodika ary nahita an'i Jesosy nijoro te, fô tsy hainy hoe Jesosy io. 15 Aoziny taminanjy hoe: "A Viavy, nagnino anô mitomagny? Fô zôvy mô Zahànô?" Niheveriny fô lay mpiambigna anaifa Izy, kay aoziny taminanjy hoe: "Tompoko, kô Anô no nalaka Ananjy, de volagno aminahy ny nametrahanô Ananjy, fô alaiky agny Izy." 16 Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Maria." Nitodika izy, ary nivôlagna taminanjy tamin'ny teny Hebreo hoe: "Rabôny" (zay midika hoe: "Mpampianatra.") 17 Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Aza mikasika Anahy, fô mbôla tsy niakatra agny amin'ny Baba Zaho, fô mandihana agny amin'ire ralahiky ary nivôlagno azy irè fô hiakatra agny amin'ny Babako sy Babanare Za, ary na Andriamanitranahy sy Andriamanitrare.'' 18 Nandaiha Maria Magdalena ary nivôlagna irè pianatra hoe: "Nahita ny Tompo za,'' ary irè raha irè no nivôlagniny taminy. 19 Ary hariva tamin'izay, tamin'io andro io, andro voalôhan'ny herinandro, ary irè tamiagna zay nisy irè pianatra, de nihidy nohon'ny fatahôragna irè Jiosy, nagnatogna Jesosy ary nitsangagna tantaignantaignan-jare kay nivôlagna azy hoe: "Fiadanagna ho anare.'' 20 Kôfa avy nivôlagna zegny Izy, de naseony azy irè ny tagnany sy ny tritriny. Faly irè pianatra kôfa nahita ny Tompo. 21 Avake Jesosy nivôlagna azy irè hoe: "Fiadanagna ho anare. Karaha ny nagnasan'ny Ray Anahy, no hagnirahako anare koà.'' 22 Kôfa avy nivôlagna zegny Jesosy, de nitsotra ny fôfon'aignany taminjare ary nivôlagna azy irè hoe: ''Alaivo ny Fagnahy Masigna. 23 Na helok'izôvy na helok'izôvy availanare, de ho voavaila zare; ary na an-jôvy na an-jôvy tsy availanare, de tsy voavaila zegny.'' 24 Tomasy, raika tamin'ire rombifôlo lahy, nantsôvigna hoe: Didymo, de tsy niaraka taminjaré kôfa tônga Jesosy. 25 Ré mpianatra hafa avy té nivôlagna taminanjy hoe: "Hitanay ny Tompo." Aoziny taminjaré hoe: "Kô tsy hitako amin'ny tagnany tômbakin'iré fantsika, ary mamaitraka ny rantsan-tagnako ao agnatin'ilay tômbaka an'iré fantsika zaho, ary mamaitraka ny tagnako amin'ny lanivoany, de tsy hino zaho." 26 Valo andro tafara de takô ndraiky ré mpianany, ary niaraka taminjaré Tomasy. Nagnatogna Jesosy kô nagnidy tamiagna,ary nijoro niaraka té aminjaré, ary nivôlagna hoe: "Fiadanagna ho anaré." 27 Avy te nivôlagna an'i Tomasy izy hoe: "Magnatôgna atô miaraka amin'ny tagnanô ary apitraho akéto amin'ny lanivoako zagny. Aza kely finoagna, fô minoà." 28 Tomasy namaly ary nivôlagna Ananjy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro. 29 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Satrià nahita Anahy Anô, de nino. Sambatra iré Zay tsy nahita, naifa mino.'' 30 Avahizo Jesosy de nagnano famantaragna maro hafa teo agnatraihan'iré mpianany, famantaragna zay tsy voasôratra tagnatin'itô boky tô, 31 fô ré de voasôratra mbô hafahanaré mino fô Jesosy no Kristy, ilay zanak'Andriamanitra, ary kôfa mino Ananjy anaré, de hahazo ny fiainagna amin'ny agnarany.