Tôko faha 21

1 Tafaran'iré raha ré Jesosy de niseho tamin'iré mpianatra ndraiky teo amin'ny ranomasin'i Tiberiasy. Karanjô ny fomba nisehoany: 2 Simona Petera de niaraka tamin'i Tomasy zay antsôvigna hoe Didymo, Natanaela avy agny Kana agny Galilia, ire zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesosy roa hafa. 3 Hoy Simona Petera taminjaré hoe: "Handaiha hagnarato zaho.'' Ary aon-jaré taminanjy hoe: ''Zahay koà andaiha hiaraka aminô.'' Kai lasagna zaré ary niditra tan- tsambokely raika, fô tsy nahazo na ino na ino zaré bôriky kiaka. 4 Ary, kôfa mangiran-dratsy sahady ny andro, de nijoro te an-dranomasigna Jesosy, fô tsy fantatr'iré mpianatra hoe Jesosy io. 5 Kai aozy Jesosy taminjaré hoe: "Ry tôvolahy, Tsy manan-ko-hanigna mô anaré?'' Namaly Ananjy iré izy hoe: "Ahe'' 6 Aoziny taminjaré hoe: ''Atsipazo eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo.'' De hahazo anaré.'' Kai de natsipin-jaré ny haraton-jaré ary tsy nahavita nampiakatra zany tao nohon'ny habetsaky ny lôka. 7 Avy te hoy lay mpianatra zay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe: ''Ny Tompo io.'' Kôfa regnin'i Simona Petera fô ny Tompo io, de nampiditra ny ambônin'ankajony izy (satrià tsy niakanjo izy), kai nitsambikigna tagnaty ranomasigna. 8 Iré mpianatra hafa nankao an-tsambokely (satrià zaré tsy lavitra ny tanety, také amin'ny roanjato hakiho teo), ary nisintogna ny harato feno lôko. 9 Kôfa tafiakatra an-tanety zaré, de nahita afon'arigna tamin'ny lôko te ambôniny, miaraka amin'ny môfo. 10 Hoy Jesosy taminjaré hoe: "Mitondrà lôko maromaro aminiré vao azonaré te." 11 Ary niakatra Simona Peteraka kai nisintogna an-tanety ny harato, zay feno lôka maventy; 153.Tegna maro bé, kanaifa tsy nitriatra Ilay harato. 12 Aozy Jesosy taminan-jaré hoe: "Avià hihinagna mandraigna:" Tsisy tamin'ire mpianatra nasahy nagnontany Ananjy hoe: ''Izôvy mô Anô?'' Fantan-jaré fô ny Tompo io. 13 Nagnatogna Jesosy, nandray ny môfo, ary nagnomia zaigny anjaré, karanjagny koà ny lôka. 14 Fagnintelony amin'io no nisehoan'i Jesosy tamin'ire mpianatra tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 15 Kôfa avy nihinagna lay hanigna nandraigny zaré, de aozy Jesosy tamin'i Simona Petera hoe: "Simona zanak'i Jaona, tià Anahy mihoàtra noho iré mô anô?" Hoy Simona Petera taminanjy hoe: "IaTompo, fantanô fô tià Anô zaho.'' Aozy Jesosy taminanjy fahano iré ondriko." 16 Nivôlagna am-pagnindroa ndraiky Izy hoe:'' Simona zanak'i Jaona, tià Anahy mô anô?'' Aozy i Petera taminanjy hoe: "Ia Tompo, fantanô fô tià Anô zaho.'' Aozin'i Jesosy taminanjy hoe: "Karakaray ny ondrianahy.'' 17 Nivôlagna taminanjy am-pagnitelo izy hoe: "Simona, zanak'i Jaona, tià Anahy mô anô?'' De nalahelo Petera satrià Jesosy nagnano intelo taminanjy hoe: "Tompo, Anô mahafatantra ny raha jiaby,fantanô fô tiàko Anô'' Aozy Jesosy taminanjy hoe: "Fahano ny ondriànahy.'' 18 Volagniko aminô marigna, de marigna tikoàtra, tamin'ny anô mbôla tanora, de zatra nampiditra raika ny ankanjonô ary nandaiha tamin'zay tianô, fô kôfa nahai-antitra anô, de haninjitra ny tagnanô, ary ôlon-kafa no hampiakanjo anô sy hitôndra anô amin'zay lalagna tiànô andihanagna.'' 19 Ary Jesosy nivôlagna zaigny mbô hahafantaragna hoe amin'ny karazagna fafataisagna karaha ino no agnomianazan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra. Kôfa avy nivôlagna an-jagny Izy, de Aozy tamin'i Petera hoe: "Magnaraha Anahy." 20 Nitodika Petera kai nahita lay mpianatra zay tiàn'i Jesosy nagnaraka Ananjy zaré, lay raika zay niankigna ampitan'i Jesosy ndraika koà tamin'ny fihinanagna ary nagnano hoe: "Tompo, izôvy lay hamadika Anô?" 21 Nahita ananjy Petera ary aoziny avy te tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, ino no natôn'i lalahy io?'' 22 Aoziny Jesosy taminanjy hoe: "Kô tiàko hitoetra izy mandra-piaviàko, de midika ino zagny aminô? Magnaraha Anahy.'' 23 Kai niparaitaka teo amin-jaré mpiralahy zagny teny zagny, fô tsy ho foaty io mpianatra io. Naifa Jesosy tsy nivôlagna tamin'i Petera fô tsy ho foaty lay mpianatra hafa, fô hoe: "Kô tiàko hitoetra izy mandra-piaviàko, de midika ino zagny aminô?'' 24 Izy lay mpianatra zay nijoro vavolombelogna mômba iré raha iré, sy lay nanôratra iré, ary fantatsika fô marigna ny fagnambarany. 25 Misy raha maro hafa koà zay natôn'i Jesosy. Kôfa voasôratra tsiraikiraiky aby zagny, de hiveriko fô na de zao tontolo zao aza tsy ho hômby ny boky zay ho soratagna.