Galatiana toko 5

1 Ho amin' ny fahafahagna no nagnafahan' i Kristy atsika. Miantèra tsara, karaha zegny, aza magneky ho ambanin' ny ziogan'ny fagnadivôzagna ndraiky. 2 Indro ,Paoly,mivôlagna amindre fô raha mamèla ny tegnanareo ho foraina anandre. de tsy hahasoa andre amin'ny fomba jiaby Kristy. 3 Mijôro vavolombelogno amin'ny ôlo tsirekireky ize mamèla ny tegnany voafora ndraiky zah fô vôatery hagnaraka ny lalàna jiaby izy. 4 Tafatsaraka tamin' i Kristy andre, zegny te ho hamarinigna amin'ny lalàna; ke tsy miaigna fahasoavana koza andre. 5 Fô amin'ny alalan' ny Fanahy, amin'ny finoagna, no iambesantsika fatratra ny fanantenana ny fahamarinagna. 6 Akô amin'n i Kristy Jesosy de tsy midika na ino na ino na voafora na tsy voafora, fô ny finoagna miasa amin'ny fitiavana fô. 7 Fô nihazakazaka tsara andre. Azovy no nanakagna andre amin'ny fankàtoavagna ny marina? 8 zegny fandresen-dahatra zegny de tsy avy amin'ilay nagnatso andre. 9 Lalivay hely no mampitômbo ny kôba jiaby. 10 Fô mahafatoky ny Tompo aho fô tsy handray fomba fijaha hafa andre. Fô ny araika zegny mampikorontana andre no hagnèfa ny sazy, na zôvy izy na zôvy izy. 11 Ry rahalahy, raha mbola magnambara ny amin'ny famoràgna aho, magnino zaho no mbola enjehina? Amin-zegny de ho afaka tokoatra ny fahatafitohinagna' ny kakazofijaliana. 12 Fô zegny magnakorontagna andre , nè ke hanapaka ny tegnan-jare! 13 Fô nangizany ho amin'ny fahafahana andre, ry rahalahy, nefa aza ampiasaina ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanare ; fô kôza amin'ny alalan'ny fitiavana de mifampanopöha. 14 Fô ny lalàna jiaby de lavorary ao amin'ny didy araiky. ako amin' ny hoe: Tsy maintsy mitia ny namanao karaha ny tegnanà anà. 15 Fô raha mifagnifatra andreky mifampihinagna andre, de mitandrema sô mifamono. 16 de tsy hahatanteraka zegny filan'ny nofo andre. 17 Fô manipaka ny Fanahy ny filan'ny nofo, ke manipaka ny filan'ny nofo ny fanirian'ny Fanahy. Fo mifanipaka ire, mbo tsy hahafahanare magnano zegny raha tianare. Fô 18 raha tarin'ny Fanahy andre de tsy ho ambanin'ny lalàngna. 19 Avaizo de mibaribary ny asan'ny filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fmosaviana, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, fipôkan'ny fahavigniragna, fifandrafiagna, fisaraham-bazagna, fizarazaragna, 21 fialonagna, fahamamoagna, fan akorontagnana, ndraiky raha mitôvy amin-zegny. Mampitandrigna andre zaho, karaha ny efa nampitandremako andre taloha, fô tsy handôva ny fanjakan' Andriamanitra ire zegny magntanteraka ire raha ire. 22 Fô vokatra ny Fanahy de fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, 23 hatsaram-panahy,fanaovantsoa, finoagna, fahalemem-pagnahy, ndraiky fahafehezan-tegna; tsy misy lalagna manohitra raha karaha zegny. 24 Ire zegny an'i Kristy Jesosy de efa namantsika ny toetra feno fahotany niraidia tamin'ny fahafinaretany ndraiky ny filany. 25 Raha miaigna amin'ny Fanahy isika, aoka handeha amin'ny Fanahy fô koza. 26 Aoka isika tsy ho lasa mpi-poerapoera, mifandrangitra, ke mifampialogno