Toko faha 6

1 Ry rahalahy kô, raha misy ôlogna azon'ota anareo zay ara-pagnahy no tôkony hangerigna azy indraika amin'ny famoram-pagnahy.Mihevera tègnano,mbô ts ho halaim-pagnahy kao ano. 2 Mifampitondra ny mavèsatr,ary amin-jay dia tanteraho ny lalàgnan'i Kristy. 3 Fa kô misy ôlogna mihevitegna ho raha kanefa tsinotsinona,dia mamit-a-tegna. 4 Tôkony samby mandinitègna ny tsiraikaraika, mbô amin'ny tègnany fôgna ny antony mampireharhananjy fô tsy amin'ny ôlogn-kafa . 5 Fa samby hitondra entagnany ny tsiraikaraika. 6 Ny ôlogna zègny nampianarigna ny teny dia tsy maintsy mirasa ny zègny raha tsara jiaby amin-jegny mampianatra. 7 Aza magneky fiatahigna. Tsy azo sangisangina Andriamanitra, fô zègny raha jiaby afafin'olo dia izy fôgna no hisagotra anan-jy. Hoan-jegny mambôly voa amin'ny toetra feno fahotagna, dia avy amin-jègny hisangorany fahasimbagna. 8 Zègny voa amin'ny Fagnahy,amin'ny Fagnahy no hisangotra ny fiaignana mandrakizay. 9 Aoka antsika mbô tsy ho reraka amin'ny fagnanovagna ny tsara, fô hisangotra ny vokatra antsika amin'ny fotoagna mety, raha tsy milavo lefogna anttsika. 10 kè nohizègny, satria managna ny fahafahagna antsika, dia aoka hagnano tsara amin'ny ologna jiaby, indridra amin'ny fiamnakaviagnan'ny finoagna. 11 Zahava ny haventesany sôratra izay nisôratan'ny tagnakoho anare. 12 Ire zay te hiseho hotsara amin'ny nofo fôgna no miezaka manery anan-dre mbô hoforaigna. Magnano an-jègny zare mbô hialagna amin'ny fagnenjehagna nohon'ny azo fijalian'i Kristy. 13 Na zare zègny tsy voafora aza dia tsy mitandrigna ny lalàgna, nefa tian-jare foragna anare mbô hireharehan-jare amin'ny nofon-jare. 14 Nefa tsy hirehareha na oviagna na ovoagna afa-tsy ny amin'ny hazofijalin'i Jesosy Kristy Tompontsyka za, zay namantsiagna an'izô tontolo izô taminàhy,kè zaho ndraiky teo amin'izô tontolo izô. 15 Fa ny famoragna na tsy famoragna dia samgy tsisy dikany. Fô ny fiaignam-baovao no misy dikany. 16 Hoan'ire jiaby zay miaigna arak zany fomba izègny, dia ho amin-jaire anie ny fiadanagna sy ny famindram-po, na Israelin'Andriamanitra aza 17 Miantetry izô dia tsihisy hagna-foka anahy, fô mitôndra ire marik,i Jesosy eo amin'ny vatagna anahy zaho. 18 Hoamin'ny fagnahinan-dre anie ny fahasoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,ry rahalahy. Amena.