Tôkô faha: 4

1 Mivôlagna zah fô ny mpandôva, kôa mbôla zaza izy, dia tsy hafa amin'ny andevo, na dia tômpon-draha jiaby aza. 2 Kanaifa izy dia aké ambany fifèhaizan'jaré mpiambigna sy iré mpitahiry raha-sarobidy mandra-pigadognan'ny daty zègny napètraka ny babany. 3 Kè karan-jègny koa, tamin-tsika mbôla zaza, dia nandivôzin'iré lalàgna fitsipi-pianaragn'izô tontôlo izô. 4 Fô koa tonga ny fahafinoagnan'ny fotôagna, dia nandèfa ny Zanany Andriamanitra, zègny natèra-biaby, natairaka tô ambanin'ny lalàgna. 5 Nagnano anjégny Izy mbô hagnavôtagna iré zègny ambanin'ny lalàgna, mbô hahafahantsika mandray ny fananganagna ho zanaka. 6 Ary satria zanaka anaré, dia nasain'Andriamanitra ho akô am-pôntsika ny Fagnahin'ny Zanany, zègny magnantso hoe: "Aba, Ray." 7 Nôho zègny tsy andevo koà anô, fô zanaka, ary koa zanaka, dia mpandôva amin'ny alalan'Adriamanitra foagna koa anô. 8 Fô tamin'jègny fotôagna zègny, fôny anaré tsy nahay an'Andriamanitra, dia natô andevon'iré zègny, amin'ny hery vôajagnahary, dia tsy Andriamanitra velivaly. 9 Fô ankehitriny anaré dia lasa nahay an'Andriamanitra, na koa hoe hain'Anadriamanitra anaré, kè ahôana no hiraignanaré amin'ny abidim-pianaragna malemy no sady tsisy dikany? Té ho andevozigny koa mô anaré? 10 Mandinika iré andro sy iré vôlagna ary iré vanim-potoagna sy iré tôgno anaré! 11 Matahôtro ny aminare zaho fô sô dia ho zava-poagna ny asako take aminare. 12 Miangavy anaré zah, ry ralahy, magnanova kara zaho, satria zaho foagna koa dia èfa lasa karaha anare. Tsy agnano ratsy taminahy anare. 13 Kanèfa hainare fô noho ny aretim-batako no nagnambarko anare ny filazantsara tamin'ny vôalohany. 14 Na dia nitôndra anare tamin'ny fakam-pagnahy aza ny toe-batako, dia tsy nagnano tsisidikany na nagnilikilika zaho anare. Fô niraisinare kara anjelin'Andriamanitra kôza zaho, kara hoe zaho mitsy no Kristy Jesosy. 15 Akaiza, noho zègny, ny fahasoavanare avaizo? Fô mijoro vavolombelogna aminare zah fô, koa azonare atô, dia nalanare ny masonare ary namianare zaho zègny. 16 Kè noho zègny, èfa lasa fahavalonare mô zaho satria mivolagna aminare ny marigny 17 Zaré dia mazoto ny hotôndra anare, fô tsy amin'ny tsara. Te hagnidy anare agny ivèlany zare, mbô hanagnanare zotom-pô ho anjare. 18 Tsara foagna ny managna zotom-pô amin'ny tanjogna tsara, ary tsy kôfa miaraka aminare foagna zaho. 19 Ry zanako, mbôla mijaly amin'ny fanaitaignan'ny fiterahagna ho anare ndraika zaho mandra-piforongnan'i Kristy ako aminare. 20 Magniry zaho mbô ho afaka miaraka aminare aminjô ary hagnova ny fehoko, satria sahiran-tsaigny noho ny aminare zaho. 21 Volagnino aminahy, anare zègny magniry ny ho ake ambanin'ny lalàgna, mô tsy mitandregny ny lalàgna maro anare? 22 Satria vôasoratra fô i Abrahama dia nanan-janaka roé lahy, ny araiky avy amin'ny andevo viavy ary ny araiky avy amin'ny vahiavy afaka. 23 Fô ny araiky dia natèraky ny andevo viavy araka ny nôfo, fô lay araiky hafa dia natairaky ny vahiavy tamin'ny koragna fampagnantènagna. 24 Ire raha ire dia azo raisigny ho kara ny fanoharagna, satria ire vahiavy ire dia magnambara fagnekegna roé. Ny araiky amin'jare dia avy amin'ny tanetin'i Sinay ary nitèraka zaza zègny andevo izy. Izy io dia i Hagara. 25 Ary i Hagara dia namoaka ny tanetin'i Sinay any Arabia; ary namoaka an'i Jerosalema amin'jô fôtoagna zô, satria nandivozigna niaraka tamin'ire zanany izy. 26 Fô i Jerosalema zègny agny ambôny dia afaka, ary izy no regnintsika. 27 Satria vôasoratra hoe: "Mifalia, anô ry momba zègny tsy miteraka. Magnantsognantso mafy ary magnanova hiaka fifaliagna, anô zègny tsy mijaly amin'ny fanaintaignan'ny fitirahagna. Satria ire zanaky ny vahiavy zègny nafôe dia maro noho ny an'ire vahiavy manambady." 28 Fô anare, ry ralahy, karaha an'i Isaka, dia zanaky ny fampanantènagna. 29 Tamin'jègny fotoagna zègny ny ôlogno zègny tèraka araka ny nôfo dia nagnenjika zègny tèraka araka ny Fagnahy. Karanjegny koa amjô. 30 Kanaifa ino no volagnin'ny soratra masigny? "Alifaso agny ny andevo viavy sy ny zanany lalahy. Fô ny zanaka lahin'ny andevo viavy dia tsy hirasa lôva miaraka amin'ny zanaka lahin'ny vahiavy afaka." 31 Noho zègny, ry ralahy, tsy zanaky ny andevo viavy atsika, fô zanaky ny vahiavy avôtro.