Toko faha 3

1 Ry Galatiana Mahôla! Iza no namosavy anan-dre? Teo amasonan-dre no nanehoana an'i Jesosy kristy vaombo. 2 Izô ihany ny raha tiako ianaragna aminan-dre: Nandray ny Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finoagna regninare anan-dre? 3 Mahôla marigna ve anan-dre? Niantomboka tamin'ny Fagnahy anan-dre, de hiafara amin'ny nofo ve amin'izo? 4 Mô niharitra raha maro tamin'ny tsisy dikany ve anan-dre fa raha tegna zava-poagna tokoa ary izegny? 5 Mô ve izy izay magnome ny Fagnahy anan-dre sy magnano asa mahagaga ake aminan-dre dia magnano izany amin'ny finoagna? 6 Kara i Abrahama ''nino an'Adriamanitra ary nisaigna ho famarinagny izegny,'' 7 dia kara izany, fantako, fa ire izay amin'ny finoagna dia zanak'i Abrahama. 8 Ny Sôratra Masigna, nahita taloha fa Andriamanitra hagnamarigna ire jentilisa amin'ny finoagna, dia nitory ny filazantsara talohany tamin'i Abrahama, nivolagna hoe: ''Avy amino no hitaiagna ny firenegna jiaby.'' 9 Ka, ire izay amin'ny finogna dia voatahy miaraka amin'i Abrahama, lay olognan'ny finoagna. 10 Ire izay miankina amin'ny asan'ny lalàgna dia eo ambanin'ny ozogna; fa vôsoratra hoe: ''Izay tsy magneky raha vôsoratra jiaby dia voahozogna ao agnatiny boky ny lalàgna, sy magnano iregny.'' 11 Amin-jo fotoagna dia mazava fa tsisy ologna izay hamarinigna eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàgna, satria ny marigna dia ho velogna amin'ny finoagna. 12 Fa ny lalàgna dia tsy araka ny finoagna, fa koza, ''Ny ologna ize magano ny asanagn'ny lalàgna dia velogna aminan-dre. 13 Kristy nagnavotra antsika tamin'ny ozognan'ny lalàgna tamin'ny nahatongavany ho ozogna ho an-tsika fa vôsôratra hoe: ''Vôhozogna ize mihantogna amin'ny kakazo''_ 14 mbô hotonga amin'ny Jentilisa sy fitahian'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny finoagna no ahazahoantsika lay fampagnantenagna ny Fagnahy. 15 Ry rahalahy, ambilè zaho hivolagna araka ny fatôn'ny ologna. Ako amin'ny fifagnarahagna atôn'ny ologna, tsisy afaka magnafoagna na magnampy ize ako, raha tafapetraky ny lalàgna izany. 16 Ary ire fampagnantenagna dia nivolagnina tamin'i Abrahama sy taminire taranagny. Tsy mivolagna izegny hoe: ''Ho an'ny taranaka,'' manondro ny ologna maro, fa koza ologna raika ihany,'' hoan'ny taranaka,'' dia i Kristy. 17 Ary izô no tiako hivolagnina: '' Ny lalàgna ize tônga telo-polo sy efa-jato taogna taty afara, dia tsy hahafoagna ny fanekegna ize efa napetrak'Andriamanitra taloha. 18 Fa raha avy amin'ny lalàgna ny lova, dia tsy avy amin'ny fampagnantenagna intsony. Fa Andriamanitra nagnome ize an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnantenagna. 19 Ino, ary ny tanjognan'ny lalàgna? Nasaigna izany noho ire fandikan-dalàgna, mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama eo amin'izegny ananovagna ny fampagnantenagna. Ny lalàgna naton'ny mpitari-dalàgna raika ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20 Fa ny mpitari-dalàgna dia midika ologna mihoatra raika, kanefa Andriamanitra dia raika. 21 Moa ve ny lalàgna manohitra ire fampagnantenagnan'Andriamanitra? Satria izany! Fa raha nisy lalàgna nomegna ize afaka magnome fiaigna, dia avy tamin'ny lalàgna tôkoa ny fahamarinagna. 22 Fa ny Sôratra Masigna no nampigadra ny raha jiaby ambanin'ny fahotagna. Nagnano izegny Andriamanitra mbô hagnomezagna ho anire mino ny fampagnantenagna ny hagnavotagna antsika amin'ny alalan'ny finognan'i Kristy. 23 Ary talôhan'ny nahatongavan'ny fianoagna, antsika dia nitanagna ho babo tô ambanin'ny lalàgna, nogadraigna mandra-pivoahan'ny finogna. 24 Koa avy ny lalàgna dia lasa mpiambigna antsika mandra-pahatôngavan'i Kristy, mbô ho voamarigna amin'ny finoagna antsika. 25 Fa izô dia tonga izegny finoagna izegny, ka tsy ambanin'ny mpiambigna intsony antsika. 26 Fa anan-dre jiaby dia zanak'Andriamanitra ako amin'ny finoagna an'i Kristy Jesosy. 27 Fa maro aminan-dre izay natô batisa tao amin'i Kristy, no nandray an'i Kristy. 28 Ary tsisy intsony na Joisy na Grika, na andevo na ologn'afaka, na lahy na vavy, fa raika ihany anan-dre ako amin'ny Kristy. 29 Koa raha an'i Kristy anan-dre, dia taranak'i Abrahama,sy mpandôva araka ny fampagnantenagna anan-dre.