Galatiana toko faha 2

1 Efatra ambin'ny fôlo taögna taty aoriana de niakatra tagny Jerosalema andraiky Aho niraidia tamin'ny Barnabasy, de nitôndra an'i Titosy niraidia tamiko. 2 Niakatra tagny nohon' ny fagnambarana araiky Aho kè nametaka take amin-jare ny filanzantsara izay toriako akeo amin-jare Jentilisa. Nikoragna mitôkana tamin-jare jègny noheverina ho manan-danja zaho, mbô hahazoäna antoka fô tsy nihazakazaka_na efa nihazakazaka_very maigna zaho. 3 Fô na Titosy aza, izay niraidia tamiko no sady Grika, de nöfôrisèny ho voafôra. 4 Nitsôfötrö mangingina zare rahalahy sandoka mbô hitsikèra ny fahafahana hanagnanay akô amin' i Kristy Jesosy. Nagniry ny agnadevo anay zare. 5 fô tsy nety ny hanaiky an-jare na de fotôagna hely aza zahe, 16 mbô hipetrahan'ny fahamarinan'ny filanzantsara aminan-dre. 6 Fô ire jègny noheverina ho manan-danja ( na ino na ino zare de tsy mampagnino ahy, Andriamanitra de tsy miangatra)_Koragninà, zare, jègny ho heverina ho manan-danja de tsy nanampy na ino na ino taminà. 7 Mifanipaka amin-jègny, hitan-zare fô nanankinana ny filanzantsara ho an-jare jègny tsy voafôra zaho. karaha ny nanankinana an'i Petera ny filanzantsara ho an-jare jègny voafôra. 8 Fô Andriamanitra, jègny niasa takô amin'ny Petera ho amin'ny mah' apostoly ho an-jare izay foafôra, de niasa tato aminà fô kôza ho an-jare Jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, ndraiky Jaona, jegny fantatra fô anisan-jare nagnorina ny fiangonana, kôfa nahalala ny fahasoavana jègny namiagn' ahy, de nagnamia ny tanàna ankavanan'ny fiombonana ho anà andraiky Barabasy zare. nataon-jare zègny mbô hahafahanay mankany amin'ny Jentilisa, kè mbô hahafahan-jare mankany amin'jare jègny voafôra. 10 Nagnäsa fotsiny zare mbô hahatsiaro ny mahantra zahe, jègny raha tena tiako atao tökôtra. 11 Fô kôfa tônga tagny Antiokia i Kefasy, de nanohitra azy take samby amaso zaho satria voalaza fô tsy marina izy. 12 Talohan' ny nahatongavan'ire lalahy asanany avy any amin' i Jakoba, de take am-pihinanagna niraidia tamin-jare Jentilisa i Kefasy, Fô kôfa tônga zare lalahy ire. de nijanogna zare niala làvitra an-jare Jentilisa, navôzo ire-jègny nitaky famorana izy . 13 Ny sisa tamin-jare Jiosy koa de niraidia tamin' jègny fiatsaram-belatsihy jègny. na i Barnabasy aza de voavily lalana niraidia tamin-jare tamin'ny fiatsaram-belatsihi-njare. 14 Fô kôfa hitako fô tsy magnaradia ny fahamarinan' ny filanzantsara ny fitondran-tegna-njare, de nikoragna tamin' i Kefasy take anoloan' izy jiaby zaho fô:" Raha Jiosy anà kanèfa miaigna karaha Jentilisa fa tsy karaha ny jiosy, ahoana no ahafahanô manery an-jare Jentilisa hiaigna karaha ny Jiosy?" 15 Atsika de Jiosy tamin' ny alalan' ny fahaterahana fô tsy mpanota Jentilisa; 16 fantantsika anefa fô tsy misy ôlo hamarinin 'ny asan'ny lalàna fô amin'ny alalan'ny finoagna an' I Kristy Jesosy, Atsika fô koa de. tônga tamin' ny finoana an'i Kristy mbô ho hamarinina amin' ny finoagna an'i Kristy fô tsy amin'ny asan' ny lalàna. Fô tsy hisy nofo ho hamarinina amin'ny asan'ny lalàna. 17 Kôfa, mitady ho hamarinina ao amin' i Kristy atsika, atsika fô koa, de hitany fô mpanota, moa mampirisika ny fahotana ary ve I Kristy Tsia avy hatrany! 18 Fa raha manàngana andraiky ireo raha efa noravako talôha zaho. de magnaporofo ny vatako ho mpandika lalàgna zaho. 19 Fô tamin'ny lalàgna no nahafatesako amin'ny lalàgna, mbô ho velogno ho an'Andriamanitra zaho. 20 Nonombohana niraidia tamin' i Kristy zaho. Tsy zaho intsony no velogno ato agnatiko. Ny fiaignana iaignako ao amin'ny nofo ankehitriny de iainako amin'ny finoagna ny Zanak'Andriamanitra, jègny tia ahy kè nanôlotra ny tegnany ho ahy. 21 Tsy magnilika ny fahasoavan'Andiamanitra zaho, fô raha azo amin' ny lalàgna ny fahamarinana, de tsy misy dikany ny nahafatesan' i Kristy!