Tôko faha 9

1 Fô i Saoly, de mbôla nivôlagna fandrahôgnana foagna agny fô na hatramin'ny famonoagna manôhitra re mpianatry ny Tompo aza, nandaiha tagny amin'ny mpisorognabe 2 ary nangataka taratasy taminjaré ho an're synagoga tao Damaskosy, kôfa mahita na zôvy na zôvy eo amin'ny Lalagny izy, na lalahy na viavy, de indôsiny hifatotra agny Jerosalema zaré. 3 Kô mbôla nandaiha izy, de zao no nitranga kôfa tônga tankilany Damaskosy izy, tampoka te de nisy hazavagna nangilangilatra magnodidigna ananjy avy agny an-dagnitra; 4 ary lavo tamin'ny tany izy kay naregny feo nivôlagna taminanjy hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anô no nagnenjika Anahy?" 5 Saoly namaly hoe: "Zôvy Anô, Tompo?" Aozin'ny Tompo: "Zaho no Jesosy zay injehinô, 6 fô mitsangàna, midira an-tanàgna, ary hivolagnina aminô zay tsy maintsy ataonô." 7 Ny lalahy zay niara-dià tamin'i Saoly de nijoro tsy nahavôlagna, naharegny ny feo, fô tsy nahita na izôvy na izôvy. 8 Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, kôfa nanôkatra ny masony izy, de tsy afaka nahita na ino na ino izy; kai nitantanan-jaré tamin'ny tagnany izy ary nindôsinjaré tagny Damaskosy. 9 Tsy nahita izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinagna izy no sady tsy nisotro. 10 Ary nisy mpianatra tao Damaskosy antsovigna hoe Ananiasy. Nivôlagna taminanjy tamin'ny fahitagna ny Tompo: "Ananiasy!" Aoziny: "Indro, tô zaho, Tompo." 11 Nivôlagna taminanjy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandihana agny amin'ny lalagna zay antsôvigna hoe Mahitsy, ary kôfa andragnon'i Jodasy de mangataha amin'lay lalahy avy agny Tarsosy antsôvigna hoe Saoly, fô mivavaka izy. 12 Aifa nahita tamin'ny fahitagna ny fihavin'ny ôlogna antsôvigna hoe Ananiasy izy ary hamaitraka ny tagnany aminanjy, kai mety hahita ndraika izy." 13 Fô namaly Ananiasy hoe: "Tompo, aifa naregny tamin'ny raha maro mômba io ôlogna io zaho, mikasika ny ratsy natôny tamin'ny ôlognanô masigna tao Jerosalema. 14 Nanagna fahifagna tamin'ire lôhan'ny mpisorogna izy mbô hisambotra zay ôlo jiaby magnatso ny Anaragnanô akéto." 15 Fô ny Tompo nivôlagna taminanjy hoe: "Mandihagna, fô izy de fitôvagna nifidiky, mbô hitôndra ny Agnarako alôhan'ny Jentilisa sy re mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16 fô asehoko ananjy hoe akôry ny fijaliàny noho ny amin'ny Agnarako." 17 Kai lasagna i Ananiasy, ary niditra tandragno. Namaitraka ny tagnany taminanjy, de nivôlagna izy hoe: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, zay niseho taminô tan-dalagna kôfa nandaiha atô anô, no nandaifa anahy tatô mbô mety hahiratanô ary ho feno ny Fagnahy Masigna." 18 Te no ho eo de raha karaha ny kiran-dôko no nindahany avy tamin'ny mason'i Saoly, ary nahita izy; nitsangana izy ary natao batisa; 19 ary nihinagna izy kai nahazo hery. Nipaitraka niaraka tamin'ire mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy. 20 Avy hatrany de nagnambara an'i Jesosy tamin'ny Synagoga izy, nivôlagna fô Izy no Zanak'Andriamanitra. 21 Zay naregny jiaby de magnana ary nivôlagna hoe: "Tsy ôlogna io mô no namono re tagny Jerosalema zay nagnatso tamin'io agnarana io? Tônga akèto izy mbô halaka anjaré ifatôragna ho agny amin'ny mpisorognabe." 22 Fô nanjary nahainahery i Saoly, ary nampahory ny Jiosy zay nonigna tao Damaskosy kai nagnaporofo fô Jesosy no Kristy. 23 Tafaran'ny andro maromaro, niara-nagnano ndrafitra mbô hamono ananjy re Jiosy. 24 Fô lasa fantatr'i Saoly ny tetikanjaré. Ary nandigny ny vavahady andro aman'aligna mbô hamono ananjy zaré. 25 Fô nalaka ananjy tandrohaligna re mpianany ary namela ananjy hirôrogna tamin'ny rindrigna, nandrôrogna ananjy tagnaty bazary. 26 Kôfa tônga te Jerosalema izy, de nagnandragna ny hagnatogna re mpianatra i Saoly, naifa natahotra ananjy daholo zaré, tsy nino fô mpianatra izy. 27 Fô nalaka ananjy i Barnabasy ary nitôndra ananjy tamin'ire Apostoly, ary nivôlagna taminjaré izy hoe akôry no nahitan'i Saoly ny Tompo tagny an-dalagna sy ny nivolagnan'i Tompo taminanjy ary akory no nitorian'i Saoly am-pasahiagna tamin'ny Agnaran'i Jesosy tao Damaskosy. 28 Nitrôtra taminjaré izy kôfa niditra ary niboaka an'i Jerosalema. Nivôlagna am-pasahiagna tamin'ny Agnaran'i Jesosy Tompo izy 29 ary niady hevitra niaraka taminjaré Helenista; naifa mbôla niaizaka ny hamogno ananjy foagna zaré. 30 Kôfa fantan're rahalahy zegny, de nindôsinjaré nirôrogna tagny Kaisaria izy ary nalaifagny ho agny Tarsosy izy. 31 Ary avy te, ny fiangonagna nagnairagna an'i Jodia jiaby, Galilia, ary Samaria nanagna fiadanagna ary voaorigna; ary, nandaiha tamin-tahotra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fagnahy Masigna, kai nitômbo isa ny fiangonagna. 32 De tônga zagny avahizo, kô nandaiha nagnairagna ny faritra jiaby Petera, de nandaiha nirôrogna tagny amin'iré mpino zay nipaitraka tao amin'ny tanagnan'i Lyda koà izy. 33 Nahita ôlogna antsovigna hoe Aenasy tao izy, zay aifa tam-pandriagna nandritra ny valo tôgno, satria nalemy izy. 34 Petera nivôlagna taminanjy hoe: "Aenasy, mampahivagna anô Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboaro ny fandriagnanô, ary niaraka taminjany de nitsangagna izy. 35 Fô zay nipaitraka jiaby tao Lyda sy tao Sarona de nahita ny lalahy kai nitodika tamin'ny Tompo zaré." 36 Ary nisy mpianatra raika antsovigna hoe Tabita tao Jopa, zay adika hoe: "Dorkasy." Nagnano asa soà baitsaka ioviavy io ary nagnano fagnampiagna feno asa fiantragna zay natôny ho an'ny mahantra. 37 Tamin'ire andro re de narary izy ary maty; kôfa nagnasa ananjy zaré, de napaitranjaré tao amin'ny efitragno ambony izy. 38 Satria aifa nariny an'i Lyda i Jopa, ary naregny re mpianatra fô takô Petera, de nandaifa ôlogna roa tagny aminanjy zaré, niangavy ananjy: "Mbô tongava agny aminay tsisy hatak'andro." 39 Nitsangagna Petera ary nandaiha niaraka taminjaré. Kôfa tônga izy, de nitôndra ananjy tao amin'ny efitra ambôny zaré, ary ny mpitondrataigna jiaby nitsangagna takilagny nitomoagny, nampiseho ananjy akanjo sy ny lamba zay natôn'ny Dorkasy tamin'izy niaraka taminjaré. 40 Nalaifan'i Petera tagny ivailan'ny efitra zaré jiaby, nandohalika, ary nivavaka; avy te, nitodika tamin'lay razagna, nivôlagna izy hoe: "Tabita, mitsangàna." De nanôkatra ny masony izy avy te, ary nahita an'i Petera izy de niarigna. 41 Avy te nanôlo-tagnana ananjy Petera ary nampitsangagna ananjy; ary kôfa nagnantso re mpino sy re mpitondrataigna izy, de nasehony taminjaré ny fahavilômany. 42 Lasa fantatra nagnairagna an'i Jopa jiaby zagny raha zagny, ary ôlogna maro no nino ny Tompo. 43 Taminjany Petera de nipaitraka andro maromaro niaraka tamin'lay lalahy raika antsôvigna hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko hoditra.