Tôko faha 10

1 Ary nisy lalahy raika tamin'ny tanagnan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin're antoko Miaramila Italiana. 2 Lalahy mpivavaka izy, lay raika zay midaira an'Andriamanitra miaraka amin'ny ankohonany jiaby; nagnomia vola baitsaka an're zay tanatin'ny tsy fahampiagna izy, ary nivavaka mandrakariva tamin'Andriamanitra. 3 Nanodidigna ny tamin'ny laira fahasivy mandraigna te ho eo, nahita mazava tamin'ny fahitagna anjelin'Andriamanitra nagnatogna ananjy izy. Lay anjely nivôlagna taminanjy hoe: "A Kornelio!" 4 Kornelio nibanjina lay anjely ary taigna natahotra kai nivôlagna hoe: "Fô ino tô, tompoko?" Lay anjely nivôlagna taminanjy hoe: "Re vavakanô sy re fagnomaizanô ho agny mahantra de tafakatra ho fanati-pahatsiarôvagna eo agnatraihan'Andriamanitra. 5 Ary magnasà lalahy hankagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa mbô halaka lay lalahy raika atao hoe Simona zay antsôvigna hoe Petera. 6 Mipaitraka miaraka amin'ny mpandôko hoditra antsôvigna hoe Simona izy, zay agny amôron-dranomasigna ny tragnony." 7 Kôfa lasagna lay anjely zay nikoragna taminanjy, de nagnantso ny roa tamin'ny mpanompony tan-tragno i Kornelio, ary miaramila mpivavaka raika tamin'ire zay nanompo ananjy. 8 Kornelio nivôlagna tamijaré zay raha jiaby nitranga ary nandaifa anjaré tagny Jopa. 9 Ary ny amaraigna nagnodidigna ny laira faha-enina teo, kô mbôla tagny an-dalagna zaré kai nagnatogna ny tanàgna, de niakatra tagny ambony tafon-tragno i Petera mbô hivavaka. 10 Nanomboka nahay tihinagnana izy avy te kai nizaha raha ho anigna, kanaifa raha mbôla te am-pandrahoagna hanigna ny ôlogna, de nahita fahitagna izy, 11 ary nahita ny lagnitra nisôkatra izy sy fitahirizana raika nirôrogna, kara lamba be mirôrogna atô an-tany, ampandrorôgnina amin'ny zôrony efatra. 12 Tao no nisy karazam-biby manan-tongotra efatra sy raha zay mandady jiaby ambôn'ny tany, ary ny voron'ny lagnitra. 13 De nisy fe nivôlagna taminanjy hoe: "Mitsangàna, ry Petera, mamonoà ary mihignàna." 14 Fô i Petera nivôlagna hoe: "Ahe, Tompo; fô mbôla tsy nihinagna raha zay voarara sy tsy madio mihitsy zaho." 15 Saingy tônga taminanjy ampagnidroa ndraika lay feo hoe: "Zay nodiovin'Andriamanitra, de tsy antsôvigna hoe fady." 16 Niseho in-telo zagny; ary avy te lay fitahirizagna de nierigna niakatra teo no ho eo tagny an-dagnitra. 17 Ary kôfa very hevitra momba ny dikan'lay fahitagna zay hitany i Petera, de indro, re lalahy zay nalaifan'i Kornelio nitsangagna talôhan'ny vavahady, avy te zaré de nagnontagny zay lalanjaré mankao an-tragno. 18 De nagnantso zaré ary nagnontagny an'i Simona, natsôvigna koa hoe Petera, zay nidôka te. 19 Ko mbôla nieritreritra momba lay fahitana i Petera, de nivôlagna taminanjy ny Fagnahy hoe: "Indro, lalahy telo no mizaha anô. (Fagnamarihagna: Ny amin'ny dikan-teny talôha de hoe: "Lalahy ro no mizaha anô" na "misy lalahy sasan-tsasagny mizaha anô.") 20 Mitsangàna ary mandrorôgna kai miaraha aminjaré. Aza misalasala miaraka aminjaré, satria Zaho no nandaifa anjaré. 21 Ary Petera nirôrogna tagny amin'ire lalahy re kai nivôlagna hoe: "Zaho lay zahanaré. Ino no antony nahatongavanaré?" 22 Aozinjaré: "Ny kapiteny antsovigna hoe Kornelio, lalahy marigna ary ôlogna zay midaira an'Andriamanitra, ary tsara laza agny amin'ny firenegnan'ny Jiosy jiaby, zay nivôlagnin'anjely masign'Andriamanitra mbô halaka anô ho agny an-dragnony, noho zagny de afaka mitandregny ny hafatra avy aminô izy." 23 De nagnasa anjaré hiditra sy hidôko hiaraka aminanjy Petera. Ny amaraignan'iny de nitsangana izy kai niaraka taminjaré, ary ny sanagny tamin're rahalahy avy agny Jopa de nagnaraka ananjy. 24 Ny andro magnaraka de nankao Kaisaria zare. Kornelio de nandigny anjaré; nantsôviny niaraka ny havany sy ny namany mariny. 25 Ary taminjany kôfa niditra Petera, nifankahita taminy i Kornelio ary niankôhotra teo an-tongony mbô hidaira ananjy. 26 Fô Petera nagnampy ananjy, nivôlagna hoe: "Mitsangàna! Zaho koa de ôlogna foàgna." 27 Kô mbôla nikoragna niaraka taminanjy i Petera, de niditra izy ary nahita ôlogna maro be niara-niokogna. 28 Aoziny taminjaré hoe: "Ny taignanaré mahay fô tsy ara-dalagna ho an'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy ôlogna avy amin'ny firenegna hafa. Fô Andriamanitra naneho taminahy fô tsy tôkony hagnantso ôlo-pady na tsy madio zaho. 29 Zagny no antony nahatongavako tsisy fanakantsakanagna, kôfa nasainy Zaho. Kai magnontany anaré zaho hoe nanigno anaré no magnasa anahy." 30 Kornelio nivôlagna hoe: "Efatra andro mialohan'zao laira zao, de nivavaka tao an-tragnoko zaho tamin'ny laira fahasivy; ary nahita, lalahy raika nitsangana talôhako nagnano akanjo nangilagilatra. 31 Aoziny hoe: 'A Kornelio, aifa regnin'Andriamanitra ny vavakanô ary re fagnomaizanô' ho an're mahantra de mampatsiaro an'Andriamanitra ny mômba anô. 32 Noho zegny de magnasà ôlogna ho agny Jopa, ary antsôvy mankagny aminô lay lalahy atao hoe Simona zay antsôvigna hoe Petera. Mipaitraka an-tragnon'i Simona mpandon-koditra" antsôvigna hoe: Simona izy, zay agny amôron-dranomasigna.' (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de magnampy hoe: "Kôfa tônga Izy, de hikoragna aminô." ) 33 Ary avy hatrany de nalaifako ho anô. Tsara fahatongavagna anô. Ary avaizo, antsika jiaby tônga aketo amason'Andriamanitra, mbô hitandregny re raha zay nivolagnin'ny Tompo anaré no volagnina. "(Fagnamarihagna: "Kôfa tôkony ho: "nivolagnin'ny Tompo no volagnina" no eo, de ny dikan-teny talôha de hoe: "nivolagnin'Andriamanitra no volagnina.") 34 Avy te de nanôkatra ny vavany Petera ary nivôlagna hoe: "Marigna tikoatra, fantako fô Andriamanitra de tsy miandagny na aminjôvy na aminjôvy. 35 Fô, agny amin'ny firenena tsiraikiraiky na akaiza na akaiza no midaira sy magnano asa marigna de ikeny aby." 36 Fantatranaré lay hafatra zay nalaifany ho an'ny ôlon'Israely, kôfa nagnambara filazantsara mômba ny fiadanagna avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy izy, zay Tompon'ny raha jiaby. 37 Ny taignanaré de mahay re raha niseho zay taigna nitranga tao amin'ny toairagna jiaby tagny Jodia, nanomboka tagny Galilia, tafaran'ny Batisa zay nivolagnin; i Jaona; 38 re raha nitranga mikasika an'i Jesosin'ny Nazareta, ny fômba nagnosôron'Andriamanitra ananjy tamin'ny Fagnahy Masigna sy tamin'ny hery. Nandaiha nagnano soà Izy sady nampahivagna re zay voagaijan'ny devoly jiaby, satria Andriamanitra de niaraka taminanjy. 39 Isika de vavolombelon're raha vitan'i Jesosy jiaby, tagny amin'ny tanin'ny Jiosy sy tagny Jerosalema. Nivoninjaré Izy tamin'ny alalan'ny fagnantôgnana Ananjy tamin'ny kakazo, 40 fô Andriamanitra nanangagna Ananjy tamin'ny andro fahatelo ary nagnano zay hahitagna Ananjy, 41 tsy re ôlogna jiaby, fô re vavolombelogna zay voafidin'Andriamanitra mialôha-tamintsika zay nihinagna sy nisotro niaraka taminanjy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 42 Nandidy anay izy mbô hagnambara amin'ny ôlogna sy hijoro vavolombelogna, fô izy lay raika nifidin'Andriamanitra ho Mpitsaran'ny velogna sy ny maty. 43 Ho Ananjy no hijoaran'ny mpaminagny jiaby vavolombelogna, mbô re zay mino ananjy no handray famelan-keloka amin'ny alalan'ny Agnarany. 44 Kô mbôla nivolagna zagny raha zagny i Petera, de nilatsaka taminjaré jiaby zay nitandregny ny hafany ny Fagnahy Masigna. 45 Re ôlogna tao anatin'ny vôndron'ny mpino voafora-reo jiaby zay niaraka tamin'i Petera-de magnana, satria ny fagnomaizan'ny Fagnahy Masigna de nirotsaka ho an'ny Jentilisa koà. 46 Fô regninjaré re Jentilisa zay nivôlagna amin're fivolagnana hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. De namaly Petera hoe: 47 Misy mô ôlogna afaka mitagna rano mbô tsy hagnanovagna batisa anjaré, re ôlogna zay mandray ny Fagnahy Masigna karaha antsika koa? 48 De nandidy anjaré mbô atao batisa amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka ananjy zaré mbô hipaitraka hiaraka aminjaré mandritry ny andro vitsivitsy.