Tôko faha 11

1 Ary ré apostoly sy iré ralahy zay tagny Jodia naharegny fô iré jentilisa foàgna koà de nandray ny tenin'Andriamanitra. 2 Kôfa niakatra tagny Jerosalema i Petera, iré zay tao amin'ny antokon'iré voafôra nanakiagna ananjy; 3 aozinjaré hoe: "Anô nikambagna niaraka tamin'iré lalahy tsy voafôra sady nihinagna niaraka taminjaré." 4 Fô Petera nanomboka hagnazava ny raha-nitranga taminjaré tamin'ny antsipirihiny; aoziny hoe: 5 "Nivavaka tagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa zaho, ary nahitagna ny amin'ny fisian-javatra raika zay nirôrogna, karaha ny lamba maventy nahidigna avy agny an-dagnitra tamin'iré zôrony aifatra zaho. Nirôrogna taminahy také zagny. 6 Nimbanjigna zagny zaho ary nisaintsaigna mômba zagny. Nahita iré biby manan-tongotra aifatry ny tany, iré biby dia, iré biby mandady, ary iré vôrogna agny amin'ny lagnitra zaho. 7 Avy te zaho de naregny fe nivôlagna taminahy hoe: "Mitsangàna, ry Petera; mamono ary momoàna." 8 Azaho hoe: "Ahe, a Tompo; fô tsy mbôla nisy raha tsy masigna na maloto mitsy niditra tam-bavako tato." 9 Fô lay feo namaly avy agny an-dagnitra ndraiky hoe: "Zay nambaran'Andriamanitra fô mady, aza atôno maloto." 10 Niseho in-telo zagny, ary avy te de nalaigna niherigna niakatra tagny an-dagnitra draiky ny raha jiaby. 11 Indro, teo no eo de nisy telo lahy nitsangagna teo anolôan'ny tragno zay nisy anahy; nalaifa avy tagny Kaisaria nankaty amiko zaré. 12 Ny Fagnahy de nandidy anahy hiaraka aminjaré, ary tsy tôkony hagnisy fizahan-tava aminjaré, ary tsy tôkony hagnisy fizahan-tava aminjaré zaho. Iré ralahy enina iré de nandaiha niaraka taminahy, ary nandaiha nankao an-tragnon'lay lalahy zahay. 13 Izy nivôlagna taminay ny nahitany anjely raika nitsangagna tao an-tragnony ary nivôlagna hoe: "Magnàsà lalahy agny Jopa ary indôso miherigna i Simona zay antsôvigna hoe Petera. 14 Izy de hilaza hafatra raika aminô zay havoavonjy anô - anô sy ny ankohonagnanô jiaby." 15 Kôfa vô nanomboka nivôlagna taminjaré zaho, ny Fagnahy Masigna de tônga taminjaré, karaha ny nirorôgnany taminay, tagny am- bôlôhany. 16 Tsaroako ny tenin'ny Tompo, ny nivolagnany hoe: "Jaona nagnano batisa tamin'ny rano tokoàtra; fô anaré de mila hatô batisa ao amin'ny Fagnahy Masigna." 17 Koà raha Andriamanitra nagnomià anjaré ny fagnomaizagna mitovy amin'zay namiàny antsika tamintsika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, zôvy zaho, no ho afaka hanôhitra an'Andriamanitra?'' 18 Kôfa regninjarè zagny raha zagny, tsy nivôlagna na ino na ino hindôsigna mamaly zaré, fô nidaira an'Andriamanitra ndraika zaré ary nivôlagna hoe: "Ary Andriamanitra nagnomià fibaibahagna ho fiainagna ho an'iré jentilisa koà." 19 Ary iré zay naparaitaka noho ny fagninjaihagna zay niatomboka tamin'ny fafataisan'i Stefana de nisaely lavitra tagny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fô zaré de nivôlagna ny hafatra mômba an'i Jesosy tamin'iré Jiosy raika foàgna. 20 Fô ny sanagny taminjaré, iré lalahy avy agny Kyprosy sy Kyrena, de nandaiha tagny Antioka ary nikoragna tamin'iré Grika foàgna koà, nivôlagna taminjaré ny filazantsara mômba ny Tompo Jesosy. 21 Ny tagnàn'ny Tompo de niaraka taminjaré; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo. 22 Iré vôvô mômba anjaré de tônga tantadignin'ny fiangonana tao Jerosalema, ary zaré nagnàsa an'i Barnabasy hatrany Antioka. 23 Kôfa tônga izy kay nahita ny fagnomaizan'Andriamanitra, de falifaly izy; ary izy nampahery anjaré mbô hipaitraka miaraka amin'ny Tompo amin'ny fônjaré jiaby. 24 Satrià izy de lalahy tsara sady feno ny Fagnahy Masigna sy finoagna, ary ôlogna maro no niampy ho an'ny Tompo. 25 De nandaiha nankagny Tarsosy i Barnabasy mbô hizàha an'i Saoly. 26 Kôfa hitany izy, de nindôsiny tagny Antioka. Ary nandritry ny herintôgno angarangidiny zaré de niara-niokogna niaraka tamin'ny fiangonagna ary nampianatra ôlogna maro. Iré mpianatra de nantsôvigna vôlohany hoe Kristiana takô Antioka. 27 Ary tamin'zagny andro zagny de nisy mpaminagny maromaro nirôrogna avy tagny Jerosalema nankagny Antioka. 28 Raika taminjaré, i Agabo no agnantsôvagna ananjy, nitsangagna ary nitoroan'ny Fagnahy fô hisy silôgna be hitranga magnairagna izao tontolo zao. Nitranga zagny tamin'ny andron'i Klaodio. 29 Noho zagny, iré mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraikiraiky aby, de nanapa- kevitra ny handaifa fagnapiagna ho an'iré rahalahy tagny Jodia. 30 Nagnano zagny zaré; nandefa vôla ho an'iré lôhôlogna zaré tamin'i Barnabasy sy Saoly.