Tôko faha 12

1 Ary tamin'zagny andro zagny Heroda mpanjaka nisambotra iré sanany zay an'ny fiangonagna mbô hahafahany mampijaly zaré. 2 Nivoniny tamin'ny sabatra Jakoba ralahin'i Jaona. 3 Ary kôfa hitany fô nahafaly iré Jiosy zagny, de nagnano zay hisambôragna an'i Petera koà izy. Zagny de nandritry ny andron'ny môfo tsisy masirasira. 4 Kôfa avy nisambôrigna izy, de natôny tam-ponja izy ary nanendry miaramila aifa-tôko hiambigna ananjy, nikasa hitôndra anazy eo amin'ny ôlogna afaran'ny Paska izy. 5 Noho zagny de nitagnany tao am-ponja Petera, fô nivavaka de naton'iré zay tam-piangonagna mafy kokoà tamin'Andriamanitra ho ananjy. 6 Ny aligna alôhan'ny titondran'i Heroda ananjy hitsaraigny, Petera de nandry te agnivon'ny miaramila roa, voafatotra tamin'ny rôjo roa, kô mbôla nidôko niambigna ny fonja ny miandry talôhan'ny tamiagna. 7 Indro nisy anjelin'ny Tompo niseho Tampoka tankilany, ary nisy hazavagna namiratra tagnatin'ny efitry ny fonja. Namely an'i Petera te amin'ny ilany izy ary namôha ananjy ka nagnano hoe: "Mitsangàna malaky," ary iré rôjony niala tamin'ny tagnany. 8 Ny anjely nivôlagna taminanjy hoe: "Magnatôva lamba ary atôvy ny kiraronô." De natôn'i Petera araka zagny. Ny anjely nivôlagna taminanjy hoe: ''Atôvo ny lambanô ivailany ary magnaraha anahy.'' 9 De nagnaraka lay anjely Petera ary nivoaka. Tsy fantany fô iré naton'ny anjely de taigna izy. Nihevitra izy fô nahita fahitagna. 10 Kôfa nandalo tamin'ny mpiambigna vôlôhany sy faharoa zaré,de tônga tamin'ny vavahady vy zay mitôndra mankagny amin'ny tanàgna; nisôkatra ho azy tamin-jaré zagny.Nivoaka zaré ary nirôrogna tamin'ny lalagna raika, ary lay anjely nandô ananjy avy hatrany. 11 Kôfa niherigna tamin'ny taignany i Petera nivôlagna izy hoe: "Avaizo de fantako marigna fô ny Tompo no nandaifa ny anjeliny ary nagnafaka anahy tamin'ny tagnan'i Heroda, sy tamin'ny raha jiaby zay dignaisan'ny Jiosy hiseho. 12 Kôfa tônga saigna tamin-jany izy, de nankagny amin'ny tragnon'i Maria renin'i Jaona, antsôvigna koà hoe Marka, zay nisy ôlogna maro niangogna sy nivavaka. 13 Kôfa nandondogna te am-bavahady izy, nisy mpanompo vavy raika antsôvigna hoe Roda tônga namaly. 14 Kôfa hainy ny feon'i Petera, tamin-kafaliagna de tsy nahavita nanôkatra tamiagna izy; fô nandaiha niazakazaka nankagny an-tragno izy, nitateriny fô Petera nijoro teo an-tamigna. 15 De nivôlagna taminjare hoe: "Adala anô." Fô nagnizingizigna izy fô zagny no izy. Nivôlagna zaré hoe: "Ny Anjely zagny." 16 Fô Petera nanohy nandondogna, ary kôfa nisokafinjaré ny tamiagna, de nahita ananjy zaré ary magnana. 17 Petera nagnetsika ny tagnany taminjaré mbô hangigna, ary nivolagniny taminjaré ny fomba nitondran'ny Tompo ananjy nivoàka ny fonja. Aozy hoe: "Tatero amin'i Jakoba sy iré ralahy zagny raha zagny.'' De niala izy ary nandaiha tamin'ny toairagna hafa. 18 Ary kôfa nazava ny andro, de tsy nisy fientanam-pô hely te amin'ny miaramila ny amin'zay hitranga tamin'i Petera. 19 Kôfa avy nizaha ananjy i Heroda ary tsy nahita ananjy, de nagnadiady ny mpiandry izy ary nandidy aninjaré mbô hivonigna. De nirôrogna avy agny Jodia nankagny Kaisaria izy ary nipaitraka tagny. 20 Ary Heroda de vignitra mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra sy Sidona. Niara-nankagny aminjaré. Nandresy lahatra an'i Blasto zaré, lay mpagnampin'ny mpanjaka, mbô hagnampy aninjaré. De nangataka fihavanagna zaré, satrià ny tanagnanjaré de mandray hanigna avy amin'ny mpanjakan'ny tanàgna. 21 Tamin'ny andro voatôndro Heroda de nagnatô lamba lamban'ny mpanjaka ary nipaitraka té amin'ny seza fiandrianagna; nikabary taminjaré izy. 22 Niafatra ny vahoàka: ''Zagny de feon'andriamanitra, fô tsy an'ôlogna!'' 23 Teo no eo de nisyanjelin'ny Tompo namely ananjy; satrià tsy nagnomià voninahitra an'Andriamanitra izy; nohanin'ny kankagna izy de maty. 24 Fô ny tenin'Andriamanitra nitômbo sy nahaimaro. 25 Kôfa vitan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nagnasagna aninjaré, de niherigna avy tagny [Ny sanany amin'iré dika sôratra aifa aila mivôlagna hoe: "Zaré niherigna tagny Jerosalema"] Jerosalema zaré, taminjaré, zay nantsôvigna koà hoe Marka.