Tôko faha 13

1 Ary takô amin'ny fiangonagna takô, Antioka, de nisy paminany sy papianatra maro takô.Zare de Barnabasy, Simona (zay antsôvigna hoe Nigera), Lisiosa avy amin'i Sirena, Manaena (lay ralahy zay niôlonono tamin'i Heroda panapaka), ary Saoly. 2 Raha mbôla nidaira ny Tompo sy nifady hanigna zare, ny Fagnahy Masigna nivôlagna hoe: "Atokano ho Anahy i Barnabasy sy Saoly, mbô hagnano ny asa zay nagnatsôvako ananjy irè.'' 3 Tavafaran'ny nifandianjare hanigna, sy nivavahany, ary namaitrahan-jaré tagnana tamin'ire, lalahy irè, zare de nalaifanjare. 4 Kay nagneky ny Fagnahy Masigna i Barnabasy sy Saoly kay nandaiha niditra nankagny Selosia; avy nivôlagna zare de nandaiha agnaty Sambo ho agny amin'ny nosin'ny Sipro. 5 Kôfa takô amin'ilay tanagnan'ny Salamina zare, de nitory ny tenin'Andriamanitra takô amin'ny Synagogan'ire Jiosy zare. Ary nanagna an'i Jaona Marka koà zare mbô ho panampy ananjy irè. 6 Ary kôfa namakivaky ny nôsy raika jiaby mandaikagny Pafosy zare, de nahita mpagnano ody, zay paminany Jiosy sandoka, ary ny agnarany de Bara Jesosy. 7 Mpagnano ody zay niara-niasa tamin'ire Governora, Serjio Paolosy, zay lalahy taigna mahay. Nisambôrin'i lalahy i Barnabasy sy Saoly, satrià tiaregny ny tenin'Andriamanitra izy. 8 Fô Elimasy "mpagnano ody'' (zegny no nandikagna ny agnarany) nanôhitra azy irè; ary nihaizaka ny hagnodigna ny Governora hiala amin'ny finoagna izy. 9 Fô i Saoly, zay atsôvigna koa hoe Paoly, de feno ny Fagnahy Masigna, ary nandinika ananjy tsara. 10 Ary nivôlagna hoe: "Aô ry zanaky Devoly, anô de feno karazam-pitaka sy faharatsiagna jiaby. Fahavalon'zay marigna jiaby anô. Tsy hidôko ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy anô, sa tsy zegny? 11 Fô indro avahizo, ny tagnan'ny Tompo aminô, kai ho tonga jamba anô. Ary tsy hahita ny masoandro alôha anô." Te no eo de nilatsaka tamin'i Elimasy ny fanjavôgnana sy fahizignana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ôlogna izy mbô hitantana ananjy aminy tagnana. 12 Kôfa avy nahita zay raha niseho ny Governora, de nino izy, satria magnana tamin'ny fampianaragna mômba ny Tompo izy. 13 Ary Paoly sy namany de lasagna niantsambo avy agny Pafo de nankagny amin'ny Perga agny Pafilia, fô Jaona ndaika nandao anjaré ary nierigna tagny Jerosalema. 14 Paoly sy re namany de nandaiha avy tagny Perga ary nankagny Antiokan'i Pisidia. Ary tao de nandaiha nankagny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata zaré ary nipaitraka. 15 Tafaran'ny famakiagna ny lalàgna sy ny mpaminagny, de nandaifa hafatra tagny amjaré ny mpitariky ny Synagoga nivôlagna hoe: "Ry rahalahy, kô magnana hafatra fampaherezagna ho an'ny ôlogna aketo anaré, de volagno zegny." 16 Kai nitsangagna Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, nivôlagna hoe: "Ry ôlon'Israely ary anaré zay magnomia voninahitra an'Andriamanitra, mitandrignaisa. 17 Ny Andriamanitry ny ôlon'Israely de nisafidy ny raintsika ary nampitômbo isa ny ôlogna kôfa nipaitraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratagna ny sandriny no nitarihany anjaré hivoaka tao. 18 Ary nandritry ny efapôlo tôgna te ho eo no nandifairagny taminjaré tagny an'efitra. (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de mivaky karanjô: "Nandritry ny efapôlo tôgna eo ho eo de niahy anjaré tagny an'efitra izy.") 19 Ary kôfa avy nandrava firenegna fito tagny amin'ny tany kanana izy, de namiany ny vahoakantsika ny taninjaré mbô ho lova. 20 Zagny raha jiaby niseho zagny de aifa tamin'ny faha dimampôlo sy efa-jato tôgna. Tafaranjany raha jiaby zagny, Andriamanitra nanomia mpitsara anjaré mandra-piavin'i Samoela mpaminagny. 21 De nangataka mpanjaka ny ôlogna avy te, ary Andriamanitra nanomia anjaré an'i Saoly zanaka lahin'i KIsa, lalahy zay avy amin'ny fokon'i Benjamina mbô ho mpanjaka mandritry ny efopôlo tôgna. 22 Ary avy te Andriamanitra nagnala ananjy tamin'ny fanjakany, kai nanandratra an'i Davida mbô ho mpanjakan-jaré. Fô zagny no nivolagnin'Andriamanitra mômba an'i Davida hoe: "Aifa nahita an'i Davida zanak'i Jesea Zaho mbô ho ôlon'ny foko, zay hagnano zay raha jiaby tiako hataony." 23 Fô avy amin'ny taranak'io lalahy io no hitondran'Andriamanitra mpanavotra ho an'Israely, de i Jesosy, araka zay aifa nampagnatinainy atô. 24 Nanomboka niseho zagny, talôhan'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlôhany tamin'ny vahoakan'Israely jiaby mômba ny batisan'ny fibebahagna. 25 Satria Jaona aifa nahavita ny asany, de aoziny: "Zôvy no eritreretinaré anahy? Tsy zaho ilay Izy. Fô tandrignaiso, hisy raika ho avy afarako, ary ny kiraron'ny tongony de tsy hahamendrika anahy ny hamaha ananjy. 26 Ry rahalahy, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary zay ôlo-jiaby midaira an'Andriamanitra aminare, ho antsika no nandifasagna zagny hafatra momban'ny famonjena zagny. 27 Fô re zay mipaitraka agny Jerosalema, sy ny mpitondran-jaré, de tsy nahafantatra Ananjy, kai tantairan-jaré ny voalazan'ny mpaminagny zay vakigna isan-tsabata ny amin'ny fagnamilôhagna ananjy. 28 Na de tsy mahita antony tsara hamonoagna ananjy aza zaré, de nangataka tamin'i Pilaty foagna mbô hamono Ananjy. 29 Kôfa tantairan-jaré ny raha jiaby zay vôsôratra mômba Ananjy, de narôron-jaré tamin'ny kakazo Izy ary nampandreny tam-pasagna. 30 Fô Andriamanitra ndraika nampitsangagna Ananjy tamin'ny maty. 31 Ary hitan-jaré zay niara-niaka taminy avy tagny Galilia mankagny Jerosalema Izy nandritriny ny andro maromaro. Ary avahizo de re ôlogna re no vavolombelony ho an'ny ôlogna. 32 Noho zagny zahay nivôlagna aminaré ny filazantsara zay nampanantainain'Andriamanitra tamin'ny raintsika zay aifa tantairany ho antsika, 33 zanan-jaré, tamin'ny nananganan'i Jesosy. Arak'zay aifa voasôratra ao amin'ny Salamo faharoa hoe: 'Zanako anô, igniany de ho tônga Rainô Zaho.' 34 Ny antony nananganagna Ananjy tamin'ny maty de ny mbô tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra nivôlagna karanjô: 'Hamiako anaré ny fitahiagna masigna sy azo antoka nampanantaignaina an'i Davida.' 35 Zagny koa no nahatônga ananjy nivôlagna tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamela lay Masigna hahita ny lo Anô." 36 Satria kôfa nagnatantairaka re fanirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida de resin-tory izy, kai nampandregna niaraka tamin're rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalôvagna. 37 Fô izy zay natsangan'Andriamanitra de tsy niharan'ny faharavagna. 38 Ôka ho hainaré zagny, ry rahalahy, fô tamin'ny alalan'io lalahy io no nagnambaragna taminaré ny famailagna ny fahotagna. 39 Amin'ny alalany ôlogna tsiraikiraiky zay mino de voamarigna amin'ny raha jiaby zay mety tsy ho voamarign'io lalàgnan'i Mosesy io. 40 Kai mitandraima mbô tsy hiseho aminaré zay raha nivolagnin'ny mpaminagny hoe: 41 "Indro, anaré mpagnano tsinotsinogna, de ho magnana ary ho levogna. Fô Zaho magnano asa amin'ny andronare, Asa zay tsy ninoanaré mihitsy, na de misy ôlogna magnambara zagny aminaré aza." 42 Kôfa lasagna i Barnabasy sy i Paoly, de niangavy ananjy ny ôlogna mbô hitorianjaré re teny re foagna amin'ny Sabata magnaraka. 43 Kôfa tapitra ny fivoriagna tao amin'ny Synagoga, de maro tamin're Jiosy sy re proselita mahafatra-po no nagnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, zay nivôlagna taminjaré sy nampirisika ananjy mbô hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Tamin'ny Sabata magnaraka, de saiky ny tanàgna manontolo no niaraka niangona mbô haregny ny tenin'ny Tompo. 45 Kôfa nahita re vahoaka ny Jiosy, de feno fialôgnana zaré ary nivôlagna nanôhitra re raha zay nivolagnin'i Paoly sy nagneso ananjy. 46 Fô Paoly sy Barnabasy nivôlagna am-pasahiagna hoe: "Ilaina ho voalaza aminaré mialôha ny tenin'Andriamanitra. Fô kôfa manôsika zagny anaré ary mihevitra ny taignanaré ho tsy mendrika ny fiainagna mandrakizay, de indro, hierigna agny amin'ny Jentilisa zahay. 47 Araka zay aifa nandidian'ny Tompo anay, magnano hoe: "Napaitrako mbô ho fahazavagnan'ny Jentilisa anaré, zagny no tôkony hitondranaré famonjegna ho an're zay agny amin'ny fara-vazan-tany." 48 Kôfa nandre zagny ny Jentilisa, de faly sy nidaira ny tenin'ny Tompo. Ary maro re zay voatendry ho amin'ny finoagna ny fiainagna mandrakizay no nino. 49 Ary ny tenin'ny Tompo de niely eraky ny faritra manontolo. 50 Fô ny Jiosy ndraika de namporisika re viavy mahafatra-po sy manan-danja, sy re lalahy mpitarika tan-tanàgna. Nitairaka fagninjaihagna ho an'i Paoly sy Barnabasy zagny ary nanipy anjaré ho agny ivailan'ny sisin-tanin'ny tanàgna. 51 Fô Paoly sy Barnabasy nanintsagna ny vôvoka tamin'ny tongonjaré mbô hanohairagna anjaré. Ary avy take zaré de nankagny amin'ny tanàgnan'i Ikoniama. 52 Ary ny mpianatra de feno hafaliagna sy ny Fagnahy Masigna.