Tôko faha 14

1 Ary tamin'zagny tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra takô amin'ny Synagogan'ny jiosy kay nikoragna tam-pahavitrihagna ary ny vahoàka marine Jiosy sy Grika de nino. 2 Fô ny Jiosy zay tsy nagneky ndraiky de nagnakorontagna ny fisaignan'ny Jentilisa kay nahatônga zaré hanôhitra iré ralahy. 3 Kay nipaitraka aila také zaré, nivôlagna am-pasahiagna niaraka tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nagnomiazany porofo mahakasika ny hafatra ny amin'ny fahasoavany. Izy nagnano njany tamin'ny alalan'ny famantaragna sy fahagagagna zay natô tamin'ny alalan'ny tagnan'i Paoly sy Barnabasy. 4 Saingy ny ankamaroàn'ny tanàgna de nizarazara: ny ôlogna sanany niandagny niaraka tamin'iré Jiosy, ary ny sanany niaraka tamin'iré Apostoly. 5 Kôfa nagnandragna nandresy lahatra ny mpitarika zaré ny jentilisa sy ny Jiosy mbô hamono sy hitôra-bato an'i Paoly sy Barnabasy, 6 de nanjary nivony zaré ary nilaifa nalaky tagny an-tanàgnan'ny Lykaonia, Lystra sy Derbe, ary iré tanàgna magnodidigna ny faritra, 7 kay tagny zaré no nagnambara ny filazantsara. 8 Nisy lalahy raika nipaitraka tao Lystra, malemy ny hongony, avy tan-kibon-dreniny, zay aifa tsy nandaiha hatramin'zay. 9 Io lalahy io naregny an'i Paoly nivôlagna. Paoly nagnatrika ananjy tsara teo amin'ny masony kay nahita fô managna finoàgna ny hahivagna izy. 10 Ke aoizy tamin'ny feo mahery hoe: "Mitsagàna amin'ny tongonô." Noho avy te lay lalahy de nisôtisôty ary nandaiha tamin'ny manodidigna. 11 Kôfa nahita zay natôn'i Paoly iré vahoàka maro be de nanandratra ny feony zaré, nivôlagna tamin'ny fitenin'ny Lykonia hoe: "Nirôrogna avy agny an-dagnitra ho amintsika amin'ny endrik'ôlogna iré andriamanitra.' 12 Nagnatso an'i Barabasy zaré hoe "Jopitera," ary Paoly ''Merkory", satrià izy no mpandaha-teny. 13 Ny mpisoron'i Jopitera, zay ny eglizy de té ivailan'ny tagnàna, de nitôndra aomby sy fehilôha vy té am-bavahady; izy sy ny vahoàka marobe nikasa hagnomià sorogna. 14 Fô ny Apostoly, Barnabasy sy Paoly, kôfa naregny zagny de nandrôta ny lambany zaré kay nandaiha nalaky agnaty vahoàka, nitaraigna sy nivôlagna hoe: 15 "A lalahy, nagnino anaré no magnano zô raha zô? Zahay koà de ôlombelogna mitovy fatsapagna aminaré koà. Zay mitôndra ny filazantsara ho anaré, mbô hitodihanaré hiàla amin'zô zava-poagna zô ho agny amin'Andriamanitra velogna, zay nagnano ny lagnitra, sy ny tany, ary ny ranomasigna sy ny raha jiaby zay ao aminy. 16 Tamin'ny andro talôha, Izy de mamaila ny firenegna jiaby nandaiha tamin'ny lalany manôkagna aby. 17 Kanaifa, Izy de tsy namaila ny taignany tsy hisy vavolombelogna, taminjagny de nagnano ny tsara Izy ary nagnomià anaré ranon'ôragna avy agny an-dagnitra sy vanim-potoagna mahavokatra, kay hameno ny fônaré amin'ny hanigna sy firavoravoàgna.'' 18 Fô na de taminjagny teny zagny aza, Paoly sy Barnabasy de tsy nitsahatra nitagna ny vahoàka be tsy hagnano sorogna ho anjaré. 19 Fô ny Jiosy sanany avy ao Antiokia sy Ikonioma de tônga ary nandresy lahatra ny vahoàka. Zaré nitôra-bato an'i Paoly sy nitarika ananjy hivoàka ny tanàgna, ary nieritreritra fô maty izy. 20 Ary kô mbôla nijoro nagnodidigna ananjy te iré mpianatra, de nitsangagna izy ary niditra ny tanàgna. Ny amaraigna igny,de nandaiha nankagny Derbe niaraka tamin'i Barnabasy izy. 21 Avy te zaré nagnambara ny filazantsara tao amin'zagny tanàgna zagny kay nahazo mpianatra maro, tagny Ikonioma, sy tagny Antiokia. 22 Zaré de nanohy nampahery ny fagnahin'iré mpianatra ary namporisika ananjy mbô hanohy ao amin'ny finoagna, no sady nilaza fô: "Tsy maintsy amin'ny fahoriagna maro be no hidirantsika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." 23 Kôfa nanendry lôhôlogna ho anjaré té amin'isam-piangonagna zaré, sy nivavaka tamin'ny fifadian-kanigna, de natôlonjaré ho an'ny Tompo zagny, zay ninoanjaré. 24 De nandalo tamin'ny Pisidia zaré kay tônga tao Panfilia. 25 Kôfa nagnambara ny teny tao Perga zaré, de nandaiha nirôrogna tagny Atalia. 26 Avy tagny zaré no niantsambo nirôrogna ho agny Antiokia, zay nahazoanjaré ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'ny asa zay vitanjaré avaizo. 27 Kôfa tônga tao Antioka zaré ary nagnokogna niaraka ny fiangonana, de nitatitra ny raha jiaby zay vitan'Andriamanitra taminjaré, sy hoe akôry no namoahany tamiagnan'ny finoagna ho an'iré Jentilisa. 28 De nidôko fotoagna aila niaraka tamin'iré mpianatra zaré.