Tôko faha 15

1 Ny ôlogna sanany de nirôrogna avy tagny Jodia hatrany Antiokia ary nampianatra re rahalahy, kai nivôlagna hoe: "Kô tsy vita famoragna araka ny fomba fatôn'i Mosesy anaré, de tsy ho voavonjy anaré." 2 Zagny de nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tagnaty fifandiragna sy ady hevitra taminjaré. Noho zagny i Paoly sy i Barnabasy de voatendry niaraka tamin'ny sanagny hafa taminjaré hiakatra agny Jerosalema mbô hitrôtra amin're apostoly sy re lôhôlogna mômba zagny fagnontaniagna zagny. 3 Noho zagny zaré, nalaifan'ny fiangonagna, de namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon're Jentilisa. Zaré de nitôndra hafaliagna maventy be tamin're rahalahy jiaby. 4 Kôfa tônga tao Jerosalema zaré, de niraisin'ny fiangonagna sy re apostoly ary re lôhôlogna, kai nitatitra re raha jiaby zay natôn'Andriamanitra taminjaré. 5 Naifa ny ôlogna sanagny zay nino, zay tao amin'ny tarik'iré Fariseo, de nitsangagna sy nivôlagna hoe: "Ilaigna ny magnano ny famoragna anjaré sy ny mibeko anjaré hitandrigna ny lalàgnan'i Mosesy." 6 Noho zagny re apostoly sy re lôhôlogna de niara-nivory mbô handinika zagny zava-misy zagny. 7 Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangagna i Petera kai nivôlagna taminjaré hoe: "A ralahy, fantanaré fô aifa talôha aila be Andriamanitra no nagnano safidy te aminaré, mbô ho amin'ny alalan'ny vavako de tôkony haregny ny teny filazantsara iré jentilisa, ary hino. 8 Andriamanitra, zay mahay ny fo, vavolombelogna aminjaré, kai nanomia ny Fagnahy Masigna anjaré, karaha ny natôny tamintsika; 9 ary tsy nagnano fagnavakavahagna tamintsika sy taminjaré Izy, nagnadio ny fonjaré tamin'ny finoagna. 10 Ary noho zagny nagnino anaré no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tôkony hamaitrahanaré zioga agnam-bôzon're mpianatra naifa na ny razantsika na antsika aza tsy mahavita milanja? 11 Naifa mino antsika fô ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, karanjaré koa." 12 Ny ôlogna jiaby de nitagna ny fahangignana nandritry ny nitandrignesanjaré an'i Barnabasy sy Paoly mitatitra re famantaragna sy re fahagagana niasan'Andriamanitra zay niasa tamin're Jentilisa tamin'ny alalanjaré. 13 Kôfa avy nidôko nikoragna zare, de namaly Jakoba, nivôlagna hoe: "A rahalahy, tandrigneso zaho. 14 I Simeona de aifa nagnambara ny fômba nagnampian'Andriamanitra tam-pahasoavagna vôlôhany re Jentilisa mbô halaka aminjaré ôlogna ho an'ny Agnarany. 15 Re tenin're mpaminagny de mômba zagny, araka ny voasôratra hoe: 16 'Tafaran'iré raha iré de hierigna zaho, ary hanangagna ndraiky ny tragno lain'i Davida zaho, zay aifa lavo; hanamboatra sy hamerigna amin'ny laoniny ndraiky re faharavany zaho, 17 mbô hitady ny Tompo re ôlogna sisa tavela, ary agnatin'zagny re Jentilisa jiaby zay antsôvigna amin'ny Agnarako.' 18 Zô no nivolagnin'ny Tompo, re zay aifa nagnano re raha re zay aifa fantatra tamin're razambe talôha. (Fagnamarihagna: re dikan-teny sanagny talôha de mivaky karanjo: "Zô no nivolanin'i Tompo, amin're zay fantatra tamin'ny andro talôha ny asany jiaby.) 19 Noho zagny, ny heviky de, tsy tôkony hagnakorontagna re avy amin'ny Jentilisa zay nitodika tamin'Andriamanitra antsika. 20 Fô antsika de hanôratra ho anjaré fô tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan're sampy zaré, amin'ny fahavetavetagna, ary amin'ny hainan're biby voakenda, sy amin're rà zaré. 21 Satria Mosesy de aifa voambara tamin'ny isan-tanàgna tamin'ny andro talôha ary izy de vakigna amin're synagoga isaky ny Sabata." 22 De kara tsara tamin're apostoly sy re lôhôlogna, niaraka tamin'ny fiangonagna jiaby, ny hifidy an'i Joda zay antsôvigna hoe Barsabasy, sy i Silasy, zay mpitarika ny fiangonagna, sy ny handaifa anjaré agny Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy. 23 Zaré de nanôratra tô: "Hatrany amin're apostoly sy re lôhôlogna, re rahalahinaré, hatramin're rahalahy avy agny Jentily agny Antikia, Siria, ary Kilikia: Arahaba! 24 Isika de aifa naharegny fô re ôlogna sanagny de niala tamintsika, tsisy beko avy amintsika, ary nagnelingeligna anaré tamin're fampianarana zay nampikorontagna ny fagnahinaré. 25 Zô no izy, zahay jiaby de aifa nagneky ny hifidy re lalahy sy handaifa anjaré agny aminaré miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26 lalahy zay nagnano ny aignany tsy ho zavatra ho an'ny Agnaran'i Jesosy Kristy Tompotsika. 27 Noho zagny zahay de magnasa an'i Joda sy i Silasy, zay hivôlagna aminaré io raha io foagna amin'ny teninjaré manônkagna. 28 Fô kara tsara amin'ny Fagnahy Masigna sy aminay, ny tsy hampitôndra anaré entagna maventy noho re raha taigna ilaigna re: 29 mbô hialanaré amin're raha nataonaré ho fanatitra amin're sampy, rà, re raha voakendra, ary avy amin'ny fahavetavetagna. Kô mitandrigna ny taignanaré amin'zagny anaré, de ho tsara aminaré zagny. Veloma." 30 Noho zagny zaré, kôfa voaroàka, de nirôrogna tagny Antiokia; avy te zaré de namory ny vahoaka niaraka, ary nanôlotra lay taratasy zaré. 31 Kôfa voavakinjaré zagny, de nifaly zaré noho ny fampaherezagna. 32 Joda sy Silasy, mpaminagny koa, de nankahery re rahalahy tmin'ny teny maro sy nampahery anjaré. 33 Kôfa avy nidôko fotoagna vitsivitsy tao zaré, de nalaifa am-piadanagna avy amin're rahalahy ho agny amin're zay nandaifa anjaré zaré. 34 [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha be de magnala ny andininy faha34 (zahà ny Asa 15; 40): "Naifa mbôla satrin'i Silasy ny hidôko také."] 35 Fô i Paoly sy Barnabasy de nidôko tagny Antiokia niaraka tamin're maro hafa, zay nampianarinjaré sy nanambaranjaré ny tenin'ny Tompo. 36 Tafaran'ny andro vitsy Paoly de nivôlagna tamin'i Barnabasy hoe: "Andao tsika hierigna avaizo ary hamangy re rahalahy agny amin'ny tanàgna jiaby zay nagnambarantsika ny tenin'ny Tompo, ary hahita hoe karakôry zaré." 37 I Barnabasy de te hitôndra koa an'i Jaona zay natsôvigna hoe Marka hiaraka aminjaré. 38 Naifa i Paoly nihevitra fô tsy tsara ny hitondragna an'i Marka, zay nandao anjaré tagny Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa taminjaré niasa. 39 Avy te de nisy fifandiragna mafy, kai nisaraka zaré, ary i Barnabasy nitôndra an'i Marka niaraka taminanjy ary nandaiha sambo nankagny Sipra. 40 Fô i Paoly nifidy an'i Silasy ary nandaiha, tafaran'ny nagnomiazanjaré rahalahy ananjy andraikitra ho an'ny fahasoavan'ny Tompo. 41 Avy te izy de nandaiha namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, kai nampatanjaka re fiangonagna.