Tôko faha 16

1 Tônga tagny Derbe sy Lystra koa Paoly, ary indro, te lay mpianatra raika antsôvigna hoe Timoty, zanaka lahin'ny viavy Jiosy zay nino; Grika ny babany. 2 Izy de tsara laza tamin're rahalahiny zay tagny Lystra ary Ikonioma. 3 Tian'i Paoly hiara-dia aminanjy izy; de nalainy izy ary noforany noho re Jiosy zay te amin're toairagna re, satria fantanjaré jiaby fô Grika ny babany. 4 Kô nandaiha namakivaky re tanàgna maro zaré, de nanôlotra toromarika ho an're mpino mbô hagneky ny fampianaragna, zay nisoratan'ny Apostoly sy ny lôhôlogna tao Jerosalema. 5 Kai nahai-natanjaka tamin'ny finoagna ny fiangonagna ary nitômbo isa isan'andro. 6 Nandaiha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria niraran'ny Fagnahy Masigna zaré hagnambara ny teny agny amin'ny faritr'i Asia. 7 Kôfa niditra nariny an'i Mysia, de te-handaiha ho agny Bitynia zaré, naifa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesosy zaré. 8 Kai nandalo tamin'i Mysia, de nandaiha nirôrogna tagny amin'ny tanàgna an'i Troasy zaré. 9 Nahita fahitagna i Paoly tan-droaligna: lalahy raika Makedoniana nitsangagna také, nagnatso ananjy ary nivôlagna hoe: "Avia atô Makedonia ary vonjeo zahay." 10 Kôfa avy nahita ny fahitagna i Paoly, de niainga hihazo an'i Makedonia avy hatrany zahay, nahatsapa fô Andriamanitra no nagnantso anay mbô hitory ny filazantsara aminjaré. 11 Niantsambo noho zagny avy agny Troasy, de nizotra mahitsy ho agny Samatrakia zahay, ary nihazo an'i Neapolia zahay ny andro magnaraka. 12 Avy te de nandaiha nankagny Filipy zahay, zay isan'ny tanàgna Makedonia, zay tanàgna taigna manan-danja ao amin'ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nidôko taminjany tanàgna zagny nandritry ny andro maro zahay. 13 Tamin'ny andron'ny Sabata de nandaiha tagny ivailan'ny vavahady akilan'ny renirano zahay, zay nieritreretinay fô misy toairam-pivavahagna. Nipaitraka zahay ary nikoragna tamin're viavy zay niara-tônga te. 14 Nisy viavy raika atao hoe Lydia, mpivaro-damba violé avy agny amin'ny tanàgnan'i Tyatira, zay nanompo an'Andriamanitra, nitandregny anay. Nanôkatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny zay nivolagnin'i Paoly. 15 Kôfa vita batisa izy sy ny ankohonany, de namporisika anay izy, nivôlagna hoe: "Kô nitsara anahy ho mahatoky amin'ny Tompo anaré, de midira ary mipitraha an-dragno." Ary nandresy lahatra anay izy. 16 Ary taminjagny, kô nandaiha nankagny amin'ny toeram-pivavahagna zahay, de nisy tôvovavy raika zay managna fagnahin'ny sikidy nitrôtra taminay. Nitôndra tômbony maro ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy izy. 17 Nagnaraka anay sy Paoly avy tafara io viavy io ary nagnatso mafy, nagnano hoe: "Re lalahy re de mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra. Magnambara aminaré ny lalam-pamonjiagna zaré." 18 Nagnano zegny nandritry ny andro maro izy. Fô i Paoly de nanomboka sosotra taminanjy kai nitodika ary nivôlagna tamin'ny fagnahy hoe: "Mandidy anô amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy zaho mbô hiboaka aminanjy." Ary niboaka avy hatrany zagny. 19 Kôfa hitan're tompony fô lasagna lay fagnantenagna ny amin'ny tômbony ho anjaré, de nisambôrinjaré i Paoly sy Silasy ary nitarihin-jaré ho agny abazary talohan're manam-pahefagna. 20 Kôfa nitôndra anjaré talôhan're mpitsara zaré, de nivôlagna hoe: "Magnakorontagna ny tanàgnatsika reto lalahy reto. Jisoy zaré. 21 Magnambara fomba zay tsy ara-dalàgna ho an'ny Romanina ny magneky na mampihatra ananjy zaré." 22 De nitsangana ny vahoaka nanohitra an'i Paoly sy Silasy; nagnala ny lambanjaré ny mpitsara ary nandidy anjaré mbô hivilezigna amin'ny kakazo. 23 Kôfa nivilezinjaré mafy zaré, de nalaifanjaré agny an-dragnomaizigna ary nandidy ny mpiandry tragnomaizigna mbô hiambigna mafy anjaré. 24 Kôfa naharay zagny didy zagny ny mpiambigna, de nalaifagny tagny amin'ny farany laligna amin'ny fonja zaré ary nifatôrany te amin'ny kakazo ny tongon-jaré. 25 Nagnodidigna ny misasak'aligna de nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fidairagna an'Andriamanitra, ary re gadra hafa de nitandregny anjaré. 26 Tampoka te de nisy hôrohôrotany maventy be, kai nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisôkatra avy hatrany ny varavaragna jiaby, ary nivaha ny fatôran'ny ôlogna jiaby. 27 Taitra tmin'ny tôromaso ny mpiandry ny tragnomaizina ary nahita re varavaran'ny fonja nisôkatra; namoaka ny sabany izy kai saika hamono ny taignany, satria nieritreretiny fô nilaifa re gadra. 28 Fô nagnatso tamin'ny feo mafy Paoly, nagnano hoe: "Aza mandratra ny taignanô, satria akato aby zahay jiaby." 29 Nagnatso jiro lay mpiandry tragnomaizigna ary niditra nalaky tagnatiny, tôragna hely noho ny tahotra, niankôhotra talôhan'i Paoly sy Silasy, 30 ary nitôndra anjaré niboaka sy nivôlagna hoe: "Tompoko, ino no tsy maintsy hataoko mbô ho voavonjy?" 31 Aozinjaré hoe: "Minoa an'i Tompo Jesosy, de ho voavonjy anô, anô sy ny ankohonanô." 32 Nitory ny tenin'ny Tompo taminanjy zaré, niaraka tamin'ny ôlogna jiaby tan-dragnony. 33 Avy te de nandray anjaré tamin'ny aligna tamin'igny laira igny foagna lay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferinjaré, ary zaré jiaby tragno raika de natao batisa te no ho eo. 34 Avy te de nidôsiny niakatra tan-dragnony i Paoly sy Silasy ary nandrôso hanigna talôhanjaré izy, de nifaly tikoatra izy niaraka tamin're zay tan-dragnony, fô aifa nino an'Andriamanitra izy. 35 Ary kôfa mandraigna ny andro, de nandaifa teny tamin're mpiambina re mpitsara, nivôlagna hoe: "Ambilay handaiha re lalahy re." 36 Nitatitra zagny teny zagny tamin'i Paoly lay mpiambigna, nivôlagna hoe: "Nampitôndra teny taminahy re mpitsara mbô hamaila anaré handaiha: noho zagny avaizo miboaha, ary mandihagna am-piadanagna." 37 Fô nivôlagna taminjaré Paoly hoe: "Namely anay ampahibemaso tsy nisy fitsaragna zaré, na de mizàka ny zom-pirenegna Romanina aza zahay-ary nalaifanjaré tam-pigadrana. Avaizo de tianjaré ho alaifa an-tsôkosôko mô zahay? Ahe! Aoka ny taignanjaré no ho tônga aketo sy hitarika anay hiboaka." 38 Nitatitra zagny teny zagny tamin'ny mpitsara ny mpiambigna, ary kô naregninjaré fô Romanina i Paoly sy Silasy, de natahotra zaré. 39 Tônga sy nialatsigny taminjaré ny mpitsara ary nitôndra anjaré niboaka, nangataka anjaré mbô hiala ao an-tanàgna. 40 Kay niala tan-dragnomaizina i Paoly sy Silasy ary nankagny an-dragnon'i Lydia. Kôfa nahita re rahalahy i Paoly sy Silasy de nampahery anjaré ary avy te de niala tan-tanàgna zaré.