Tôko faha 17

1 Ary kôfa nandalo iré tanàgnan'ny Anfipolia sy Apolonia zaré, de tônga tamin'ny tanàgnan'i Tesalonika zaré, zay nisy Synagogan'ny jiosy. 2 Paoly, araka ny fômba fatôny de nankagny aminjaré, ary niady hevitra niaraka taminjaré avy amin'ny Sôratra Masigna nandritra ny andro Sabata telo. 3 Nisokafiny ny Sôratra Masigna ary nazavainy fô nilain'i Kristy ny nijaly sy hitsangagna indraika amin'ny maty. Aoziny hoe: "Io Jesosy zay nivôlagniko taminaré io no Kristy." 4 Resy lahatra ny sanagny tamin're Jiosy ary nagnaraka an'i Paoly sy Silasy, anisanjany re mpivavaka Grika maro an'isa, ary tsy vitsy ny viavy mpitarika. 5 Fô re Jiosy tsy mpino nindôsim-pialôgnana de nalaka re ôlogna ratsy fagnahy avy agny abazary, nagnonkogna niaraka ny vahoaka, ary nampitabataba ny tanàgna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitôndra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahoaka zaré. 6 Fô kôfa tsy hitanjaré, de nitarihinjaré i Jasona sy ny rahalahy hafa sanagny ho eo alôhan'ny manam-pahaifagnan'ny tanàgna, nitomoagny, "Reto lalahy reto zay nampitimbadika zao tontolo zao reto de tônga akéto koà. 7 Ireto lalahy zay nampandrosoan'i Jasona reto de manôhitra ny didin'i Kaisara; mivôlagna zaré fô misy mpanjaka hafa de i Jesosy." 8 Voahelingeligna ny vahoaka sy ny manam-pahefagna te amin'ny tanàgna kôfa naregny zagny raha zagny. 9 Fô kôfa avy te ny manam-pahefagna nampagnano sy nampadoà vôla an'i Jasona sy ny ambiny mbô ho antoka, avy te zaré namaila anjaré handaiha. 10 Nalaifan're rahalahy tagny Beria ny align'igny i Paoly sy Silasy. Kôfa tônga tagny zaré, de niditra tamin'ny synagogan'ny Jiosy. 11 Ary re ôlogna re de mihaja kokoa noho zaré agny Tesalonika, fô nandray ny tenim-pahavognônan'ny saigna jiaby zaré, nandinika ny Sôratra Masigna isan'andro mbô hahita kô taigna zagny tikoatra regny raha regny. 12 Noho zegny de maro taminjaré no nino, tao agnatin'zagny ny viavy Grika manan-kaja sanagny sy lalahy maro. 13 Fô re Jiosin'ny Tesalonika kôfa naregny fô i Paoly de nagnambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria koa, de nandaiha tagny zaré ary nampitabataba sy nampikorontagna re vahoaka. 14 Ary avy hatrany, re rahalahy nandaifa an'i Paoly ho agny an-dranomasina, fô i Silasy sy i Timoty nidôko také. 15 Re zay nitarika an'i Paoly nitôndra ananjy hatrany amin'ny tanàgnan'i Atena. Kô namaila an'i Paoly te zaré, de nandray torolàlagna avy aminanjy ho an'i Silasy sy Timoty mbô hankagny aminanjy malaky araka zay azo atô. 16 Ary kô nandigny anjaré tagny Atena i Paoly, de tônga de vignitra tagnatiny ny fagnahiny kô vô nahita ny tanàgna feno sampy. 17 Kai niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraka tamin're Jiosy sy re hafa zay nanompo an'Andriamanitra izy, karaha zagny koa ny tao amin'ny toairan'ny raharaham-barotra niaraka taminjaré také. 18 Fô ny sanagny tamin're filozofa Epikoreana sy Stoika koà nitrôtra taminanjy. Ny sagnany nivôlagna hoe: "Ino no tian'io be resaka io hivôlagnina?" Ny hafa nivôlagna hoe: "Karaha ilay raika zay magnatso ny ôlogna hagnaraka re andriamanitra hafahafa izy, satria nitory an'i Jesosy sy ny fitsanganagna amin'ny maty izy. 19 Nalaka an'i Paoly zaré ary nitôndra ananjy tamin'ny Areopago, nivôlagna hoe: "Afaka mamantatra zagny fampianaragna vôvô zay nivôlagninô zagny mô zahay? 20 Fô mitôndra raha hafahafa tsampôla regnin'ny tadinignay anô. Noho zegny, te hahay ny dikan'zagny raha zagny zahay." 21 (Ary ny Atenina jiaby sy ny vahigny nipaitraka de tsy nandagny ny fotoagnany kô tsy tamin'ny filazagna na fitainoagna momban'ny zava-bôvô.) 22 Kai nitsangagna tagnivon'ny Areopago i Paoly ary nivôlagna hoe: "Anaré lalahin'i Ateniana, hitako fô taigna relijiozy amin'ny fômba jiaby anaré." 23 Fô kô nandala zaho ary nandinika ny tanjon'ny fômba fanompoam-pivavahanaré, de nahita alitara zaho misy itô sôratra itô hoe: "Ho an'Andriamanitra tsy fantatra." Ino noho zagny no hivavahanaré amin'ny tsy fahafantaragna, zagny ni volagniko aminaré. 24 Ny Andriamanitra zay nagnano izao tontolo izao sy raha jiaby aminanjy, satria Tompon'ny lagnitra sy ny tany Izy, tsy mipaitraka agnaty Eglizy vôaorigna tamin'ny tagnana. 25 Na Izy tsy notompoigna tamin'ny tagnan'ôlogna, toy ny nila raha izy, satria izy taignany no magnomia fiainagna ny ôlogna sy ny fôfon'aigna ary ny raha hafa jiaby. 26 Avy amin'ny ôlogna raika no nagnanovany ny firenegna jiaby ho an'ny ôlogna mbô hiaigna ambônin'ny tany, namaritra ny vanim-potoananjaré sy nanendry ny toaira-ponainana ary ny andro iainagn're, 27 kai mbô tôkony hizaha an'Andriamanitra zaré, raha kô mety hahatratra sy hahita Ananjy zaré. Kanaifa mbôla tsy lavitra antsika tsiraikiraiky aby Izy. 28 Satria antsika de mivelogna sy mihetsika ary managna ny maha-izy antsika, karaha ny nivôlagnin'ny mpagnano tononkalonaré manôkagna hoe: "Fô taranany koà antsika." 29 Noho zagny, satrià zanak'Andriamanitra antsika, antsika de tsy tôkony hieritretra fô ny hatsaran'ny fômbany de mitovy amin'ny vôlamaina, na vôlafotsy,na sary-vôngagna zay nifôrôgnina avy amin'ny asa tàgnana sy aingam-panahin'ôlombelogna. 30 Noho zagny de nohadinoan'Andriamanitra ny fotoan'ny tsy fahalalagna, fô avaizo mandidy ny ôlogna jiaby na aiza na aiza hibaibaka Izy. 31 Zagny no izy satria namaitraka andro izy hoe oviagna no hitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny ôlogna zay nifidiny. Nagnomia porofon'io lalahy io tamin'ny ôlogna tsiraikiraiky tamin'ny alalan'ny fananganagna Ananjy tamin'ny maty Andriamanitra. 32 Ary kôfa naregny ny fitsanganagna amin'ny maty ny ôlon'i Atena, de nagneso an'i Paoly ny sanagny; fô ny sanagny nivôlagna hoe: "Hitandregny anô mikasika raha zagny zahay." 33 Tafaran'zay, nandao anjaré i Paoly. 34 Fô ny sanagny tamin'ny ôlogna nagnaraka ananjy ary nino, tao agnatinjany i Dionysio Aeropagita, viavy antsôvigna hoe Damary, ary ny sanagny niaraka taminjaré.