Tôko faha 18

1 Ary tafaran're raha re Paoly de niala tao Atena ary nankagny Korinto. 2 Nitrôtra tamin'ny Jiosy natsôvigna hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, zay vao tônga avy tagny Italia niaraka tamin'i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy jiaby hiala tao Roma. Paoly nankeo aminjaré, 3 ary satria varotra mitovy foagna no hiasany, de niara-nipaitraka taminjaré izy ary niasa, fô ny magnano lay no asanjaré. 4 Kai niady hevitra tao amin'ny synagoga isaky ny Sabata i Paoly. 5 Nandresy lahatra re Jiosy sy Grika izy. Fô kôfa nirôrogna avy tagny Makedonia i Silasy sy Timoty, de nitiren'ny Fagnahy hagnambara amin're Jiosy fô Jesosy no Kristy i Paoly. 6 Kôfa nanohitra sy nagnesoeso ananjy re Jiosy, de nagnofaofa ny lambany tagny aminjaré i Paoly kai nagnano hoe: "Ho amin'ny lôhanaré anie ny rànaré; tsy manan-tsigny zaho. Fô manomboka zaho de ho agny amin'ny Jentilisa zaho." 7 De niala te izy avy te ary nandaiha nankagny an-dragnon'i Titosy Josto, lalahy zay manompo an'Andriamanitra. Ny tragnony de akilan'ny synagoga. 8 Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin're jiaby zay nipaitraka tamin'ny tragnony; ary maro tamin'ire Korintiana zay naregny mômba zagny no nino sy natô batisa. 9 Ny Tompo nivôlagna tamin'i Paoly tamin'ny fahitagna ny aligna hoe: "Aza matahotra, ary aza mangina fô mivolagna. 10 Fô Zaho momba anô, ary tsisy ôlogna hahazo hagnano ratsy anô, fô managna ôlogna maro amin'ito tanàgna tô Zaho." 11 Nipaitraka tao herintôgna sy enim-bôlagna i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra taminjaré. 12 Fô kôfa lasana governoran'ny Akaia i Galio, de niara-nitsangagna re Jiosy hanôhitra an'i Paoly kay nitôndra ananjy tanatraihan'ny toairam-pitsarana; 13 nivôlagna zaré hoe: "Io lalahy io de mandresy lahatra ny vahoaka mbô hanompo an'Andriamanitra zay mifanôhitra amin'ny lalàgna." 14 Ary kô nandaiha hivôlagna Paoly, de nivolagna tamin'i Jiosy Galio hoe: "Anaré Jiosy, kô resaka raha ratsy na heloka zagny, de mbôla azo eritreretina ny fifampiraharahagna aminaré." 15 Fô hatrizay nisian'reo fagnontaniagna mômba re teny sy agnarana ary lalàgnanaré manôkagna re, alaminonaré zegny. Zaho tsy magniry ny ho mpitsara zegny raharaha zegny." 16 Galio nagnala anjaré hiala tamin'ny sezam-pitsaragna. 17 Kai nisambotra an'i ostena zare jiaby, ny mpanapaka ny synagoga, ary namely ananjy te anoloan'ny toairam-pitsaragna. Fô Galio tsy niraharaha zay natônjaré. 18 Paoly, kôfa avy nipaitraka tao nandritry ny andro maromaro kokoa, de namaila re rahalahy kai niondragna an-tsambo ho agny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akoila. Talôhan'ny niaingany tamin'ny seragnan-tsambo de nitapahany tao Kenkrea ny voron-dôhany noho lay voady zay natôny. 19 Kôfa tônga tagny Efesosy zaré, de navailan'i Paoly te i Prisila sy Akoila, fô izy taignany niditra tao amin'ny synagoga kai niady hevitra tamin'ire Jiosy. 20 Kôfa nangataka an'i Paoly mbô hidôka aila aila zaré, de nandà izy. 21 Fô nandao ananjaré izy, nivôlagna hoe: "Mbôla hierigna atô zaho kô sitrapon'Andriamanitra zagny." Dia niondragna an-tsambo niala tao Efesosy izy avy te. 22 Kôfa niantsogna tao Kaisaria i Paoly, de niakatra izy kai niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema ary nirôrogna nankany Antiokia avy také. 23 Kôfa avy nipaitraka laira maromaro tao izy, de niainga i Paoly kai nitety re faritr'i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra jiaby. 24 Ary nisy Jiosy raika nantsôvigna hoe Apolosy, tairaka tagny Aleksandria, tônga tao Efesosy. Izy de nahay nandaha-teny sady nahalala tsara ny Sôratra Masigna. 25 Apolosy de nampianarigna tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fagnahy, izy nivôlagna sy nampianatra marigna re raha mikasika an'i Jesosy, kanaifa ny batisan'i Jaona foagna no fantany. 26 Apolosy nanomboka nivôlagna am-pasahiagna tamin'ny synagoga. Fô kôfa naregny ananjy i Prisila sy Akoila, de nalaka ananjy ho agny amin'ny sisiny ary nagnazava taminanjy marigna kokoa ny lalan'Andriamanitra. 27 Kôfa nagniry mbô hamakivaky an'i Akaia izy, de nampahery ananjy re rahalahy ary nanôratra ho an're mpianatra tao Akaia mbô handray ananjy. Kôfa tônga izy, de nagnampy baitsaka iré zay nino tamin'ny fahasoavagna. 28 Apolosy nanôhitra mafy re Jiosy tamin'ny ady hevitra ampahibemaso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Sôratra Masigna fô Jesosy no Kristy.