Tôko faha 19

1 Ary ra mbôla tagny Korinty i Apolosy, de nandalo tamin'ny firenegna ambôny i Paoly ary tônga tao amin'ny tanàgnan'ny Efesosy, ary nahita mpianatra sanany tao. 2 Aozin'i Paoly taminjaré hoe: "Nahazo ny Fagnahy Masigna mô anaré kôfa nino?" Aozinjaré taminanjy hoe: "Ahe, mbôla tsy naregny momba ny Fagnahy Masigna aby zaihay 3 Paoly nivôlagna hoe: "Tamin'ino ary zegny no nagnanôvagna Batisa anare ?'' Namaly zare hoe: "Tamin'ny Batisan'i Jaona.'' 4 Kay namaly Paoly hoe: "Jaona magnano Batisa amin'ny batisan'ny fibaibahagna. Nivôlagna tamin'ny vahoàka izy fô tôkony hino lay raika zay ho tônga avafara zare, zegny de, akô amin'i Jesosy.'' 5 Kôa naregny zegny ny ôlo, de natô Batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy zare. 6 Avake kôfa namaitraka ny tagnany taminjare i Paoly, de nilatsaka taminjare ny Fagnahy Masigna ary nivôlagna tamin'ny fivolagnana hafa sy naminagny zare. 7 Tamin'ny ro ambiny fôlo te izy jiaby. 8 Niditra takô amin'ny Synagoga i Paoly ary nivôlagna am-pasahiàgna nandritran'ny telo volagna , nandresy lahatra sy nampagneky azy irè ny momba ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fô kôfa mafy fo sy tsy nagneky irè Jiosy sanagny, de nanomboka nivôlagna ratsy ny Lalagna tagnatraihan'ny vahoàka zare. Kay nialan' i Paoly zare ary nindôsiny irè pianatra, nandresy lahatra azy irè isan'andro takô amin'ny efitragno fampianaragnan'ny Tiraniana. 10 Nitohy nandritran'ny ro tôgna zegny, kay zay jiaby nipaitraka takô Asia de naregny ny tenin'ny Tompo, ary irè Jiosy sy irè Grika. 11 Andriamanitra nagnano asa magaga tamin'ny alala'ny tagnan'i Paoly, 12 kay na de irè mosoara sy romoron'akanjo zay nikasika ananjy aza de natô tamin'ny marary kay sitragna ny aretinjare ary nivoàka avy taminnjare irè fagnahy ratsy. 13 Fô nisy Jiosy pagnala fagnahy ratsy nandaiha tan-toeragna. Nagnantso ny agnaran'ny Tompo Jesosy zare mbô hanagnanjare hery hanohairagna ny fagnahy ratsy jiaby nivôlagna zare hoe: ''Amin'ny alalan'i Jesosy zay nivolagnin'i Paoly, mandidy anô za mbô hivoàka.'' 14 Ny mpisôrognabe Jiosy mitôndra ny agnarany hoe Skeva ary nanagna zanaka fito lahy no nagnano zegny. 15 Nisy fagnahy ratsy namaly azy irè hoe: ''Fantako Jesosy, ary fantako i Paoly; fô izôvy anare?'' 16 Ny fagnahy ratsy takô amin'ilay lalahy de nantsambotra tamin'ire pagnala devoly ary niala takô amin'ilay tragno sy nibolaka ary naratra. 17 Lasa fantan'ôlo jiaby zegny, sy irè Jentilisa, zay nipaitraka tagny Efesosy. Lasa natahotra mafy zare, kay ny agnaran'ny Tompo Jesosy de namiàm-boninahitra. 18 Ary maro tamin'iré mpino no nagnatogna sy nibaibaka ary nagneky irè raha ratsy vitanjare. 19 Maro irè nilalô ody no niara-nitôndra ny bokin-jare sy nagnoro zegny tagnatraihan'ny tsiraikaraika. Kôfa nagnisa ny tômbim-bidin'iregny zare, de farantsa vôlafotsy dimy aligna zegny. 20 Kay niparaitaka mafy tamin'ny fomba matanjaka ny tenin'ny Tompo. 21 Ary kôfa navita ny asa fanompoagnany tagny Efesosy i Paoly, de nanapa-kevitra tamin'ny fagnahy izy mbô hiàla an'i Makedonia sy Akaia tan-dalagna mandaiha akagny Jerosalema, ahozy izy: "Kôfa avy agny za, de tsy maintsy mandaiha agny Roma ihany koà.'' 22 Paoly nandaiha ro tamin'ire mpagnampy ananjy ho agny? Makedonia, i Timoty sy Erasto, zay nagnampy azy. Fô izy taignany nijanogna fotoagna fôhy tagny Asia. 23 Tamin'izegny fotoagna zegny tagny Efesosy de nisy fagnelingelegnana be mikasika ny Lalàgna. 24 Fô nisy mpanefy vôlafotsy raika antsôvigna hoe Demetrio, zay nagnano ny sary sikotra vôlafotsin'i Diana, nampiditra vôla be ho an'iré mpagnano asa tagnana. 25 Kay nahôrony niaraka irè lalahy miandraikitra an'io asa io ary nivôlagna hoe: "Tompoko, fantanô fô amin'itô raha itô de mahazo vôla be zaihay. 26 Hitanô sy regninô zegny, tsy tagny Efesosy ihany, fô saiky magnairagna an'i Asia jiaby, io Paoly io de nandresy lahatra sy natôgna ôlo maro. Milaza izy fô tsisy andriamanitra vita tamin'ny tagnana. 27 Fô ny loza de tsy hoe ny varotsika ihany no tsy hilaigna, fô ny tempolin'andriamanim-bavy maventy Diana ihany koà de azo heverigna ho tsisy dikany. De mety ho very voninahitra iry avaké, izy zay tompoin'ny Asia jiaby sy izô Tontolo izô.'' 28 Kôfa naregny zegny izy, de feno havigniragna mafy azare kay nihafatra mafy, nagnano hoe: "Maventy i Diana an'i Efesosy.'' 29 Feno fifanjevoagna takô amin'ny tanàgna jiaby, ary niara-nifanaraitsaka ho akô amin'ny tragno fagnanôvagna fampiseoagna an- tsaihatra ny vahoàka. Vôsambojare irè mpiara-dià tamin'i Paoly, Gaio sy Aristarko, zay avy agny Makedonia. 30 Te hiditra takô amin'ire vahoàka maro i Paoly, fô nisakanan'ire pianatra izy. 31 Ary ihany koà, ny sanagny tamin'ire manam-pahifagna tamin'ny faritr'i Asia zay namany de nagnondaifa mesazy nangakataka azy mafy tsy hiditra akô amin'ny tragno fagnanôvagna fampiseoagna an-tsaihatra. 32 Ôlo sanagny no nihiàka raha raika, ary ny an'ny sanagny hafa koà, satrià takô agnaty fifanjevoagna ny vahoàka. Ny ankamaroànjare aza tsy mahay akory hoe nagnino zare no niara-tônga. 33 Ny sanagny tamin'ire vahoàka no nampafantatra an'i Aleksandra, zay natôsik'ire vahoàka ho agny alôha, kay nagnano fihetsika tamin'ny tagnany i Aleksandra, te hagnamia fagnazavagna ho an'ire zay nivory. 34 Fô kôfa nafantatra zare fô Jiosy izy, de nihiàka mafy tamin'ny feo raika izy jiaby tagnatin'ny ro laira te, nagno hoe: ''Maventy ny Artemisin'ny Efesiana.'' 35 Kôfa nampangigna ny vahoàka ny ben'ny tanàgna, de nivôlagna izy hoe: ''Anô ôlon'i Efesosy, ôlo izôvy no také kay tsy nafantatra fô ny tanàgnan'ny Efesiana de mpiambigna ny tempolin'ny Diana maventy sy ny sary zay nilatsaka avy agny an- dagnitra? 36 Ary hita avaké fô tsy azo lavigna irè raha irè, de tôkony hangigna anare kay tsy hagnano na ino na ino tsy am-pihivairagna. 37 Fô nidôsinare amin'ny fitsaragna irè lalahy irè zay sady tsy mandrôba fiangonagna no tsy mpiteny ratsy ny andriamanim-bavintsika. 38 Noho zegny, ra managna fiampangagna manôhitra ny tsiraikaraika i Demetrio sy irè Jentilisa mpagnano asa tagnana zay miaraka aminy, de misôkatra ire fitsaragna ary misy solontaigna akô. Avilay zare hifampiampanga. 39 Fô ra mitady ra momba ny olagna hafa anare, de tôkony ho hatsangana amin'ny fivoriagna ara- dalàgna zegny. 40 Fô indrindra antsika de misy vitragna miraviravy ho voàmpanga mikasika an'i andron'ny tabataba io. Tsisy antony zegny fikorontagnana zegny, ary tsy afaka hagnazava zegny antsika.'' 41 Kôfa nivôlagna zegny izy, de niravany ny fivoriagna.