Tôko faha 20

1 Kôfa tapitra ny tabataba, de namory irè pianatra i Paoly ary nampahery ananjy, avake nagnano veloma izy ary lasagna mbô handaiha ho agny Makedonia. 2 Kôfa nandaiha tamin'ire faritra irè izy sy nagnano teny fankahiraizagna maro azy irè, de tônga tagny Gresia izy. 3 Kôfa avy nidôka telo volagna takô izy, nisy fikia- ratsy niforôn'ire Jiosy hanohairagna ananjy ra izy handaiha agnaty sambo ho agny Syria igny, kay nanapa-kevitra ny hierigna ho agny Makedonia izy. 4 Nagnaraka ananjy hatragny Asia lavitra agny i Sopatera zanaka lalahin'i Pyro avy agny Beria; Aristarko sy Sekondo, samby avy amin'ire mpigno Tesalonika; Gayo avy agny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy agny Asia. 5 Fô irè lalahy irè aifa nialôha anay ary nandigny anay tagny Troasy. 6 Niondragna an-tsambo niala takô Filipy zahay tafaran'ny andro fihinanagna môfo tsy masigna, ary tagnatin'ny dimy andro de tônga tagny aminjaré tagny Troasy zaihay. Ary nipaitraka tô zahay nandritra ny fito andro. 7 Tamin'ny andro voalôhan'ny herinandro, kôfa niangogna niaraka mbô hanapaka ny môfo zaihay, de niraisaka tamin'ire mpino i Paoly. Izy de nikasa handaiha ny amaraignaniny, kay tsy nanohy raisaka hatramin'ny sasakaligna izy. 8 Nisy jiro maro takô amin'ny efitragno ambôny zay natôngavanay niaraka. 9 Tamin'ny lafenaitra hely no nipaitraka itô tôvolahy nagnantso hoe Eotika, zay tafalatsaka tagnaty tôromaso laligna. Ra niraisaka naharitra kokoà i Paoly, i tôvolahy i, de mbôla nandry, tafalatsaka avy amin'ny etazy fatelo ary nony nafegnina izy de hita fô aifa maty. 10 Fô i Paoly nirôrogna, nagnainjagna ny taignany taminy, ary nitôlogna ananjy.'' Aza malahelo koà, fô velogna izy.'' 11 De niakatra ndraika izy avake nanapaka ny môfo sy nihinagna. Kôfa avy niraisaka aila taminjare hatramin'ny mandraigna be izy, de nandaiha. 12 Nitôndra lay tôvolahy aifa velogna niherigna zare ary taigna faly taigna faly. 13 Antsika mihitsy no nandaiha talôhan'i Paoly tamin'ny sambo ary nanday sambo ho agny Aso, fô agny no kasainay handraisagna an'i Paoly. Zegny no fagniriany izy taignany ho atô, satrià nagniry handaiha an-tanety izy. 14 Kôfa nitrôtra taminay tagny Aso izy, de nindôsinay tamin'ny sambo izy kay nakagny Mitylena. 15 Avake nandaiha sambo avy te zaihay ary tônga takô amin'ny fagnitsin'i Kio ny amaraigna. Ny andro magnaraka de niantsogna takô amin'ny nosin'ny Samo zaihay, ary ny amaraignan'igny de tônga takô amin'ny tanàgnan'i Mileto. 16 Fô Paoly nanapa-kevitra ny handaiha sambo handalo an'i Efesosy, mbô tsy handany fotoagna aila agny Asia izy; satrià izy de maika ny ho agny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, ra azony atô ny magnano zegny. 17 Avy agny Mileto no nandifasany lalahy ho agny Efesosy ary nagnantso ny lôhôlon'ny fiangonagna hake aminy. 18 Kôfa tônga takô aminy izy irè, de nivôlagna taminjaré izy hoe: "Anare taignanaré mahay, hatramin'ny andro voalôhany nandiavako an'i Asia, hoe karakôry no nandaniàko ny fotoagnako niaraka taminare. 19 Za de nanômpo hatragny ny Tompo tamin'ny fanitrian-taigna jiaby sy ranomaso, ary tagnaty fijaliagna no nitranga taminahy zegny nohon'ny teti-dratsin'ire Jiosy. 20 Anare de mahay fô tsy nitazogna fanginagna tamin'ny fangnambaragna taminare irè jiaby zay nilaigna za, sy ny fomba nampianarako anare tagnatraihan'ôlo ary tamin'ny isan-tragno, 21 hijoroako vavolambelogna tamin'ire Jiosy sy irè Jentilisa mômba ny fibebahagna amin'Andriamanitra sy ny finoàgna akô amin'ny Jesosy Tompontsika. 22 Indro avaizo, ho agny Jerosalema za, nitiren'ny Fagnahy Masigna kay tsy mahay zay hahazo anahy agny, 23 fatsy zay hampitandraiman'ny Fagnahy Masigna anahy isaky ny tanàgna maventy amin'iré famatôragna sy fijaliagna zay mandigny za. 24 Fô za de tsy mihevitra ny fiaignako hoe misy valaira amin'ny taignako, ra tsy hoe havita ny halakiàko sy ny asa fanompoàko zay niraisiky avy amin'i Jesosy Tompo za, hagnambara ny filazantsaran'ny fasoàvan'Andriamanitra. 25 Ary indro avaizo, fantako fô anare jiaby, zay nagnambarako ny fanjakagna, no tsy hahita ny tarehiky aiky. 26 Noho zegny ambarako aminare amin'itô andro itô, fô za de tsy manan-tsigny amin'ny ràn'ny ôlo. 27 Fô tsy navoniky taminare ny fagnambaragna ny sitrapôn'Andriamanitra jiaby. 28 Noho zegny tandremo ny mômban'ny taignanare, sy ny mômban'ire ondry jiaby zay nampandrakaitan'ny Fagnahy Masigna anare. Mitandraima amin'ny mpiambigna ondrin'ny fiangonan'Andriamanitra, zay nividiny tamin'ny ràny manôkagna. (Fagnamarihagna: ra ''Tamin'ny ràny manôkagna'' ny amin'ny taratasy talôha de mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny zanaka lalahiny manôkagna.'') 29 Fantako fô avafaran'ny fandianako, de ho avy aminare irè amboàdy masiàka ary tsy hiàtra an'iré ondry. 30 Fantako fô de avy aminare aza de hisy ôlo ho avy ary hagnôva ny marigna mbô hitarika irè pianatra hagnaraka azy irè. 31 Koà miambaina. Aza adigno fô tagnatiny telo tôgna za no tsy nijanogna nampianatra ny tsiraikaraika avy aminare, andro aman'aligna tamin'ny ranomaso. 32 Avaizo ankigniky amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fasoavany anare, zay afaka manangagna sy magnamià anare ny lôva amin'ire jiaby zay namasinigna. 33 Tsy nagniry vôlafotsy, vôlamaina, na akanjon'ôlo za. 34 Anare taignanaré no mafantatra fô ireto tanagna ireto no nanôlotra zay nilaiky ary iré nilain'ire zay niaraka taminahy. 35 Tamin'ny ra jiaby no nagnomaizako ôhatra anare ny fômba tôkony hagnampianare irè malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fômba hitsarôvanare irè tenin'ny Tompo Jesosy, teny zay nivolagniny izy taignany hoe: "Masambatra kokoà ny magnamià noho ny mandray.'' 36 Kôfa avy nivôlagna karanjegny, izy de nandongalitra ary nivavaka niaraka tamin'izy jiaby. 37 Nisy fitomagniagna be te ary nitôlogna an'i Paoly sy nagnôroka ananjy zare. 38 Nalahelo ny maro taminjare noho zay nivolagniny, hoe: zare de tsy hahita ny tarehiny aiky. Avake nagnatitra ananjy tamin'ny sambo zare.