Tôko faha 21

1 Kôfa niala taminjare zaihay de nandaiha an-tsambo, ary nagnaraka lalagna mahitsy nankagny amin'ny tanàgnan'i Kosy, nakagny amin'ny tanàgnan'i Rody ny andro magnaraka, ary avy akô de nakagny amin'ny tanàgnan'i Patara. 2 Kôfa nahita sambo Foinika zaihay, de niditra takô zaihay kay nandaiha sambo. 3 Kôfa avy nahita an'i Kyprosy, de nagnombaila zegny tampitan'ny sambo, nandaiha sambo ho agny Syria zaihay ary niantsogna takô Tyro, toeragna zay namoàhan'ire tantsambo ny aintagna tagnaty sambo. 4 Ra vô nahita an'iré pianatra zaihay, de nidôka tagny tagnatin'ny fito andro. Tamin'ny alala'ny Fagnahy de nandresy lahatra an'i Paoly hatragny zare mbô tsy handaiha ho agny Jerosalema. 5 Kôfa tapitra ny andronay, de niala takô zaihay kay nandaiha tamin'ny làlagnanay, ary izy kôfa, nagnaraka tamin'ire vady aman-janagny, nagnaraka nivoàka tamin'ny tanàgna. Ary nandongalitra tamôron-dranomasingna de nivavaka 6 ary nifagnano veloma. De niditra tagnaty sambo zaihay, ary zaré niherigna tan-dragnony. 7 Kôfa vitanay ny laihà tagny Tyro, de tônga tagny Tolemaia zaihay. Tagny de nitrôtra tamin'ire ralahy ary nidôka raika andro niaraka taminjaré. 8 Ny amaraigna de niala takô zaihay ary nandaiha tagny Kaesaria. Niditra ny tragnon'i Filipo antsika, evanjelista, zay tamin'iré fito, ary nijanogna niaraka taminy zaihay. 9 Avaizo io lalahy io de nanagna zanaka viavy virijiny aifatra zay naminagny. 10 Kôfa nijanogna takô tagnatin'ny andro maromaro zaihay, de nisy mpaminagny raika nirôrogna avy tagny Jodia nantsôvigna hoe Agabo. 11 Nagnatogna anay ary nalaka ny sentirin'i Paoly izy. Tamin'igny no namatôrany ny tongony sy ny tagnany ary nivôlagna hoe:" Ahozy ny Fagnahy Masigna, de ho karanjô no hamatôran'ire Jiosy agny Jerosalema ny lalahy zay tômpon'itô sentiry itô, ary honôlotra ananjy an-tagnan'ire Jentilisa'''. 12 Kôfa naregny zegny raha zaihay, de zaihay sy irè ôlogna mipaitraka takô amin'io toeragna io de niàngavy tamin'i Paoly tsy niakatra ho agny Jerosalema. 13 Ary namaly i Paoly nagnano hoe: "Ino no atônare, mitomagny sy mandratra ny fôko? Za aifa vôgnona, tsy hoe hifatôragna foàgna, fô agnaran'i Tompo Jesosy.'' 14 Satrià tsy nagniry ny hirisen-dahatra i Paoly, de nijanogna nagnandragna zaihay ary nivôlagna hoe: "Ôka ho tantairaka ny sitra-pôn'ny Tompo.'' 15 Tavafaran'ire andro ire, de nitôdra ny sakanay zaihay kay niakatra nankagny Jerosalema. 16 De nisy irè pianatra sanagny koà avy agny Sezarea nagnarakanay. Nitôndra lalahy raika niaraka taminjare zay natsôvigna hoe Menasona, lalahy avy agny Sipro, pianatra tranaigna, zay tôkony hiarahanay mitoetra. 17 Kôfa tônga tagny Jerosalema zaihay, de nandray anay am-pifaliagna irè ralahy. 18 Ny amaraigna de nagnaraka anay i Paoly ho agny amin'i Jakoba, ary te dahôlo irè lôhôlogna jiaby. 19 Kôfa avy niarahaba azy irè izy, de nitatitra tsiraikaraika irè raha jiaby zay aifa natôn'Andriamanitra tamin'ire Jentilasa tamin'ny alalan'ny asa fanompoagnany. 20 Kôfa naregny zegny zare, de nidaira an'Andriamanitra, ary nivôlagna taminy hoe: ''Hitanô, ry ralahy, agn'arivony firy no nino tamin'ire Jiosy. Tapa-kevitra izy jiaby hitandrigna ny lalàgna. 21 Aifa nivolagninjare ny mômba anô, fô anô de mampianatra irè Jiosy jiaby zay mipaitraka amin'ire Jentilisa hafoé an'i Mosesy, ary anô mivôlagna ananjy irè tsy hamôra ny zanagny, ary tsy hagnaraka ny fômba talôha. 22 Ino no tôkony ho hatôntsika? Ho regnin-jaré tikoàtra fô tônga anô. 23 Koà atôvo zay lazainay anô. Managna lalahy aifatra zay nagnano tsikafara zaihay. 24 Indôso irè lalahy irè ary diôvy miaraka aminjare ny taignanare, ary hifay irè fandaniagnan-jare, mbô hagnaraka ny lôhany zare. Kay ho fantatr'ôlogna jiaby fô irè raha zay nivolagnina mômba anare de diso. Ho fantan-jaré fô anô de magnaraka lalàgna koa 25 Fô mikasika irè Jentilisa zay nino, zaihay de nanôratra sy nagnamia torolalagna fô tôkony hitandrigna ny taignany amin'ny raha vita sôrogna ho an'ny sampy zare, avy amin'ny rà, avy amin'zay nigijaigna, sy avy amin'ny fijangajangagna. 26 Avake de nalain'i Paoly irè lalahy, ary ny amaraigna, izy nagnady ny taignany niaraka taminjare, niditra tan-tempoly, nagnambara ny vanim-potoagnan'ny andron'ny fagnadiôvagna ny mandrapagnatitra ny rakitra ho an'ny ôlo tsiraikaraika taminjare. 27 Kôfa ho tapitra iré andro fito, iré Jiosy sasantsanagny avy agny Asia, nahita an'i Paoly tan-deglizy, nampikôrôntagna iré vahoàka jiaby, ary nisambotra ananjy. 28 Nitabataba zaré hoe: "Ry ôlogn'Israely, ampià zahay.'' Io lay lalahy zay mpampianatra ny ôlogna jiaby hatraiza hatraiza iré raha zay manôhitra ny ôlogna, ny lalàgna, ary tô toairagna tô. Fagnampin'zagny, nitôndra Grika tan-tempoly koà izy ary nandoto an'itô toairagna masigna tô. 29 "Fô zaré talôha nahita an'i Trofima zay Efezianina niaraka taminanjy tan-tanàgna, ary nieritreritra zaré fô i Paoly no nitôndra ananjy tan-tempoly. 30 Nifanaraitaka ny tanàndraiky, ary niaraka niazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny ôlogna. Nisintogna ananjy hivoàka tan-tempoly zaré, de nafody teo no eo ny tamiagna. 31 Kôfa te am-pamonoagna ananjy zaré, de nisy vôvô tonga tagny amin'ny kapiten'ny mpiambigna fô mikorontagna aby Jerosalema jiaby. 32 Avy hatrany izy de nalaka miaramila sy kapiteny ary niazakazaka nirôrogna amin'iré vahoàka. Kôfa nahita iré kapiteny sy iré miaramila ny vahoàka, de nidôko namely an'i Paoly zaré. 33 De nagnatogna lay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nifatôragna tamin'ny rôjo vy roa izy. De nagnontany izy hoe: zôvy ary ino no natôny. 34 Ny sanagny taminjaré vahoàka nitabataba raha raika ary iré hafa raha hafa. Satria tsy afaka nivôlagna na ino na ino ny kapiteny noho ny tabataba jiaby, de nasainy nindôsigna ho agny amin'ny rova i Paoly. 35 Kôfa tônga tamin'ny tôhatra izy, de nindôsin'iré miaramila izy noho ny herisetram-bahoàka. 36 Fô nagnaraka tafara ny vahoàka be ary nanohy niorakoraka hoe: ''vonoÿ izy'' 37 Kôfa igny indôsigna tan-drova igny i Paoly, de aozin'ny tamin'ny kapiteny: "Afaka mivôlagna raha aminô mô za?" Aozin'lay kapiteny hoe: "Miteny Grika mô anô? 38 Tsy anô mô lay Egyptiana, zay nitarika fikomiagna tagny alôha ary nitarika iré efatra arivo lahy amin'ny mpamono ôlogna nivoàka avy tagny an-tany efitra?" 39 I Paoly nivôlagna hoe: "Zaho de Jiosy, avy agny amin'ny tanàgnan'i Tarsosy agny Kiliaka. Zaho de ôlom-pirenegnan'ny tanàgna manan-danja. Mangataka aminô zao, ambilay zaho hivôlagna amin'ny ôlogna." 40 Kôfa nambaila anajy hivôlagna lay kapiteny, de nitsangagna tamin'ny tôhatra i Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tàgnany tamin'ny vahoàka. Kôfa nisy fangignana laligna de nikoragna taminjaré fiteny Hebreo izy. Aoziny: