Tôko faha 22

1 "A ralahy sy a baba, tandrignaiso ny fiarôvako zay hatôko aminaré avaizo." 2 Kôfa naregny an'iPaoly nivôlagna tamin'ny teny Hebreo iré vahoàka, de nanjary nangigna zaré. Aoziny hoe: 3 "Jiosy zaho, tairaka tagny Tarsosy agny Kilikia, fô nibiazigna teto amin'itô tanàgna tô te amin'ny tongon'i Gamalila. Nampianarigna arakan'ny fômba entitry ny lalàn'iré razantsika zaho. Taigna mafana fô ho an'Andriamanitra zaho, karaha anaré jiaby amin'izao andro izao. 4 Nagnenjika io Làlagna io ho amin'ny fafataisagna zaho, namatotra sy nanôlotra anjaré tan-dragno maizigna na lalahy na viavy, 5 ary ny mpisorogna be sy iré lôhôlogna jiaby afaka mijoro vavolombelogna. Nandray taratasy avy agny aminjaré ralahy agny Damaskosy zaho, ary nandaiha nankagny nitôndra zaré niherigna mbôla mifatotra hankagny mbô hanaziagna anjaré." 6 Zô no niseho kôfa nandaiha ary nariny an'ny Damaskosy zaho, ary tatoandro be te ho eo de nisy hazavagna maventibe avy agny an-dagnitra nanomboka mangilatra nagnodidigna anahy. 7 Lavo tamin'ny tany zaho ary naregny feo nivôlagna taminahy hoe: 'Saoly, Saoly, nagnino anô magnenjika Anahy?' 8 Namaly zaho hoe: 'Zôvy mô anô, Tompoko?' Nivôlagna taminahy Izy hoe: 'Izaho no Jesosin'ny Nazareta, zay injehinô.' 9 Iré zay niaraka taminahy de nahita ny hazavagna, fô zaré tsy nahay lay feo nivôlagna taminahy. 10 Oazaho hoe: 'Ino no tôkony hatôko, Tompoko?' Ny Tompo nivôlagna taminahy hoe: 'Mitsangàna ary midira agny Damaskosy; agny no agnambaragna aminô ny raha jiaby zay tôkony hatônô.' 11 Tsy nahita noho ny hangilàragny zagny fazavagna zagny zaho, ary nitantagnanjaré zay niaraka taminay, kay tôbga tagny Damaskosy zaho. 12 Nitrôtra tamin'ny lalahy raika natô hoe: Ananiasy tagny zaho, lalahy matahotra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàgna ary tsara laza te amin'iré Jiosy jiaby zay nipaitraka tô. 13 Nagnatogna anahy izy, nijoro tankilako, ary nivôlagna hoe: 'A ralahy Saoly, mahità.' Tamin'zagny laira zagny foàgna de nahita ananjy zaho. 14 Ary nivôlagna izy hoe: 'Ny andriamanitr'iré razantsika de nifidy anô mbô ahay ny sitrapôny, mbô ahita ny Raiky Marigna, haregny ny feo aloaky ny vavany. 15 Fô ho vavolombelogna ho Ananjy amin'ny ôlogna jiaby mômba zay hitanô sy regninô anô. 16 Ary magnino anô no mandigny? Mitsangàna, ôka ho atô batisa, ary diôvo iré fahotanô, antsôvo amin'ny agnarany.'' 17 Kôfa avy nierigna tagny Jerosalema zaho, ary kô mbôla nivavaka tan-tempoly, de nahazo tsindrimandry zaho. 18 Nahita Ananjy nivôlagna taminahy hoe: 'Malaky mialà agny Jerosalema malaky, satrià zaré tsy hagneky fijoaroanô vavolombelogna mômba Anahy.' 19 Oazaho: 'Tompo, zaré taignany de mahay fô zaho de nagnagadra sy namely zay nino Anô jiaby tao Synagoga. 20 Kôfa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelognanô, zaho koà de nitsangagna te sy nagneky, ary niambigna ny lamban'iré zay namono ananjy zaho.' 21 Fô nivôlagna taminahy Izy hoe: 'Mandihana, satrià halaifako lavitra an'iré jentilisa anô.''' 22 Nitandrignaisan-jaré mandra-pivolagnany zagny. De niafatra mafy zaré ary nivôlagna hoe: "Vony hiàla akéto amin'ny tany ny lalahy karaha io, satrià tsy mendrika ny ho velogna izy." 23 Kôfa nitabataba zaré, nanipy ny lambany, ary nanipy vôvôka tamin'ny rivotra, 24 ny liben'ny Kapiteny de nagnidy an'i Paoly mbô hindôsigna agny amin'ny lapa magnodidigna miaraka amim-bely izy, kay mbô izy taignany de ahay hoe nagnino zaré no niafatrafatra nanôhitra ananjy karanjagny. 25 Kôfa namatotra ananjy tamin'ny taretra hoditra zaré, de aozin'i Paoly tamin'ilay Kapiteny zay nitsangagna také: "Ara-dalàgna ho anaré mô ny magnakaravasy lalahy zay Romana sy tsambôla nitsaraigna aby? 26 Kôfa naregny zagny lay kapiteny, de nandaiha amin'ny liben'ny Kapiteny izy kay nivôlagna ananjy, hoe: "lno zô atônô zô?" Fô mponin'ny Romana io lalahy io." 27 Nagnatogna lay liben'ny kapiteny ary nivôlagna taminanjy hoe: "Volagno aminahy, mponigna Romana mô anô?" Paoly namaly hoe: "Ia." 28 Ary namaly lay kapiteny hoe: "Tamin'ny vôlabe foàgna no nazahoako io zom-pirenegna io. Fô Paoly nivôlagna hoe: "Natairaka ho mponign'ny Romana zaho. 29 Ary nandao ananjy teo no eo lay lalahy zay namaitra-pagnotaniagna ananjy. Natahotra koà lay liben'ny kapiteny, kôfa hainy fô mponigny Romana i Paoly, satrià izy namatotra ananjy." 30 Ny amaraigna, te ahay ny marigna mômba iré fagnindrikidraihan'iré Jiosy nanôhitra an'i Paoly ny lehiben'ny kapiteny. Kay nivahany iré fatotra ary nibokoeny iré mpisorogna be sy iré filan-kevitra jiaby mbô hivory izy. Ary nitôndra an'i Paoly nirôrogna izy ary namaitraka ananjy tagnivonjaré.