Tôko faha 23

1 Paoly de nizaha nivantagna tagny amin'iré mpikambagna tamin'ny filan-kevitra ary nivôlagna hoe: "A rahalahy, zaho de aifa niaigna tagnatraihan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretagna tsara jiaby mandrakigniany." 2 Ny mpisorognabe Ananiasy de nibeko re zay nitsangagna tankilany mbô hamilaizagna ny vavany. 3 Avy te i Paoly nivôlagna ananjy hoe: "Andriamanitra de hamely anô, anô ry rindrina voalalotra fotsy. Anô mô de mipaitraka hitsara ahy amin'ny lalàgna, naifa mandidy anahy mbô hivilezigna, tsy araka ny lalàgna? 4 Re zay nitsangagna te de nivôlagna hoe: "Zao mô no fômba hanaivatainaré ny mpisorognaben'Andriamanitra?" 5 I Paoly nivôlagna hoe: "Tsy nahay zaho, ry rahalahy, hoe izy lay liben'ny mpisorognabe. Fô aifa voasôratra hoe: tsy tôkony hivôlagna ratsy ny mpitôndra ny vahoakanô anô." 6 Kôfa hitan'i Paoly fô ny sanagny tamin'ny filan-kevitra de Sadoseo ary ny hafa Fariseo, de nivôlagna mafy tao amin'ny filan-kevitra izy hoe: "A rahalahy, zaho de Fariseo, zanaka lahin'ré Fariseo. Zagny no izy satria zaho de magnantaigna tsara ny fitsanganan'ny maty zay hitsaragna anahy." 7 Kôfa nivôlagna zagny izy, de nanomboka nisy fifandiragna tamin'iré Farieo sy ré Sadoseo, ary ny vahoaka de nizara. 8 Fô re Sadoseo de nivôlagna fô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, tsisy re anjely, ary tsisy re fagnahy, naifa re Fariseo de nagneky anjare jiaby re. 9 Noho zagny de nisy fitabatabagna mafy niseho, ary ny sanagny taminjaré mpanora-dalàgna re Fariseo de nitsangagna ary niady hevitra, nivôlagna hoe: "Zahay de tsy mahita raha diso amin'io lalahy io. Akôry raha ny fagnahy na ny anjely no nikoragna taminanjy?" 10 Kôfa nisy fifandiragna mafy te, ny kapiteny mpitarika de natahotra sao de hifandrotehanjaré i Paoly, noho zagny izy de nandidy re miaramila mbô hirôrogna sy halaka ananjy an-keriny agny amin're mpikambagna amin're filan-kevitra, ary hitôndra ananjy agny an-dapa. 11 Ny aligna magnaraka ny Tompo de nijoro tankilany ary nivôlagna hoe: "Aza matahotra, fô karaha ny nijoroanô vavolombelogna mômba Anahy tagny Jerosalema, no tsy maitsy hijoroanô vavolombelogna agny Roma koà." 12 Kôfa mandraigna ny andro, ny Jiosy sanagny de namôrogna tetika ary nagnôzogna ny taignanjaré miaraka amin'ny fianianana mbô tsy hihinagna na hisotro na ino na ino ambara-pamonoàn-jaré an'i Paoly. 13 Mihoatra ny efapôlo ôlogna zaré namôrogna io tetika io. 14 Zaré de nandaiha tagny amin'ré mpisorognabe sy re lôhôlogna kai nivôlagna hoe: "Zahay de aifa nagnano fagnozôgnana maventy tamin'ny taignanay, mbô tsy hihinagna na ino na ino ambara-pamonoànay an'i Paoly. 15 Avaizo, noho zagny, ambilay ny filan-kevitra hivôlagna amin'ny kapiteny mpitarika mbô hitôndra ananjy hirôrogna atô aminaré, ary anaré karaha hoe hanapa-kevitra amin'ny raha misy mômba ananjy marigna kokoa. Fô ho anay, zahay de vôgnona ny hamono ananjy alôhan'ny fatongavany aketo." 16 Naifa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly de naregny fa am-pidiniasagna ny hamonoagna ananjy zaré, noho zagny izy de nandaiha ary niditra ny lapa kai nivôlagna tamin'i Paoly. 17 I Paoly de nagnantso ny raika taminjaré kapiteny kai nivôlagna hoe: "Ndôso agny amin'ny kapiteny mpitarika itô tôvolahy itô, fô manana raha volagnina aminanjy izy." 18 Noho zagny lay kapiteny de nandray lay tovolahy ary nitôndra ananjy tagny amin'ny kapiteny mpitarika kai nivôlagna hoe: "I Paoly lay gadra no nagnantso anahy ho agny aminanjy, ary nangataka anahy mbô hitôndra itô tôvolahy itô ho aketo aminô. Managna raha ho koragnina aminô izy." 19 Ny kapiteny mpitarika de nalaka ananjy tamin'ny tagnana ho agny amin'ny toairagna mitôkagna ary nagnotany ananjy hoe: "Ino zagny tôkony hivolagninô aminahy zagny?" 20 Lay tôvolahy nivôlagna hoe: "Ré Jiosy de aifa nagneky ny angataka aminô mbô hitôndra an'i Paoly hirôrogna agny amin'ny filan-kevitra amaraigna, karaha hoe zaré de handaiha nagnontany ny mômba ananjy marigna kokoà. 21 Naifa aza magneky anjaré, satrià efa misy ôlogna mihoàtra ny efapôlo zay aifa mivôgnona hamono ananjy. Nagnantso ôzogna ho an'ny taignany zaré, mbô tsy nihinagna na hisotro ambara-pamonoànjaré ananjy. Fô na de zao aza de aifa vôgnona zaré, mandigny fagnikiagna avy aminô.'' 22 Kay navailan'ilay kapiteny mpifehy handaiha lay tôvolahy, tafaran'ny nanoroàny ananjy hoe: "Aza mivôlagna na aminjôvy ana aminjôvy hoe nivôlagna re raha re taminahy anô." 23 Avy te izy de nagnantso ho aminanjy ny roa tamin'ré kapiteny kai nivôlagna hoe: "Alaivo ny miaramila roanjato zay vôgnona ny andaiha agny Kaisaria, sy mpitikin-tsoavaly fitopôlo koa, ary mpitôndra lefogna roanjato. Handaiha anô amin'ny laira fahatelon'ny aligna." 24 Izy foagna koa de nandidy anjarè mbô hagnomia biby zay afaka hitikinan'i Paoly, ary mbô hitôndra ananjy soa aman-tsara agny amin'i Feliksa ilay governora. 25 Avy te de nanôratra taratasy karanjo izy: 26 "Klaodio Lisia ho an'i Feliksa governora taigna tsara, arabaigna. 27 Io lalahy io de nisambôrinjaré Jiosy ary saika nivoninjaré, kôfa tônga taminjaré niaraka tamin're miaramila zaho de nagnavotra ananjy, satria nahay zaho fô izy de ôlom-pirenegna Romana." 28 Zaho de te hahay ny antony niampanganjaré ananjy, noho zagny de nindôsiko nirôrogna tamin'ny filan-kevin-jaré izy. 29 Nahay zaho fô voapanga tamin'ny ady hevitra mikasika ny lalàgnanjaré manôkagna izy, naifa tsisy fiampangagna nanohitra ananjy zay mendrika fahafataisagnana fagnagadragna. 30 Avy te de nampafantarigna anahy fô nisy tetika hanohairagna lay lalahy, noho zagny de nandaifa ananjy te noho eo tagny aminô zaho, ary nagnafatra re mpiampanga ananjy koa mbô hitôndra ny fanamelohan-jaré ananjy agnatraihanô. Veloma." 31 Kay noho zagny re miaramila de nagneky re bekonjaré. Nalainjaré i Paoly ary nindôsiny tamin'ny aligna tagny Antipatria. 32 Ny amaraigna, ny ankamaroan're miaramila de nandao re mpitikin-tsoavaly mbô handaiha hiaraka aminanjy fô zaré de nierigna tagny an-dapa. 33 Kôfa tônga tagny Kaisaria re mpitikin-tsoavaly kai nanôlotra ny taratasy ho an'ny governora, de nanôlotra an'i Paoly taminanjy koa. 34 Kôfa namaky ny taratasy ny governora, de nagnontany ny faritany zay niavian'i Paoly izy, kôfa fantany fo avy agny Kilikia izy, 35 de nivôlagna hoe: "Zaho de haregny tantairaka anô kôfa tônga aketo re mpiampanga anô." De nasainy nitanagna tamin're foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.