Tôko faha 8

1 Nagneky ny fafataisagna i Saoly. Kay nanomboka tamin'io andro io ny fagninjaihagna maventy be hanohairagna ny fiangonana zay tao Jerosalema; ary iré mpino jiaby de niparaitaka nagnairagna iré faritry Jodia sy Samaria, ankoatra iré apostoly. 2 Ré lalahy matahotra an'Andriamanitra de nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisaonagna ananjy. 3 Fô Saoly de nandratra tantairaka ny fiangonagna; nitety tragno izy ary nalaka iré lalahy sy iré viavy, ary nandaifa ananjy an-tragno maizigna. 4 Fô iré mpino zay nipaitraka de nandaiha nitory teny. 5 Filipo de nirôrogna tagny amin'ny tanam-ben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy taminjaré. 6 Kôfa naregny sy nahita iré famantaragna zay natôn'i Filipo ny vahoàka maro, de nifantoka tsara tamin'zay nivôlagniny zaré. 7 Ré Fagnahy maloto de nivoàka tamin'iré maro zay nidirany, nihafatra mafy, ary maro tamin'iré malemy sy kilemaigna no nahivagna. 8 Noho zagny de nisy fifaliàm-be tao amin'ilay tanàm-be. 9 Fô nisy lalahy raika antsôvigna hoe Simona tao amin'ny tanàm-be, zay nalaky no nidôla aody; maheka nahamagnamagnana iré vahoakan'ny Samaria izy, kôfa nagnambara fô izy de ôlogna manan-danja. 10 Samaritana jiaby,manomboka amin'ny faran'ny hely, de nitandregny tsara ananjy; ary aozinjaré hoe: "Io lalahy io de lay fahifan'Andriamanitra zay antsôvigna hoe Maventy." 11 Zaré de nitandregny ananjy, satrià izy de nahamagnamagnana ananjaré aifa nandritry ny fotoagna aila tamin'iré aodiny. 12 Fô kôfa nino an'i Filipo zaré noho izy nitory ny filazatsara mômba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesosy Kristy, de natô batisa zaré, na iré lalahy na iré viavy. 13 Na i Simona aza de nino, ary tafaran'ny nagnanôvagna batisa ananjy de nidôko niaraka tamin'i Filipo foàgna izy. Kôfa nahita iré famantaragna sy asa maventy be zay naseho izy, de magnana. 14 Ary kôfa tandrignaisanaré apostoty ao Jerosalema fô nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, de nalaifan-jaré tagny aminjaré i Petera sy Jaona. 15 Kôfa nirôrogna zaré, mbô mety handraisanjaré ny Fagnahy Masigna. 16 Fô mandrapahatôngan'zagny fotoagna zagny, de mbôla tsisy nilatsahan'ny Fagnahy Masigna mihitsy zaré; fô vita vita batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy foàgna. 17 Avy té i Petera sy Jaona de namaitraka ny tagnany teo aminjaré, ary de nandray ny Fagnahy Masigna zaré. 18 Ary kôfa Hitan'i Simona fô ny Fagnahy Masigna de natôlotra te an-tagnanjaré apostoly tamin'ny alala'ny famintrahan-tagnana, de namiàny vôla zaré. 19 Aoziny hoe: "Amià anahy foàgna zagny, kay zay jiaby amitrahako tagnana de mety handray ny Fagnahy Masigna." 20 Fô Aozin'i Petera taminanjy hoe: "Ho levogna miaraka aminô ny vôlafotsinô, satrià anô nieritreritra ny hahazo ny fagnomiazan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vôla. 21 Anô de tsy managna anjara na ampahany amin'ny raha zagny, satrià ny fônao de tsy marigna amin'Andriamanitra. 22 Noho zagny mibaibaha amin'ny faratsiagnanô, ary mivavaha amin'ny Tompo, sao mbô mety hamaila ny fagnirian'ny fônô Izy. 23 Fô zaho mahita fa anô de voapoezignan'ny fahotagna anô." 24 Simona namaly ary nivôlagna hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo ho anahy, mbô tsy hisy hitranga aminahy ré zay nivolagninô." 25 Kôfa nijoro vavolombelogna sy nagnambara ny tenin'ny Tompo zaré, de niherigna tagny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'iré tanàgna maro ao Samaritana. 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nikoragna tamin'i Filipo sady nivôlagna hoe: "Mitsangàna ary mandihana miagnatsimon'ny lalagna mirôrogna avy agny Jerosalema mankagny Gaza." (Io lalagna io de agny an'efitra.) 27 De nitsangagna izy ary nandaiha. Indro, nisy lalahy avy agny Etopia, tandapan'ny Kandasy, mpanjaka vavin'iré Etiopiana. Izy no niandaikitra ny hariagna jiaby. Tonga tagny Jerosalema izy mbô hidaira. 28 Ary nôdy izy kay nipaitraka teo amin'ny kalesany, ary namaky ny tenin'Isaia mpaminagny. 29 Ary lay fagnahy nivôlagna tamin'i Filipo hoe: "Mandihana Ary aza miala lavitra an'io kalesy io." 30 Kay niazakazaka nagnatogna ananjy izy, ary naregny ananjy namaky teny tao amin'Isaia mpaminagny, ary nivôlagna hoe: "Azonô mô i raha vakinô io?" 31 Nivôlagna lay Etiopiana nagnano hoe: "Akôry ny ahaizako kô tsisy ôlo mitari-dalagna anahy?" Niangavy an'i Filipo izy mbô hagnatogna ny kalesa ary hipaitraka hiaraka aminanjy. 32 Ary ny andalan-tsoratra masigna zay nivakin'ilay Etiopiana de nagnano hoe: "Nindôsigna hivonigna karaha ny ondry izy, ary karaha ny zanak'ondry moà eo alôhan'ny mpagnety ananjy, noho zagny de tsy niloàm-bava izy. 33 Fô tamin'ny fagnalam-baraka ananjy de nalàny taminanjy ny rariny. Zôvy no afaka hamaritra tantairaka iré taranany? Nohon'ny aignany nalàny teto an-tany." 34 Noho zagny de nagnontany an'lay tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminô zaho, zôvy no volagnin'io mpaminagny io, ny taignany foàgna, sa ôlon-kafa ?" 35 Nanomboka nivôlagna i Filipo, ary nanomboka tamin'zagny sôratra masigna zagny no nitoriany ny filazantsara mômba an'i Jesosy taminanjy. 36 Kôfa nandaiha tagny an- dalagna zaré, de nagnatogna tagny amin'zay nisy rano zaré ary aozin'lay tandapa hoe: "Irô, misy rano akéto.Ino no manakagna anahy tsy atô batisa?" 37 (Fagnamarihagna: Aozin'i Filipo hoe: "Kô mino amin'ny fônô anô, de afaka atô batisa." Ilay Etiopiana namaly hoe: "Mino zaho fô Jesosy Kristy no zanak'Andriamanitra.") 38 Kay nasain'lay Etiopiana nadôka lay kalesa. Nirôrogna nankagny amin'ny rano zaré, i Filipo sy lay tantapa, ary natôn'i Filipo batisa izy. 39 Kôfa nivoàka ny rano zaré, de nindôsin'ny Fagnahin'ny Tompo i Filipo, kay tsy hitan'lay tandapa eky izy, fô nandaiha tam-pifaliagna tagny amin'ny lalany. 40 Fô i Filipo de niseho tagny Azota ary nitety io faritra io izy, nitory ny filazantsara airakin'ny tanam-be jiaby mandrapahatôngany tagny Kaisaria.