Tôko faha 7

1 Ny mpisorognabe nivôlagna hoe: "Marigna mô zagny jiaby zagny?" 2 Stefana nivôlagna hoe: "Ry rahalahy sy ry ray, tandrignaiso zaho: "Ny Andriamanitrin'ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama baban-tsika tamin'izy tagny Mesopotamia, talôhan'ny nipitrahany tao Harana; 3 nivôlagna taminanjy Izy hoe: "Mialà eo amin'ny taninô anô sy re havanô, ary mandihana agny amin'lay tany zay natoroko anô." 4 Avy eo niala an'lay tanin'ny Kaldeana izy ary nipaitraka tagny Harana; nanomboka te, tafaran'ny nahafetasan'ny papany, nindôsin'Andriamanitra tagny amin'io tany io izy, zay hipitrahanô zô. 5 Tsy namiany ho lôva te izy, ahe, tsy ampy hamitrahagna tongotra aby. Fô nagnomia toky izy na de mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa izy de hagnomia ny tany ananjy ho fanagnany sy ho an're taranagny agny afarany. 6 Andriamanitra de nivôlagna taminanjy karanjô, fô re taranany de hipaitraka maharitra agny amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary re mponina ao de hitôndra ananjy re amin'ny fagnandivôzagna sy fampahoriagna mandritry ny efa-jato tôgna. 7 'Naifa ho tsaraiko ny firenegna zay tompoen-jaré,' hoy Andriamanitra, 'ary afarany zagny de hagnatogna sy hidaira Anahy eo amin'io toairagna io zaré. 8 Avy te namian'Andriamanitra an'i Abrahama ny fagnikiagna amin'ny famoragna, kai i Abrahama de nanjary baban'Isaka ary namôra ananjy tamin'ny andro fahavalo; Isaka de nanjary baban'i Jakoba ary Jakoba nanjary baban're patriarika roa ambin'ny fôlo. 9 Satria re Patriarika de nialogna an'i Josefa, kai nambidinjaré tagny Egypta izy; fô Andriamanitra de niaraka taminanjy 10 ary namonjy ananjy tamin're olagnananjy jiaby. I Josefa de namiany fankasitrahagna sy fahendregna te agnatraihan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, zay namaitrakananjy ho governora manapaka an'i Egypta sy ambonin're fanagnany jiaby. 11 Ary de tônga ny silôgna nagnairagna an'i Egypta sy Kanana, sy fijaliam-be, ary re razantsika de tsy nahita hanigna. 12 Fô kôfa naharegny i Jakoba fô nisy vary tao Egypta, nandaifa re razantsika tamin'ny dianjaré vôlôany izy. 13 Tamin'ny dianjaré faharoa i Josefa nampahafantatra ny taignany tamin're rahalahiny, ary ny fianakavian'i Josefa de nanjary fantan'i Farao. 14 Josefa de nagnasa re rahalahiny hivôlagna an'i Jakoba babany mbô ho avy agny Egypta miaraka amin're havany Jiaby, te amin'ny dimy ambin'ny fitopôlo ôlogna kô atambatra. 15 Noho zagny Jakoba de nirôrogna tagny Egypta, ary maty izy, izy sy re razantsika. 16 Nilanjaigna ho agny Sekema zaré ary nalevigna tamin'ilay fasagna zay novidin'i Abrahama tamin'ny vôlafotsy tamin're zanak'i Hamora tagny Sekema. 17 Kôfa nariny ny fotoagnan'lay fampanantinagna zay natôn'Andriamanitra tamin'i Abrahama, de nahaimaro sy nitômbo ny ôlogna tagny Egypta, 18 mandra-pitsanganan'ny mpanjaka hafa tagny Egypta, mpanjaka zay tsy nahafantatra ny mômba an'i Josefa. 19 Io mpanjaka io foagna no namitaka ny vahoakantsika sy nampahory re razantsika, zaré de nanery ny razantsika handao re zanany ambava loza mbô tsy ho velogna. 20 Taminjany fotoagna zagny i Mosesy no tairaka; izy de tsara tagnatrehan'Andriamanitra ary nitaizaigna telo vôlagna tan-dragnon'ny Babany. 21 Kôfa navoaka tagny ivailagny izy, de ny zanaka vavin'i Farao no nanangagna sy nitaiza ananjy karany zanany lahy. 22 I Mosesy de nampianarigna re fahindriagna jiaby nanagnan'ny Egyptiana, ary izy de nahery tamin'ny teniny sy ny asany. 23 Kôfa ho efapôlo tôgna izy, tônga tam-pony ny hitsidika re rahalahiny, zanak'Israely. 24 Nahita Israelita raika zay nampahoriagna kai niaro ananjy Mosesy sady namaly an'lay nampahory ananjy tamin'ny famonoagna lay Egyptianina. 25 Nihevitra izy fô ho azon're rahalahiny fô tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra anjaré, naifa de tsy azonjaré zagny. 26 Ny andro magnaraka de tônga tamin're Israelita sanany izy raha izy re nifanditra; nagnandragna ny nampitony ny tsiraikiraiky aby izy, nivôlagna hoe: 27 "A lalahy, mpirahalahy anaré, kai magnino anaré no mifandratra?" Fô ny raika zay nagnano tsy nety tamin'ny namany nanôsika ananjy, ary nivôlagna hoe: "Zôvy no nanendry anô ho mpanapaka sy hitsara anay? 28 Tianô mô ny hamono anahy, karaha ny namonoànô re Egyptianina ny omaly?" 29 Nilaifa i Mosesy kôfa naharegny zagny; lasa mpiavy izy tao amin'ny tanin'ny Midiana, zay nitairahany ny zanany roa lahy. 30 Kôfa dila ny efapôlo tôgna, nisy anjely raika nipoitra taminanjy tagny an'efitra tagny an-tendrombohitra Sinay, teo amin'ny lelafon'lay voaroy nirehitra. 31 Kôfa tazan'i Mosesy lay afo, magnana izy tamin'lay fahitana; ary kôfa nagnatogna izy kai nizaha lay izy, indro avy agny nisy feon'ny Tompo nivôlagna hoe: 32 "Zaho no Andriamanitr'ire razanô, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nasahy nizaha. 33 Ny Tompo nivôlagna taminanjy hoe: "Alà ny kapa amin'ny tongonô, fô io toairagna zay hitsangananô io de tany masigna. 34 Aifa hitako tikoatra ny fijaliagnan'ny vahoakako zay ao Egypta, regniky ny fitaraignanjaré, ary aifa nirôrogna nagnavotra anjaré Zaho; kay avahizo, alaifako ho agny Egypta anô." 35 Io lay Mosesy zay nilavinjaré, kôfa nivôlagna zaré hoe: "Zôvy no nanendry anô ho mpanapaka sy ho mpitsara?" Izy lay tôkagna zay nalaifan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandaifa ananjy tamin'ny alalan'ny tagnan'ilay anjely zay nipoitra tamin'i Mosesy tagny amin'ny voaroy. 36 Nitarika ananjy re hiala tagny Egypta i Mosesy, kôfa avy nagnano fahagagana sy famantaragna tagny Egypta sy tagny amin'ny ranomasina mena, ary tagny an'efitra nandritry ny efapôlo tôgna. 37 Io foagna lay Mosesy zay nivôlagna tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Andriamanitra de hanangagna mpaminagny ho anaré eo amin'ny rahalahinaré, mpaminagny karaha anahy.'" 38 Izy lay lalahy zay tam-piangonagna tagny an'efitra niaraka tamin'lay anjely zay nivôlagna tamin'ny teny amin'tendrombohitr'i Sinay. Izy ilay lalahy niaraka tamin're razantsika; Izy ilay lalahy niaraka tamin're razantsika; izy ilay lalahy zay nandray ny teny velogna zaraigna ho antsika. 39 Izy ilay lalahy zay tsy nankatoavin're razantsika; natôsikanjaré lavitra anjaré de nierina tagny Egypta zaré. 40 Tamin'io fotoagna io nivôlagna tamin'i Arona zaré hoe: "Hanaovy Andriamanitra zahay hitarika anay, karaha an'i Mosesy, zay nitarika antsika hiboaka agny Egypta, tsy fantatsika zay nitranga taminanjy." 41 Ary nagnano aomby lahy kely zaré taminjany andro zagny ary nitôndra fagnatitra tamin'lay sampy, ary nifaly tamin'ny asan-tanagny zaré. 42 Nitodika Andriamanitra ary namaila anjaré mbô ho fidairagna re kintagna agny an-dagnitra, karan'ny voasôratra tao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anaré mô nanôlotra taminahy biby maty sy fagnatitra nandritrin'ny efapôlo tôgna tagny an'efitra, tragnon'ny Israely? 43 Nikenaré ny tabernakelin'i Moloka sy ny kitan'Andriamanitra Refana, sy iré sary zay atonaré hidairagna ananjy, ary Zaho hitondra anaré agny ankoatran'ny Babylona." 44 Re razantsika de nagnana tabernakelin'ny fijoroagna vavolombelogna tagny an'efitra, araka ny baikon'Andriamanitra kôfa nivôlagna tamin'i Mosesy Izy, zay tôkony nataony nitovy tamin'lay fomba aifa hitany. 45 Io lay tragnolay zay nalain'iré razantsika, ary nindôsiny tagny amin'lay tany niaraka tamin'i Josoa, te agnatraihan're razantsika, re fanagnan'ny firenegna zay nandroahan'Andriamanitra ny tany zay niraisin-jaré ho fanagnanjaré manôkagna, Ilay tragnolay de nipaitraka tagny amin'ilay tany nandritry ny andron'i Davida, 46 ary izy nahazo fankasitrahagna tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nanontany raha hahita toairagna honaignana ho an'Andriamanitr'i Jakoba. 47 Fô i Salomona no nagnamboatra ny tragno ho an'Andriamanitra. 48 Na zagny aza, ny Avo indrindra de tsy nipaitraka tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnana, araka ny voalazan'ny mpaminagny hoe: 49 "Ny lagnitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Tragno kara ino no afaka hamboarinô ho Anahy? Hoy ny Tompo, na toairagna kara ino no hitsaharako?" 50 Tsy tagnako mô no nagnano re raha jiaby re? 51 Re ôlogna mafy hatoka sy tsy voafôra ao am-po sy tadiny, anaré de manohitra foagna ny Fagnahy Masigna; anaré de magnano kara zay nataon'ny razanaré. 52 Zôvy tamin're razanaré no tsy nanenjika mpaminagny? Nivoninjaré ny mpaminagny zay niseho talôhan'ny fiavin'ilay Fahamarinagna, ary avahizo anaré de lasagna mpamadika sy mpamono ananjy koà, 53 anaré vahoaka zay nandray ny lalàgna zay napaitrak're anjely, kanaifa tsy nitagnanaré zegny." 54 Ary kôfa naharegny re raha re ny mpikambana ao amin'ny filan-kevitra, tohigna ny fônjaré, ary nihidy vazagna zaré tamin'i Stefana. 55 Fô izy, zay feno ny Fagnahy Masigna, nizaha tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesosy nijoro te ankavanan'Andriamanitra. 56 Stefana nivôlagna hoe: "Zahà, itako misôkatra ny Lagnitra, ary ny zanak'Ôlogna mijoro eo ankavanan'Andriamanitra." 57 Te amin'zagny de notapenan're mpikambagna ao amin'ny filan-kevitra ny tandigninjaré, ary nihafatra niaraka tamin'ny feo ambôny, nihazakazaka zaré nankagny aminanjy. 58 Nitaritin-jaré ivailan'ny tanàgna izy ary nanomboka nitôra-bato ananjy zaré, ary re vavolombelogna de namaitraka ny akanjony te amin'ny tongotr'lay zaza lahy nantsôvigna hoe Saoly. 59 Kô nitôra-bato an'i Stefana igny zaré, nagnantso mafy ny Tompo izy ary nivôlagna hoe: "Tompo Jesosy, raiso ny fagnahiko." 60 Nandohalika izy ary nagnantso tamin'ny feo mahery hoe: "Tompo, aza tagnana zô ota zô hanohairagna anjaré." Kôfa avy nivôlagna anjany izy de maty.