Tôko faha 6

1 Ary tamin'izegny andro zegny, kôfa nihanitômbo ny isan'ire pianatra, de nanomboka nisy fitaraignana natôn'ire Jiosy mivôlagna amin'ny teny Grika hanohairagna irè Hebreo, satrià natônjare tsy dikany irè mpitôndra-taignany tamin'ny firasagna hanigna isan'andro. 2 Ny ro ambiny fôlo de nagnantso ho agny aminjaré sady nivôlagna hoe: "Tsy mety ho antsika ra miàla ny tenin'Andriamanitra mbô hikarakara irè latabatra. 3 Noho zegny anare de tôkony mifidy, ry ralahy, fito aminare, lalahy tsara laza, feno ny Fagnahy sy fahindriagna, mbô ho tendrenay hikarakara zegny raraha zegny. 4 Raha ny aminay, de hanohy hatragny amin'ny fivavahagna sy amin'ny fampianaragna ny amin'ny teny zaihay.'' 5 Nafinaritra ny ôlo jiaby ny teny natônjare. Kay nifidy i Stefana zare, lalahy feno finoàgna sy Fagnahy Masigna, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, Proselyta avy agny Antiokia. 6 Irè mpino de nitôndra irè lalahy tagnatraihan'ny Apostoly, zay nivavaka sy namaitraka ny tagnany taminjare. 7 Kay nipaitraka hatragny ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny pianatra takô Jerosalema de nianitômbo be, ary mpisorogna maro ne no lasa mpagneky ny finoàgna. 8 Ary i Stefana, feno fasoàvagna sy hery, de nagnano fagagagna sy famantaragna maventy tamin'ny vahoàka. 9 Fô nisy vahoaka sanagny nitsangagna zay an'ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny sanagny avy agny Kilikia sy Azia. Ire ôlo irè de niady hevitra tamin'i Stefana. 10 Izy irè de tsy natôhitra ny fahindriagna sy ny Fagnahy zay nivolagnin'i Stefana. 11 Avake de nisy ôlo nagnanôvan-jare kolikoly mbô hivôlagna hoe: ''Aifa regninay i Stefana nivôlagna ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra.'' 12 Nanaitra ôlo zare, ny lôhôlogna, sy ny panôra-dalagna, de nagnatogna amin'i Stefana zare ary nanambotra ananjy sy nitôndra ananjy tagnatraihan'ire panôlotsaigna. 13 Ary zare de nitôndra vavolambelogna diso, de nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô de tsy midôka mivôlagna ratsy itô toeragna masigna itô sy ny lalàgna. 14 Fô zaihay de naregny ananjy fô i Jesosy avy agny Nazareta io de handrava itô toeragna itô sy hagnôva irè fomba zay natôlotr'i Mosesy antsika.'' 15 Ire jiaby zay nipaitraka tamin'ny toeran'ny panolotsaigna de nandinika ananjy kay nahita fô kara anjely ny tarehiny.