Tôko faha 5

1 Fô nisy lalahy raika antsôvigna hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotra anjara tany, 2 ary nitagnany ny sanany tamin'iré vôla vidiny (ny vadiny koà nahay zagny), ary nitôndra ny ampahany hafa tamin'zagny ary namaitraka ananjy teo an-tongotr'iré Apostoly. 3 Fô Petera nivôlagna hoe: "Ananiasy, nagnino no nifinoanô Satana lainga ny fonao handainga amin'ny Fagnahy Masigna, sy hitagna ny ampahany tamin'lay vidin-tany? 4 Kô mbôla tsy lafo zagny, tsy nidôko ho fanagnanô manôkagna mô zagny, tsy teo amin'ny fahefagnanao mô zagny? Akôry no nieritreretanô zagny raha zagny tao amin'ny fonao? Tsy nandainga tamin'ôlogna anô, fô tamin'Andriamanitra." 5 Kôfa naregny iré teny iré, de lavo tamin'ny tany i Ananiasy kai afak'aigna, ary feno tahotra maventibe ny ôlo jiaby naregny zagny. 6 Ary iré tôvolahy de nirôso kay namôgno lamba ananjy, kay nindôsin-jaré nivoàka izy ary nalevigna. 7 Tafara laira tafarany igny de niditra ny vadiny, mbôla tsy nahay zay nitranga. 8 Petera nivôlagna taminanjy hoe: "Volagno aminahy kô zagny no namarôtanaré lay tany." De aozy: "Ia, noho zagny." 9 Avy te i Petera nivôlagna ananjy hoe: "Nagnino anaré no nagneky hiara-hitsapa Fagnahin'ny Tompo? Indro, iré tongon'iré ôlogna zay nandevigna ny vadinao de eo an-tamiagna, ary hamoaka anô zaré. 10 Ary lavo teo no eo té amin'ny tongony izy ary afak'aigna. Kôfa niditra tao iré tôvolahy, de nahita ananjy maty, kai nitôndra ananjy nivoàka sy nandevigna ananjy tankilan'ny vadiny. 11 Natahotra aby ny fiangonana manontolo, sy iré ôlo jiaby zay nandré zagny raha zagny." 12 Famantaragna sy fagagagna maro no niseho tamin'iré vahoàka tamin'ny tagnan'iré Apostoly. Niaraka také amin'ny fialôfan'i Salomona zaré. 13 Fô tsisy ôlogna hafa nanagna fasahiagna hiaraka amin-jaré; kanaifa, ny vahoàka de nanandratra fankasitrahagna avo anjaré. 14 Ary vao maika nihaimaro iré mpino zay nagnampy isa ny Tompo, andian-dalahy sy viavy, 15 kay nindôsin-jaré tagny an-dalàgna hatramin'ny marary ary nampandrén-jaré tam-bôny fandriagna sy farafara, kay kôfa mandalo i Petera, de mety mbô hagnaloka ny sanany amin-jaré ny alokany. 16 Té foàgna koà de maro ny vahoàka no niara-tônga avy amin-jaré tanàgna magnodidigna agny Jerosalema, nitôndra ny marary sy ré zay nampahorin'ny fagnahy maloto, ary de sitragna izy jiaby. 17 Fô nitsangagna ny mpisorognabe, sy iré zay niaraka taminanjy (zay sekta an'iré Sadoseo); ary de feno fialognana zaré 18 ary nisambotra an-kery reo Apostoly, ary nampiditra ananjy iré tagny an-tragno maizigna. 19 Ary nandritran'ny aligna de nisy anjelin'ny Tompo nanôkatra ny tamiagnan'ny fonja ary namoàka an-jaré takô, sy nivôlagna hoe: 20 "Mandihana, mitsangagna ao amin'ny eglizy ary mivôlagna amin'ôlogna iré teny jiabin'itô fiainagna tô." 21 Kôfa naregny zagny zaré, de niditra tao a legilizy zaré mbôla nandraigna kay nampianatra. Fô tônga ny mpisorognabe, sy iré zay niaraka taminanjy, ary nagnatso ny filan-kevitra jiaby, iré lohôlogna jiabin'ny vahoàkan'Israely, ary nalaifa tagny am-ponja mbô hamoaka iré Apostoly. 22 Fô kôfa tônga lay mpiandry raharaha de tsy nahita anin-jaré tao am-ponja, kay niherigna zaré ary nitatitra hoe: 23 "Nahita ny tragno maizigna nihidy tsara zaihay ary ny mpiambigna de nijoro nandigny tan-tamiagna, fô kôfa nisokafinay zagny, tsy nahita ôlogna tagnatiny zaihay." 24 Ary kôfa naregny zagny ny mpiambigna ny eglizy sy iré mpisorogna be, de very hevitra tantairaka zaré nahakasika ny raha nitranga. 25 Fô nisy ôlogna tônga ary nivôlagna tamin-jare nagnano hoe: "Iré lalahy zay natônaré ta andragnomaizigna de mitsangagna ao amin'ny eglizy ary mpampianatra ny vahoàka." 26 Ary lasagna ny lehiben'ny mpiambigna niaraka tamin'iré mpiandry raraha, ary nitôndra ananjy niherigna, fô tsy tamin'ny herisetra, satrià natahotra ny vahoàka zaré sabeky hitoraham-bato. 27 Kôfa nitôndra aninjaré zaré,de nandaifa ananjy reo te agnantraihan'ny filan-kevitra.Nagnadihady ananjy ré ny mpisorogna be, 28 nivôlagna hoe: "Nirarany mafy anaré mbô tsy hampianatra amin'io agnaragna io kanaifa, nifinoànaré ny fampianaranaré i Jerosalema, ary tianaré ho tômpon'andraikitra amin'io lalahy io zaihay." 29 Fô i Petera sy iré Apostoly namaly hoe: "Zahay de tôkony hagneky an'Andriamanitra nohon'ny ôlogna. 30 Ny Andriamanitrin'ny razanay nanangagna an'i Jesosy, zay nivoninaré tamin'ny fagnatôgnana Ananjy té amin'ny kakazo. 31 Andriamanitra nanandratra Ananjy teo amin'ny tagnan-kavanagnany mbô ho Tompo sy Mpamonjy, mbô hagnomià fibaibahagna ho an'Israely, sy familagna ny heloka. 32 Zahay de vavolombelogna ny amin'zagny raha zagny, ary koà ny Fagnahy Masigna, zay namiàn'Andriamanitra ho an'iré magneky Ananjy." 33 Kôfa naregny zagny iré tao amin'ny filan-kevitra, de vignitra zaré sady tiàmono iré Apostoly. 34 Fô nisy Fariseo raika nantsôvigna hoe Gamaliela, mpampiana-dalàgna, zay najain'ôlo jiaby, nitsangagna ary nandidy iré apostoly mbô ho alaigna aby hely agny ivailany. 35 Ary izy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Lalahy Israely, tandremo tsara ny amin'ny raha zay ho atonaré miaraka amin'iré ôlogna iré. 36 Fô tagny alôha tagny, Teodasy nivôlagna ny taignany ho raha, ary vôndron'ôlogna, tôkony ho efa-jato, nagnaraka ananjy. Nivonigana izy, ary iré jiaby zay nagneky ananjy de niparitaka ary tônga tsinontsinogna. 37 Avy té io lalahy io, Jodasy avy agny Galilia de nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisagna ary nitaogna ôlogna maromaro hagnaraka ananjy. Izy koà de nivoninaré, ary iré jiaby iré de niparitaka. 38 Ary avaizo de volagniko aminaré, magnalavira an'iré lalahy iré ary ambilay raika zaré, fô kô avy amin'ôlogna io drafitra na io asa io, de ho foàgna zagny. 39 Fô kô avy amin'Andriamanitra ndraiky, de tsy ho azonaré foàgna iré; mety ho hitanaré aza fô miady amin'Andriamanitra anaré.'' De resy lahatra zaré. 40 Ary nagnatso an'iré Apostoly hiditra zaré ary namely sy nandidy anin-jaré tsy hivôlagna amin'ny agnaran'i Jesosy, ary namaila ananjaré handaiha. 41 Zaré de nandao ny filan-kevitra tam-pifaliagna satrià mendrika ny hitôndra fafam-baraka ho an'lay Agnaragna. 42 Tafaran'zay isan'andro, tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy zaré, teo an-kianjan'ny eglizy sy tamin'ny tragno maro.