Tôko faha 4

1 Kô nikoragna tamin'iré vahoàka i Petera sy Jaona, de tônga iré mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambigna ny eglizy ary iré Sadoseo. 2 Vignitra mafy zaré noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahoàka sy nitory ny fitsagagnana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3 Nisambôrigna zaré ary natô tam-ponja mandra pikiaka andro, satrià aifa hariva ny andro tamin'zagny. 4 Kanaifa maro tamin'iré ôlogna zay naregny ny hafatra no nino; ary ny isan'iré lalahy zay nino de dimy arivo také. 5 Ary kôfa amaraignaniny de niangogna takô Jerosalema ny panapakanjare, zôkiôlogna ary ire panôra-dalagna. 6 Te i Anasy pisorognabe, Kaiafa, Jaona, sy zay jiaby havan'iré mpisorognabe. 7 Kôfa narôsony tagnivon'i Petera sy Jaona, de nagnontany ananjy iré hoe: "Amin'ny hery ino, no nagnanovanaré zagny?" 8 Avy té i Petera, feno ny Fagnahy Masigna, nivôlagna anjaré hoe: "Anô ry mpanapaka ny vahoàka, sy ny lôhôlogna, 9 kô nagnotaniagna mômban'ny asa soa natônay tamin'io lalahy narary io tamin'io andro io_tamin'ny fomba ahoana no nahasitrana io lehilahy io? 10 De aoka ho fantanaré jiaby ary ny vahoakan'Isiraely jiabe, fô tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, zay nombohinaré, ilay natsagan'Andriamanitra tamin'ny maty_ tamin'ny alalany no ijoroan'itô lalahy tô mahivagna akéto amasonaré." 11 Jesosy Kristy de vato zay natônare mpagnano tragno tsisy dikany kanaifa aifa natô ho lôhan'ny vato fezoro. 12 Ary tsy misy famonjiagna avy amin'ny hafa, fô tsisy agnaragna hafa ambanin'ny lagnitra namiagna ôlo zay tsy maintsy havonjy antsika.'' 13 Ary kôfa nahita ny fasahiagnan'i Petera sy Jaona zare, ary natsapa fô ôlon-tsotra, ôlo tsy nandià fianaragna fô niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14 Satrià zare nahita lay lalahy zay sitragna nitsangagna niaraka taminjaré, kay tsy nahita ra koragnina hanohairagna zegny zare. 15 Fô kôfa avy nandidy irè Apostoly hiàla fivoriàgnan'ny filan-kevitra zare, de nifampiraisaka zare. 16 Ahozy zare hoe: ''Ino no tôkony ho atô amin'ireto lalahy irè ? Noho ny fagagagna vita tamin'ny alalan-jare de fantan'ôlo jiaby mipaitraka akéto Jerosalema, ary tsy azontsika lavigna. 17 Fô mbô tsy hiparitahan'izegny amin'ny vahoàka, de handô antsika hampitandrigna azy irè mbô tsy hivôlagnanjare zegny agnaragna zegny intsony. 18 Natsôviny hiditra i Petera sy Jaona ary nivôlagniny zare tsy hivôlagna sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesosy intsony. 19 Kanaifa namaly azy irè i Petera sy Jaona nivôlagna hoe: "Ra marigna imason'Andriamanitra ny magneky anare mihoàtra Ananjy, de anare no mitsarà. 20 Tsy afaka ny hijanogna tsy hivôlagna momba irè raha hitanay sy regninay zaihay.'' 21 Tavafaran'ny fampitandraimagna an'i Petera sy Jaona de navailany nandaiha zare. Fô tsy nahita fomba hagnasaziagna azy irè zare, satrià nidaira an'Andriamanitra irè vahoàka noho ny ra-haifany. 22 Ilay lalahy zay niaigna ny fagagagna sy fagnasitragnana de nihoàtra aifa-pôlo tôgna. 23 Tavafaran'ny nagnafahagna azy irè, de tônga tamin'ny vahoàkany i Petera sy Jaona ary nitateriny azy irè zay jiaby nivolagnin'ire lôhan'ny mpisorogna sy irè lôhôlogna taminjare. 24 Kôfa regnin-jaré zegny, de niara-nanandratra ny feonjare ho an'Andriamanitra zare kay nivôlagna hoe: "Tompo, anô no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasigna, ary zay jiaby aminy. 25 Nivôlagna tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna tamin'ny vavn'ny panomponô, ny raintsika Davida Anô hoe: 'Nagnino no Vignitra irè firenena Jentilisa, sy irè ôlo zay mieritreritra raha tsisy ilagna ananjy?' 26 Anare mivôlagna hoe: Ire Mpanjakan'ny tany de nitambatra, ary irè panapaka de nivondrogna hanôhitra ny Tompo, sy hanôhitra ny Kristiny.' 27 Fô aifa i Heroda sy Pontsy Pilaty, zay niaraka tamin'ire Jentilisa sy irè vahoàkan'Israely, no niara-niangogna takô an-tanàgna hanôhitra an'i Jesosy panomponare, zay nosoranare. 28 Niara-nivory zare mbô hagnano zay jiaby natôn'ny tagnanare sy irè drafitrare zay aifa notapahinjare ho atô mialôha. 29 Avaizo, Tompo, saha irè fampitandraiman-jare ary amiagna irè panomponô mbô hivolagnany ny teninô an-kasahiàgna tantairaka. 30 Ahinjiro ny tagnanô mbô nagnasitragna, ary hagnamia irè famantaragna sy fagagagna amin'ny alalan'ny agnaran'i Jesosy tomponô masigna.'' 31 Kôfa avy nivavaka zare, de nihôzongôzogna ny toeragna zay niarahanjare nivory, ary feno ny Fagnahy Masigna izy jiaby ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiàgna. 32 Ny ankabaizan'ire zay nino de fo sy Fagnahy raika. Tsisy nivôlagna fô ny raha zay azony de ananjy manôkagna, fô raha niarahan-jare nanagna. 33 Niaraka tamin'ny hery maventy no nagnambaran'ny Apostoly ny fijoronjare vavolambelogna momba ny fitsagagnan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fasoavagna maventy no tamin'izy jiaby. 34 Tsisy ôlo nanan-draha mahory taminjare, fô zay jiaby nanagna tany na tragno de nambidy ary nitôndra ny vôlandraha jiaby zay lafo. 35 Ary napaitraka tan-tongotr'ire Apostoly, ary nitsaraigna tamin'ôlo tsiraikaraika arak'izay ilainjare. 36 Josefa, Levita raika, lalahy avy agny Sipra zay nantsôvin'ire Apostoly hoe: Barnabasy (zay midika hoe Zanaka lahin'ny Fampahiraizagna), 37 nivarotra tany sy nitôndra ny vola ary namaitraka azy tan-tongon'ire Apostoly.