Tôko faha 3

1 Ary Petera sy Jaona niakatra tagny amin'ny tempoly tamin'ny laira fivavahagna, ny laira faha sivy. 2 Ary nisy lalahy nalemy letry votairaka nindôsigna isan'andro tagny amin'ny vavahady tsara endriky ny eglizy, mbô hangataka fagnomaizagna ara-bôla agny amin'iré ôlogna zay mandaiha à legilizy. 3 Kôfa nahita an'i Petera sy i Jaona zay handaiha hiditra a legilizy, de nangataka fagnomaizagna ara-bôla tamin-jaré izy. 4 Nimbanjigna ny masony niaraka tamin'i Jaona i Petera de nivôlagna hoe: "Zahà zaihay. 5 Ilay lalahy malemy nizaha aninjaré, nagnataigna ny ahazo raha avy amin-jaré. 6 Naifa i Petera nivôlagna hoe: vôla fotsy sy vôla mena tsy anagnako, naifa zay anagnako, no hamiako anô. Amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, mandihana." 7 Nandray ananjy tamin'ny tagnana ankavanagna, i Petera nanangagna ananjy, ary tonga de lasa natantanjaka ny tongotr'lay lalahy sy ny kitrokeliny. 8 Nitsambikigna, lay lalahy malemy de nitsangagna ka nanomboka nandaiha; ary niaraka niditra tamin'i Petera sy i Jaona takô alegilizy izy, ary nidaira an' Andriamanitra. 9 Ny ôlogna jiaby de nahita ananjy nandaiha sy nidaira an'Andriamanitra. 10 Tsikaritran-jaré fô izy lay lalahy nangakataka fagnomaizagna ara-bôla tamin'iré ôlogna také amin'ny Vavahady Tsaran'ny eglizy; ary taigna gaga sy talanjogna zaré noho ny raha nitranga taminanjy. 11 Ary noho izy hitagna an'i Petera sy Jaona, ny ôlogna jiaby de nirohitra nankagny amin-jaré tagny amin'ny fialôfagna zay nantsôvigna hoe fialôfan'i Solomona ny ôlogna jiaby ary taigna talanjogna. 12 Kôfa nahita zagny i Petera de namaly ny ôlogna hoe: "Anaré vahoakan'Israely, nagnino no talanjogna anaré? Nagnino ny masonaré no mandinika anay, karaha hoe herinay na famasinagnanay manôkagna no nampadaiha ananjy?" 13 Ny Andriamanitry Abrahama, y an'Isaka, ary an'i Jakoba, lay Andriamanitr'iré papantsika, nagnomià voninahitra an'i Jesosy mpanompony. Izy natôlonaré sy nilavinaré také anoloagnan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevitra ny agnodaifa ananjy. 14 Nilavinaré lay raika zay Masigna sy Marigna ary naleonaré nangataka lay mpamono ôlogna mbô ho alaifa ho anaré. 15 Nivoninaré ny Mpagnôrigna fiainagna, zay natsagan'Andriamanitra tamin'ny maty_ary vavolombelogna zagny zahay. 16 Avaizo, noho ny finoàgna amin'ny agnarany_lay lalahy zay hitanaré sy fantanaré_igny agnaragna igny foàgna no nahatônga ananjy hahery. Ny finoagna avy amin'i Jesosy no nagnomià zo fagnasitragnana feno ananjy akéto agnataihanaré jiaby. 17 Avaizo, ny ralahy, fantako fô nagnano zagny anaré noho ny tsy falalagnanaré, karaha natôn'iré mpitôndra anaré koa. 18 Fô iré raha zay voalazan'Andriamanitra mialôha tamin'ny vavan'iré mpaminagny jiaby, hoe tôkony hijaly ny Kristiny, fô aifa tantairany avaizo. 19 Mibebaha, noho zagny, ary mihiraigna, mbô hivonigna ny fahotanaré, mbô ho tônga ny fotoagna mavelombelogna eo agnantraihan'ny Tompo; 20 ary mbô handaifa an'ilay Kristy zay voatendry ho anô izy, de i Jesosy. 21 Izy lay tsy maintsy ho raisin'ny Lagnitra ambara-pahatongavan'ny laira famirainagna amin'ny laoniny ny raha jiaby, mômban'zay nivolagnin'Andriamanitra talôha tamin'iré vavan'iré mpaminagny masigna. 22 Nivôlagna tikoatra i Mosesy hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra de nanangagna mpaminagny karaha anahy avy amin'iré ralahinaré. Anaré hitandregny ny raha jiaby zay hivolagniny aminaré. 23 Hitranga ny hoe zay ôlogna jiaby tsy mitandregny zagny de ho ringagna tantairaka tsy ho ao amin'ôlogna.' 24 Agny, ary iré mpaminagny jiaby nanomboka te amin'i Samoela sy iré zay tônga tafarany, de nivôlagna mafy sy magnambara iré andro iré. 25 Anaré no zanak'iré mpaminagny sy ny fanekegna zay natôn'Andriamanitra tamin'iré razambé, araka ny nivolagnin'i Abrahama hoe: 'Ao amin'ny taranakanô de ho tahigna iré fianakaviagna jiaby eran-tany.' 26 Tafaran'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony, de nandaifa ananjy ho anaré alôha izy, mbô hitahy anaré amin'ny fialanaré amin'ny faratsiagnanaré.''