Tôko faha 2

1 Nony tônga ny Pantekosta, niangogna tamin'ny toeragna raika izy jiaby. 2 Tampoka také avy agny an-dagnitra nisy feo kara rivotra mahery nifofofo, ary nameno ny tragno jiaby zay nipitrahan-jare. 3 Nisy afo niendrika laila maro zay nirasarasa, ary nipaitraka tambônjare tsiraikaraika aby. 4 Izy jiaby de feno ny Fagnahy Masigna ary nanomboka nivôlagna tamin'ny fivolagnana maro samy hafa, araka ny namian'ny Fagnahy Masigna hivolagnanjare. 5 Ary nisy Jisoy zay nipaitraka takô Jerosalema, ôlon'Andriamanitra, avy amin'ny firenena jiaby amban'ny lagnitra. 6 Kôfa naregny zegny feo zegny, de tônga niaraka iré vahoàka sady niasa saigna satrià ny tsiraikaraika de samy naregny anjaré nivôlagna tamin'ny fivolagnany aby. 7 Zaré de talanjona sy gaga ke nivôlagna hoe: "Marigna, fô tsy iré jiaby mivôlagna iré mô no Galileanina? 8 Magnino ndraiky zaré mivôlagna amin'ny fivolagnantsika tsiraikaraika aby zay natômbo antsika ? 9 Partianina sy Medianina ary Elemita, ary iré zay mipaitraka agny Mesopotamia, agny Jodia sy Kapadokia, agny Ponto sy Asia, 10 Frygia sy Pamfylia, agny Égypta ary Libya hatragny amin'i Kyrena, ary iré mpitsidika avy agny Roma, 11 Jiosy sy Proselyta, Kreatana ary Arabo, de regnintsika miraisaka amin'ny fivolagnantsika mômba ny asa maventy atôn'Andriamanitra.'' 12 Zaré de magnana ary sahiran-tsaigna; ary nifampiraisaka zare hoe: "Ino no dikan-jegny?'' 13 Fô iré sanagny nagneso sady nivôlagna hoe: "Izy iré de mamon'ny divaingna vôvô.'' 14 Fô i Petera nitsangagna niaraka tamin'izy raik'ambiny fôlo, nampiakatra ny feony, ary nivôlagna taminjaré hoe: "Ry lalahy Jodea sy anaré jiaby zay mipaitraka akéto Jerosalema, ôka ho fantanaré zao, tandremo iré teniky. 15 Ho an'iré ôlo tsy mamo araka zay heverinare, fô vô laira fatelo amin'ny andro zao. 16 Fô zao lay vôlaza tamin'i Joela paminagny: 17 'Amin'ny andro farany,' Andriamanitra mivôlagna hoe: 'Halatsako amin'ny ôlo jiaby ny Fagnahiky. Iré zanakaré lahy sy ny zanakaré viavy de haminagny, ny ngôndahinaré de hahita fahitagna, ary ny antidainaré hagninôfy nôfy. 18 Karanjegny koà ny amin'iré panompoko lahy sy ny panompoko viavy amin'iré andro re. Halatsako ny Fagnahiky, ary zaré de haminagny. 19 Zaho de hampiseo raha mahamagnana agny amin'ny lagnitra ambôny, rà, afo, ary hembokafo. 20 Ny masoandro de hanjary haizigna ary ny davôlagna hanjary rà, mialôhan'ny andro maventy sy miavaka hiàvian'ny Tompo. 21 Ary ny ôlo jiaby zay magnantso ny agnaran'Andriamanitra de ho voàvonjy. 22 Ry ôlogn'Israely, tandrignaiso izô teny izô: Jesosy avy agny Nazareta, lay ôlogna nampisehoagna anaré tamin'ny alalan'Andriamanitra mbô ho marigna amin'iré asa maventy, iré fagagagna, ary iré famantaragna zay natôn'Andriamanitra taminanjy tagnivon'iré, araka ny hain'ny taignanaré. 23 Io lalahy io de natôlotry ny drafitr'Andriamanitra zay aifa nomagnina mialôha sy ny falalagnany, ary ny tagnan'ny mpandinika lalàgna sy anaré, namono Ananjy tamin'ny famantsaiagna Ananjy tamin'ny kakazofijaliagna. 24 Fô Andriamanitra nanangagna Ananjy, nagnafaka Ananjy tamin'iré fanaintaignan'ny fafataisagna, satrià sarotra ho Ananjy ny niala tamin-jegny. 25 Fô Davida mivôlagna mômba ananjy hoe, "Nahita ny Tompo tagnatraihako mandrakariva za, fô akéto an-tangnanan-kavanako Izy kay tsy tôkony hangôzohôzo za. 26 De taigna faly ny fôko ary niravoravo ny lailako. Ary koà, ny nôfoko hivelogna amin'ny fatokiagna. 27 Fô tsy nialanô ho agny amin'ny Fiainan-tsy hita nagnombaila ny Ray Masinô ho lô anô. 28 Nampafatatra anahy iré lalan'ny fiainagna Anô; Anô de hameno fifaliagna anahy amin'ny endrikanô.' 29 Ry ralahy, afaka miraisaka aminaré am-pitokiagna mômba an'i Davida Patriarika za: aifa maty izy no nalevigna, ary ny fasagnananjy de akéto amintsika mandrakigniany. 30 Noho zegny, paminagny izy ary fantany fô aifa nifanta tamin'Andriamanitra, fô ny taranany no ho amin'ny sezy fiandrianany. 31 Aifa hitany zegny de niraisaka mômban'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fafataisagna, sady izy tsy navaila takô amin'ny fiainan-tsy hita, no tsy nagnano ny nôfony ho trakatrin'ny falovagna.' 32 Io Jesosy io- Andriamanitra no nanangagna Ananjy, kay vavolombelon'izegny zaihay jiaby. 33 Noho zegny kôfa nasandratry ny tagnana ankavanagnan'Andriamanitra Izy de nandray ny Fagnahy Masigna nampagnantigniany avy tamin'ny Ray, aifa narotsany zegny, zay hitanare sy regninare. 34 Fô Davida de tsy niakatra tagny an-dagnitra, fô izy nivôlagna hoe: 'Ny Tompo nivôlagna tamin'ny Tompoko, ''mipitraha akéto an-tagnana ankavanagnako, 35 mandra-pagnanôvako ny favalonô ho fitoeran-tongotranô.''' 36 Noho zegny, ôka ho fantatry ny jiaby ny tragnon'Israely fô Andriamanitra no nagnano Ananjy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy zay nifantsianaré.'' 37 Ary kô naregny zegny zaré, vôtsindrogna ny fônjare, ary nivôlagna tamin'i Petera sy irè Apostoly ambiny hoe: ''Ralahy, ino no tôkony ho atônay?'' 38 Avake Petera nivôlagna taminjaré hoe: ''Mibaibaha magnanôva Batisa, anaré tsiraikaraika aby, amin'ny agnaran'i Jesosy Krisity ho familagna ny fahotanaré, sy handraisanaré, ny fagnomaizan'ny Fagnahy Masigna. 39 Fô ny fampagnatiniagna de ho anaré sy ny zanakaré ary iré jiaby zay lavitra, kay ho baitsaka iré ôlo zay ho antsôvin'Andriamanitra Tompotsika.'' 40 Niaraka tamin'ny teny maro hafa no nijoroany ho vavolambelogna sy nandrisihanany anjaré; nivôlagna izy hoe, ''Vonjé ny taignanaré amin'itô taranaka ratsy fagnahy itô.'' 41 Ary izy iré nandray ny teniny kay natô Batisa, ary tôkony fagnahin'ôlo telo arivo aké no nampiagna tamin'io andro io. 42 Nanohy sy niaraka nagnano ny asa fitoriagna sy ny fampianaragna ny apostoly zaré, tamin'ny fanapahagna ny môfo sy ny fivavahagna. 43 Tônga tamin'ny fagnahin'ny tsiraikaraika ny tahotra, ary fagagagna sy famantaragna maro no vita tamin'ny alalan'ny Apostoly. 44 Iré jiaby nino de niangogna ary nanagna raha nitovy, 45 ary zaré de nivarotra ny taniny sy ny fanagnany kay nizara zegny tamin'iré jiaby, arak'izegny nilainy aby. 46 Ary isan'andro isan'andro de nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mitovy, ary takô an-deglizy zaré, sy nanapaka ny môfo tan-dragno, ary nizara hanigna tampifaligna sy fo feno fanitrian-taigna; 47 nidaira an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahagna tamin'ôlo jiaby. Isan'andro ny Tompo de nagnampy ny isan'ire zay voavonjy.