Tôko faha 27

1 Kôfa tapaka fô tôkony hiantsambo ho agny Italia zahay, de napaitrakanjaré i Paoly sy re gadra hafa ho ambanin'ny fiahian'ny kapiteny raika antsôigna hoe Jolio zay an'ny rezimantan'ny Amperora. 2 Niditra tagnaty sambo raika avy agny Adramytena zahay, zay hiondragna magnaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Kai de nandaiha an-dranomasigna zahay. Aristarko avy agny Tesalonika agny Makedonia de nandaiha niaraka taminay. 3 Ny andro magnaraka de tônga tao amin'ny tanàgnan'ny Sidona zahay, zay nitôndran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy ary namaila ananjy handaiha ho agny amin'iré namany handray ny fikarakaranjaré. 4 Avy tagny zahay no nandaiha an-dranomasigna ary niantsambo nagnaraka ny môron'ny Kyprosy, nariny ny nosy,satrià nanôhitra anay ny rivotra. 5 Avy te niantsambo namakivaky ny ranomasigna zahay ary nariny ny sisin-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, tônga tao Myra zahay, tanàgnan'ny Lykia. 6 Tagny, ny kapiteny de nahita sambo raika avy agny Aleksandria zay hiantsambo ho agny Italia. Napaitrany taminjany zahay. 7 Kôfa niantsambo niadagna nandritry ny andro maro zahay ary ny farany de tônga tam-pahasahiranagna takilan'ny Kinidio, de tsy namaila anay andaiha taminjany lalagna zagny eky ny rivotra, kai de niantsambo nagnaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta zahay, mifankariny amin'ny Salmona. 8 Nagnara-môrona tam-pahasahiranagna zahay, mandra-pahatônganay tagny amin'ny toairagna hoe Tsara-fitodian-tsambo, zay akilan'ny tanàgnan'ny Lasea. 9 Ary nandany fotoagna baitsaka zahay, aifa dila koa ny fotoagna fifadian-kaninjaré Jiosy, ary aifa lasa nampidi-doza ny miondragna an-tsambo. Kai nampitandrigna anjaré i Paoly, 10 ary nivôlagna hoe: "A lalahy, hitako fô itô dia zay atôtsika itô de hisy faharatragna sy fatiantoka maro, tsy ho an'ny entagna sy ny sambo foagna, fô ho an'ny aintsika koa." 11 Fô ny kapiteny nagnomia lanja kokoa ny mpitôndra sy ny tompon'ny sambo noho re raha zay voalazan'i Paoly. 12 Satria amin'ny seragnana de tsy môra kô hidôka mandritry ny rirignina, de maro tamin'Ire mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondragna hiala te, fô mbô afaka hihazo ny tanàgnan'ny Foiniksa amin'ny fômba jiaby zahay, mbô hipaitraka agny mandritry ny rirignina. Foiniksa de seragnana agny Kreta, ary magnatrika ny miagnavaratra-andraifagna sy miagnatsimo-andraifagna zagny. 13 Kôfa nanomboka nitsoka malaifaka ny rivotra avy agny atsimo, de nihevitra re tantsambo fô nanagna zay nilainjaré. Kai de nampakatra ny vatofantsika ary niondragna nagnaraka an'i Kreta zaré, nariny ny môron-dranomasigna. 14 Fô afaka fotoagna fohy de nisy tafio-drivotra mahery, nantsôvigna hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy agny amin'ny nosy. 15 Kôfa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanôhitra ny rivotra eky, de tsy maintsy nagnomia lalagna ny tafiotra zahay ary nindôsin-drivotra tamin'zay tiany. 16 Niantsambo nagnaraka ny môron'ny nosy kely raika antsôvigna hoe Kaoda zahay, ary tamim-pahasahiranagna no nahafahanay niaro ny lakagna famonjiàn'aigna. 17 Kôfa nampakarinjaré ny lakagna famonjian'aigna, de nampiasanjaré ny tadiny mbô hamatôragna ny vatan'ny sambo. Natahotra zaré fô tôkony handaiha ambônin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso. kai de nalatsa-njaré ny vatofantsiky ny ranomasigna ary nandaiha ho azy tagny. 18 Tratran'ny familaizagna mahery vaikan'ny tafiotra zahay ka ny andro magnaraka io de nanomboka nagnary re entagna tagny ivailan'ny sambo zaré. 19 Tamin'ny andro fahatelo re tantsambo de nanipy ny entagn'ny sambo tagny ivailan'ny sambo tamin'ny tagnanjaré manôkagna. 20 Kôfa tsy nangilatra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintagna, ary mbôla namely anay lay tafiotra maventy, de very aby ny fagnantenagna ny hahavoavonjy anay. 21 Kôfa lasagna lavitra tsisy hanigna zaré, de nitsangagna taminjaré tantsambo Paoly avy te nivôlagna hoe: "A lalahy tôkony nitandregny anahy anaré, ary tsy niondragna avy tagny Kreta, ho tratran'zô faharatragna sy fatiantoka zô. 22 Avaizo de mamporisika anaré zaho mbô hahery, fô tsy hisy fahaverezan'aigna agnivonaré, fô fahaverezan'ny sambo foagna." 23 Fô tamin'ny aligna de nisy anjelin'Andriamanitra zay Tompoko, zay tompoiko ihany koa_nitsangagna tankilako ny anjeliny 24 ary nivôlagna hoe: 'Aza matahotra, ry Paoly, tsy maintsy hitsangagna agnatraihan'i Kaisara anô, ary indro, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-pagnahiny no nagnomia anô zay miantsambo miaraka aminô jiaby.' 25 Noho zagny mionogna, a lalahy! Fô matoky an'Andriamanitra zaho fô hitranga araka zay vôlaza taminahy zagny. 26 Saingy tsy maintsy hidogna amina nosy maromaro antsika.'' 27 Kôfa tônga ny aligna faha-efatra ambin'ny fôlo, kô nitompatompa tatô sy tarôko tamin'ny ranomasin'ny Adria zahay, tôkony tamin'ny sasak'aligna de nihevitra re tantsambo fô nariny tany zaré. 28 De nalaka refin-drano zaré ary nahita fô efapôlo maitatra ny halalignany; tafara helin'izagny, de mbôla nalaka refin-drano koa zaré ary nahita fô telopôlo maitatra ny halalignany. 29 Natahotra zaré sao hidogna amim-bato zahay, kai de nandatsaka vatofantsika efatra avy afara zaré ary nivavaka mbô ho kiaka tsy ho aila. 30 Re tantsambo de nizaha fômba handaozagna ny sambo ary nandatsaka ny lakagna famonjain'aigna tagny an-dranomasigna, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy te an-dôha-tsambo zaré. 31 Fô Paoly nivôlagna tamin'ny kapiteny sy re miaramila hoe: "Kô tsy midôka agnaty sambo re lalahy re, tsy ho voavonjy anare." 32 Avy te re miaramila nanapaka ny tadin'ny lakagna kai namela zagny ho rendrika. 33 Kôfa nanomboka nihanazava ny andro, de namporisika anjaré jiaby Paoly mbô halaka hanigna maromaro. Aoziny hoe: "Itô andro itô ny andro faha-efatra ambiny fôlo zay digniasanaré ary tsy hihinagnanaré; tsy nihinagna na ino na ino anaré. 34 Noho zagny de mamporisika anaré zaho mbô hahavelogna anaré. Fô tsy hisy na raika aminaré zay ho very na de singam-boron-dôhany aza." 35 Kôfa avy nivôlagna anjany izy, de nalaka môfo ary nisaotra an'Andriamanitra tamason'ôlo jiaby. Avy te izy nirasarasa ny môfo ary nanomboka nihinagna. 36 Avy te de nahery zaré jiaby ary nalaka hanigna koa. 37 Ôlogna 276 zahay no tagnaty sambo. 38 Kôfa nihinagna tsara zaré, de nohamaivaninjaré ny sambo tamin'ny nagnarianjaré re vary tagnaty ranomasigna. 39 Kôfa tônga ny andro, de tsy fantanjaré lay tany, fô nahita helon-drano raika nisy tora-pasika zaré, ary nifandinika zaré kô afaka hitôndra ny sambo tagny. 40 Kai nitapahinjaré re vatofantsika ary navailanjaré tagny an-dranomasigna. Niaraka taminigny de nalatsanjaré ny tady tamin'ny familiagna ary natsangany ny lay ho amin'ny rivotra; ary de niroso nankeo amin'ny tora-pasika zaré. 41 Fô tônga tamin'ny toairagna raika zay nisy ranomasigna nifanapaka zaré, kai nidona tamin'ny tany ny sambo. Ary lôhan-tsambo de niraikitra take ary nidôko tsy afa-nihetsika, fô ny vodintsambo ndraika nanomboka vaky nohon'ny herivaikan'ny onja. 42 Ny tetik're miaramila de ny hamono re gadra mbô tsy hisy aminjaré ho afaka andaiha hilomagno kai hilaifa. 43 Fô lay kapiteny ti-hamonjy an'i Paoly, kai de nadokogny ny tetikanjaré; ary namiany beko re mahay milomagno mbô hilatsaka ivailan'ny sambo malôka ary ho agny an-tanety. 44 Avy te tôkony hagnaraka ny ambin're lalahy, ny sanagny ambôny kakazo fisaka, ary ny sanagny ambôny raha hafa avy tamin'ny sambo. Karaha zagny no nitranga kai de tônga soa aman-tsara tagny an-tanety aby zahay.