Tôko faha 28

1 Kôfa tônga somantsara zahay, de hainay fô lay tany de antsôvigna hoe Malta. 2 Re tairantany de tsy nagnomia hatsaram-pagnahy tsotra taminay foagna, fô namelogna afo zaré ary nampandroso anay jiaby, nohon'ny ôragna mikija sy ny hatsiaka. 3 Fo kôfa nagnonkogna kitaigna kakazo sy namaitraka zagny te amin'ny afo Paoly, de nisy mainarana nivoaka nohon'ny hafanagna, ary nifatotra tamin'ny tagnany. 4 Kôfa nahita lay biby nihantogna tamin'ny tagnany re terantany, de nifampiraisaka zaré hoe: ''Taigna mpamono ôlogna zay nilaifa avy tagny an-dranomasigna io lalahy io, raha ny rariny de tsy tôkony ho velogna izy." 5 Fô avy te nagnôzongôzogna lay biby ho agnaty afo izy naifa tsy naratra aby. 6 Nandigny ananjy mbô azon-tazogna na ho foaty tampoka zaré. Fô kôfa avy nizaha ananjy maharitra zaré ary nahita fô tsy nisy raha tsy mahazatra nahazo ananjy, de niova hevitra zaré ary nivôlagna fô izy de andriamanitra. 7 Ary tamin'ny toairagna nariny te nisy re tany zay an'lay lalahy liben'ny nosy, lalahy antsôvina hoe Poplio. Nandray anay izy ary nagnomia hanigna anay tamin'ny hatsaram-pagnahy nandritry ny telo andro. 8 Ny baban'i Poplio de azon-tazogna sy fivalanan-drà. Kôfa nankagny aminanjy Paoly, de nivavaka izy, namaitraka ny tagnany taminanjy, ary nampahivagna ananjy. 9 Tafaran'ny nitranganjany, de nagnatogna ananjy aby ny ambin'ny vahoaka jiaby zay narary tamin'lay nosy ary nahivagna. 10 Ny vahoaka koa de nagnomia voninahitra anay tamin'ny voninahitra maro. Ary kôfa niomagna andaiha hiantsambo zahay, de nagnomia anay zay nilainay zaré. 11 Afaka telo volagna zahay de nandaiha niondragna tamin'ny sambo zay nidôka tamin'lay nosy nandritry ny rirignina, sambon'i Aleksandria, misy "sarikamban'andriamanitra" talôhan'ny sambo 12 ary kôfa tônga tamin'lay tanàgnan'i Sirakosa zahay, de nipaitraka tao nandritry ny telo andro. 13 Niala avy te zaihay no niantsambo kai tônga tagny amin'ny tanàgnan'i Regioma. Ary kôfa afaka andro raika de nisy rivotra nitsoka avy agny atsimo, kai roa andro zaihay de tônga tamin'ny tanàgnan'i Potioly. 14 Tao no nahitanay re rahalahy sanagny ary nagnasa anay mbô hidôko hiaraka aminjaré mandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'zagny no nahatongavanay tagny Roma. 15 Avy tagny re rahalahy, tafaran'ny nandrignaisan-jaré ny mômba anay, de tônga nitsaizanay hatragny amin'ny bazarin'i Apio sy re hotely telo. Kôfa nahita re rahalahy Paoly, de nisaotra an'Andriamanitra izy ary nahazo hery. 16 Kôfa niditra tao Roma zahay, de nahazo alalagna hiara-hiaigna amin're miaramila niambigna ananjy Paoly. 17 Ary kôfa afaka telo andro tafaranjany de nampagnantso niaraka re lalahy zay mpitarika te amin're Jiosy re i Paoly. Kôfa niaraka tônga zaré, de nivôlagna taminjaré izy hoe: "A rahalahy, na de tsy nagnano raha ratsy tamin'ny ôlogna na fômban're razantsika aza zaho, de natôlotra ho voafonja tagny Jerosalema tan-tagnan'ny Romana. 18 Kôfa avy nagnadihady anahy zaré, de nagniry ny hagnafaka anahy, satria tsisy antony tôkony hagnamilôhagna anahy ho foaty." 19 Fô kôfa nanôhitra ny fagnirianjaré ny Jiosy, de voatery zaho nagnantso an'i Kaisara, na de tsy kara hoe nitôndra fiampangagna hanôhitra ny firenegnako aza. 20 Nohon'ny antsoko, de, nangataka ny hahita anaré sy hikoragna aminaré zaho. Zagny de nohon'ny fahatokisan'Israely mômba ny hamatôragna anahy amin'itô rojo itô." 21 Avy te de nivôlagna taminanjy zaré hoe: ''Tsy mbôla naharay re taratasy mômba anô avy agny Jodia zahay, na rahalahy tônga sy nitatitra na nivôlagna raha ratsy mômba anô. 22 Fô tianay ho regny aminô ny eritreritranô mômba zagny sekta zagny, satria fantanay fô aifa ratsy laza amy toairagna jiaby zagny.'' 23 Kôfa nisafidy andro ho ananjy zaré, de maro kokoa re ôlogna nagnantogna ananjy tagny amin'ny tragno nivahinianany. Nampahafantatra lay raharaha taminjaré izy, ary nijoro vavolombelogna mômban'ny fanjakan'Andriamanitra. Niaizaka nandresy lahatra ananjaré ny mômba an'i Jesosy izy, na tamin'ny alalan'i Mosesy zagny na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka mandraigna ka hatramin'ny hariva. 24 Ny sanagny de resy lahatra tamin're raha zay voalaza, fô re hafa ndraika tsy nino. 25 Kôfa tsy nifagnaraka zaré, de lasagna tafaran'ny nagnambàran'i Paoly itô teny itô hoe: ''Ny Fagnahy Masigna de nivôlagna tsara re razanaré tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny. 26 Aoziny hoe: 'Mandihana agny amin're vahoaka re ary volagno hoe: ''Amin'ny fitandrignaisagna no handrignaisanaré, fô tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitagna no hahitanaré, fô tsy hahita." 27 Fô nihadonto ny fon're ôlogna re, ary sarotra amin'ny tadigninjaré ny haregny, ary nagnakipy ny masony zaré. Fô kô tsy zagny de mety afaka hahita amin'ny masony zaré, ary haregny amin'ny tandigniny, sy hahatakatra amin'ny fony kai hierigna ndraiky, de hampahivagna anjaré Zaho."' 28 Noho zagny, tôkony ho fantanaré fô zagny famonjian'Andriamanitra zagny de nalaifa tamin're Jentilisy, ary hitandregny zaré." 29 (Fagnamarihagna agny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa28:29- Ny antontan-taratasy sanagny de managna ny andininy. 29 hoe: "Kôfa nivôlagna re raha re izy, de lasagna ny Jiosy. Nisy fifandiragna maventy taminjaré.") 30 Paoly de niaigna nandritry ny roa tôgna magninjitra tamin'ny tragnony nohofaigna manôkagna, ary nandray zay tônga taminanjy jiaby izy. 31 Nagnambara ny fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra re raha mômban'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fahasahiagna jiaby. Ary tsisy nanakagna izy.