Tôko faha 26

1 Noho zagny Agripa nivôlagna tamin'i Paoly hoe: "Afaka mivôlagna ho an'ny taignanô anô." De nagninjitra ny tagnany Paoly ary nagnano ny fiarovan-taignany. 2 "Maneho ny taignako karaha faly zaho, ry Agripa mpanjaka mbô hitôndra ny raha mahazo anahy aketo alôhanô igniany manôhitra re fiampangan're Jiosy jiaby; 3 indrindra, satria anô aifa matihanigna amin'ny fômba amam-pagnano sy fagnontagnian'ny Jiosy Jiaby. Noho zagny de mangataka anô zaho hitandregny anahy am-paharaitagna. 4 Marigna fô, re Jiosy jiaby de mahafantatra ny fomba fiainako hatramin'ny fahatanorako tagny amin'ny firenegnako manôkagna sy tao Jerosalema. 5 Zaré de nahay anahy hatragny am-bôlôhany ary tôkony hagneky zaré fô Fariseo fiainagna zaho, ny hentitra indrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsika. 6 Ary mijoro aketo zaho ho tsaraigna satria mitady ny fampagnantenagna zay natôn'Andriamanitra tamin're razantsika zaho. 7 Fô itô no fampagnantenagna nantignain'ny fokontsika roambinifôlo ho raisigna kôfa nanompo an'Andriamanitra andro aman'aligna tikoatra zaré. Ho anjany fagnantegnana zagny, ry Agripa mpanjaka, no hiampangagn'iré Jiosy anahy. 8 Nagnino anaré no mihevitra fô tsy azo inoagna fô manangagna ny maty Andriamanitra? 9 Nisy fotoagna zaho nihevitra tamin'ny taignako fô tôkony hagnano raha maro manôhitra ny Agnaran'i Jesosy avy agny Nazareta zaho. 10 Nagnano zagny tagny Jerosalema zaho. Nanidy maro tamin'ire mpino tagny am-ponja tamin'ny fahefagna niraisiky avy tamin'ire lôhan'ny mpisorogna zaho, ary kôfa vodaroka zaré, de nandatsaka ny hatôko hanohitra anjaré zaho. 11 Nisaziky imbaitsaka zaré tagny amin'ire synagoga jiaby ary niaizaka ny hanery anjaré mbô hiteny ratsy zaho. Vignitra mafy taminjaré zaho ary nagnenjika anjaré na de tagny amin'ire tanàgna agny ivailagny aza. 12 Kô mbôla nagnano zagny zaho, de nandaiha tagny Damaskosy niaraka tamin'ny fahefagna sy re didy avy amin'ire lôhan'ny mpisorogna; 13 ary tagny an-dalagna nankagny, tamin'ny atoandro be, ry mpanjaka de nahita hazavagna avy agny an-dagnitra zaho zay mangilatra noho ny masoandro ary zagny de nangilatra nagnodidigna anahy sy re lalahy zay niara-dia taminahy. 14 Kôfa lavo tamin'ny tany zahay jiaby, de naregny feo nikoragna taminahy zaho zay nivôlagna tamin'ny teny Hebreo hoe: 'Saoly, Saoly, nagnino anô no magnenjika Anahy?' Sarotra aminô ny handaka fanindronana. 15 Avy te nivôlagna za hoe: 'Izôvy mô Anô, Tompo?' Ny Tompo namaly hoe: 'Zaho no Jesosy zay enjehinô. 16 Avaizo miaraima ary mitsangana amin'ny tongonô; satria noho zô antôny zô no nisehoako taminô, mbô hanendry anô ho mpanompo sy ho vavolombelogna ikasika re raha zay fantanô mômba Anahy avaizo ary re raha zay hasehoko anô akô afara hely akô; 17 ary hagnavotra anô amin'ny vahoaka sy re Jentilisa zay hagnasako anô zaho, 18 mbô hanôkatra ny masonjaré ary hampitôdika anjaré hiala amin'ny hizigna hankagny amin'ny fahazavagna ary amin'ny herin'ny satana hankagny amin'Andriamanitra, mbô hafahanjaré mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloka ny fahotagna sy ny lôva zay amiako ananjaré zay nohamasinigna tamin'ny finoagna Anahy.' 19 Noho zagny, ry Agripa mpanjaka, nagneky ny fahitana avy tagny an-dagnitra zaho; 20 fô, ny amin're zay tagny Damaskosy malôka, ary avy te avy tagny Jerosalema, ary nagnairagna ny tanin'ny Jodia jiaby, ary koa tamin'ire Jentilisa nagnomia anjaré ny hafatra zaho fô tôkony hibaibaka sy hitodika amin'Andriamanitra zaré, hagnano asa mendrika ny fibaibahana. 21 Noho zagny antony zagny no nisamboran'ire Jiosy anahy tan-tempoly sy niaizaka hamono anahy. 22 Nagnampy anahy hatramin'zao Andriamanitra, noho zagny de mitsangagna zaho ary mijoro vavolombelogna amin'ny ôlon-tsotra sy amin'ire manan-kaja tsy hivôlagna na ino na ino mihoatra zay nivolagnin'ire mpaminagny sy Mosesy fô hitranga; 23 fô tsy maintsy hijaly Kristy, ary Izy no vôlôhany hitsangagna amin'ire maty mbô hitsangagna sy hitory fahazavagna ho an'ire vahoaka Jiosy sy re Jentilisa.'' 24 Kô vitan'i Paoly ny fiarovan-taignany, de nivôlagna tamin'ny feo mafy Festosy hoe: "Paoly, very saigna anô; ny fianaragnanô be loàtra no nahatônga anô ho very saigna." 25 Fô aozin'i Paoly hoe: "Tsy very saigna zaho, ry Festosy taigna tsara; fô amin'ny fahasahiagna zaho mivôlagna tenin'ny fahamarinagna sy famatoragna. 26 Fô ny mpanjaka mahafantatra mômba zagny raha zagny; ary noho zagny, mivôlagna an-kalalahagna aminanjy zaho, fô resy lahatra fô tsisy taminjany navony taminanjy; satria tsy natao tagny amin'ny takogna zagny." 27 Mino ny mpaminagny mô anô, ry Agripa mpanjaka? Fantako fô mino anô." 28 Agripa nivôlagna tamin'i Paoly hoe: "Ao agnatin'ny fotoagna fohy mô no handresenô lahatra anahy sy hagnanovanô anahy ho Kristiana?" 29 Aoziny Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra zaho, mbô na agnatiny fotoagna fohy na fotoagna lava, tsy anô foagna, fô anaré jiaby zay maregny anahy igniany koa, de hitovy aminahy, fô tsy miaraka an'iregny rôjo regny." 30 Avy te nitsangagna ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika koa, ary re zay nipaitraka niaraka taminjaré; 31 kôfa nandao ny tragno fivoriagna zaré, de nifampiraisaka ary nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô tsy magnano raha mendrika ny fahafataisagna na famatôragna." 32 Aozin'i Agripa tamin'i Festosy hoe: "Itô lalahy itô de afaka nalaifa kô tsy nantsôvigna tagny amin'i Kaisara izy."