Tôko faha 25

1 Avaizo, Festosy niditra tamin'ny faritany, ary telo andro tafara, de niakatra avy tao Kaisaria izy ho agny Jerosalema. 2 Ny lôhan'ny mpisorogna sy re Jiosy manan-kaja de nitôndra fagnamilôhagna hiampangagna an'i Paoly, kai namporisika ananjy 3 sy nangataka taminanjy zaré mbô hampidi-doza an'i Paoly_kai mety hampagnantso an'i Paoly ho agny Jerosalena Festosy mbô afahanjaré mamono ananjy agny an-dalagna. 4 Kanaifa Festosy namaly fô gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy taignany de hierigna agny tsy ho aila. 5 "Noho zagny, re zay afaka," aoziny: "de tôkony handaiha hiaraka aminay ho agny. Kô nagnano raha tsy nety lay lalahy, de tôkony hiampanga ananjy anaré." 6 Festosy de tsy nidôka nihoàtra ny valo na fôlo andro ary avy te nirôrogna nankagny Kaisaria, ary ny andro magnaraka de nipaitraka tamin'ny toairan'ny fitsaragna izy ary nandidy an'i Paoly mbô hindôsigna agny aminanjy. 7 Kôfa tônga izy, de nipaitraka tankilany te re Jiosy avy agny Jerosalema, ary nitôndra fiampangagna goavagna maro zaré zay tsy afaka niporofonjaré. 8 Niarotaigna Paoly ary nivôlagna hoe: "Tsy nagnano raha ratsy manôhitra ny lalàgnan'ny Jiosy zaho na manôhitra ny tempoly na manôhitra an'i Kaisara." 9 Saingy nizaha zay ahazahoagna ny fankasitrahanjaré Jiosy i Festosy, ary noho zagny de namaly an'i Paoly izy kai nivôlagna hoe: "Te-hiakatra ho agny Jerosalemana mô anô ary tsaraiko mômba regny raha tagny regny?" 10 Aoziny Paoly hoe: "Mitsangagna aketo alôhan'ny seza fitsaran'i Kaisara zaho zay tsy maintsy hitsaragna anahy. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy zaho, araka ny aifa fantanô tsara. 11 Kanaifa kô nagnano ratsy zaho ary kô nagnano zay mendrika ny fafataisagna, de tsy mandà ny ho foaty. Fô kô tsisy re fiampanganjaré, de tsisy ôlogna afaka mitôndra anahy ho agny aminjaré. Mangataka an'i Kaisara zaho." 12 Kôfa avy nikoragna tamin'ny filan-kevitra Festosy, de namaly izy hoe: "Nangataka an'i Kaisara anô. Agny amin'i Kaisara no handaihananô." 13 Ary tafaran'ny andro vitsivitsy, de tônga tagny amin'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mbô hamangy an'i Festosy. 14 Tafaran'ny naha tao ananjy nandritry ny andro maro, de natôlotr'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; nivôlagna izy hoe: "Nisy lalahy raika navailan'i Feliksa atô karaha gadra. 15 Kôa tagny Jerosalema zaho, de nitôndra fiampangagna itô lalahy itô taminahy re lôhan'ny mpisorogna sy re lôhôlogn'ny Jiosy, ary nangataka teny fagnamilôhagna ho ananjy zaré. 16 Namaly anjaré zaho fô tsy fomban're Romana ny manôlotra ôlogna mialôhan'ny hiatraihany re mpiampanga ananjy sy hanagagnany fahafahagna hiaro-taigna amin'iré fiampangagna." 17 Noho zagny, kôfa niara-tônga taketo zaré, de tsy nandigny zaho, fô ny andro magnaraka de nipaitraka tamin'ny sezan'ny fitsaragna zaho ary nibeko ny ampidiragna ilay lalahy. 18 Kôfa nitsangagna re mpiampanga kai nagnameloka ananjy, de nieveriko fô tsisy goavagna ny fiampangagna nindôsinjaré ho ananjy. 19 Fô, nifamaly zaré mahakasika ny fivavahan-jaré manôkagna sy mômba zagny Jesosy zay maty zagny, zay nambaran'i Paoly fô velogna. 20 Tsy azoko antoka ny fômba hagnadihadiagna itô tranga itô, ary noho zagny de nagnontaniako izy kô vôgnona ny ho agny Jerosalema mbô ho tsaraigna agny mômba re fiampangagna re. 21 Fô kôfa nangataka ny hidokoagna am-ponja mbô handigny ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly de nandidy ananjy zaho mbô hitanagna am-ponja izy mandra-pandifasako ananjy agny amin'i Kaisara." 22 Agripa nivôlagna tamin'i Festosy hoe: "Tiaregny itô lalahy itô koa zaho." "Amaraigna," Aozin'i Festosy: "Haregny ananjy anô." 23 Kai ny andro magnaraka de tônga niaraka tamin'ny lagnonagna marobe Agripa sy Berenika; nankagny amin'ny efitragno maventy niaraka tamin're miaramila mpifehy sy re lalahy manan-kaja tamin'ny tanàgna zaré. Kôfa nivôlagna lay didy Festosy, de nidôsinjaré Paoly. 24 Aozin'i Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy anaré lalahy jiaby zay miaraka aminay aketo itanaré itô lalahy itô; re vahoakan'ny Jiosy jiaby nifagnaraka taminahy tagny Jerosalema sy takeko koa, de nitaraigna taminahy zaré fô tsy tôkony ho velogna eky izy." 25 Fantako fô tsy nagnano na ino na ino mendrika ny fafataisagna izy; fô satrià nangataka ny Amperora izy, de nanapa-kevitra zaho ny handaifa ananjy. 26 Saingy tsisy raha manan-danja hisoratako agny amin'ny Amperora. Noho zagny antony zagny, de nindôsiko taminaré izy, indrindra aminô, Agripa Mpanjaka, mbô afahako managna raha hisoratako bebe kokoa mômba lay raharaha. 27 Satria karaha tsy mety aminahy ny mandaifa gadra sy tsy milaza zay hiampangagna ananjy koa.